(C) Global Voices This story was originally published by Global Voices and is unaltered. . . . . . . . . . . Mampiroborobo ny fizahan-tany ao amin'ny tanànakelin'i Taiwan fitrandrahana harena an-kibon'ny tany niroborobo taloha ny mponina tia saka [1] ['Hong Kong Free Press'] Date: 2024-05-31 Ity tatitra an-tsary ity dia nosoratan'i Kyle Lam ary navoaka voalohany tao amin'ny Hong Kong Free Press (HKFP) tamin'ny 27 Aprily 2024. Navoaka eto ambany ho ampahany amin'ny fifanarahana fifampizarana votoaty amin'ny HKFP ny lahatsoratra nasiam-panovana. Tanàna fitrandrahana arintany efa niroborobo tany Taiwan teo aloha no namelo-tena indray ho toerana mahasarika mpizahatany sy fonenan'ny saka miisa 100 mahery. Nantsoina hoe “zohin’ny gidro” tany am-boalohany i Houtong, any Ruifang, andrefan'i Taipei renivohitra. Nandritra ny taonjato faha-20, io faritra io no nitarika ny famokarana arintany tany Taiwan, ka miisa 220 000 taonina no notrandrahaba isan-taona. Nitarika ny firoboroboan'ny mponina izay mahatratra 6.000 teo ho eo izany. Saingy toy ny tanàna maro fitrandrahana arintany rehetra, dia nifindra monina ireo mponina tanora rehefa nanomboka maty ny indostria tamin'ny taona 1990, ka latsaka ny 100 sisa ny mponina tao an-tanàna rehefa ritra ny tsenan'asa. Nitranga izany hatramin'ny taona 2008, rehefa nanomboka nitsimpona ireo saka mpirenireny ny mponina iray tany an-toerana sy ny mpaka sary iray, Peggy Chien. Nampiseho ny ezaka nataony tao amin'ny Flickr izy ary nahazo ny fon’ireo mpitia saka manerana ny nosy, araka ny filazan'ny gazety tohanan'ny fanjakana Taiwan Today. Nanampy tamin'ny famelomana indray ilay vohitra saika maty ny firongatr'ireto biby voloina ary nanova azy ho paradisan’ny mpitia saka. Amin'izao fotoana izao, misarika mpizahatany ilay tanànakely ary ahitana trano fisotroana kafe miompana amin'ny saka, toeram-pivarotana mivarotra fitaovana momba ny saka, vakoka rava mampiseho ny lasan'ny indostria tao an-tanàna, ary toerana hialana sasatra. Mety ho tsikaritra ireo saka mitsena ireo mpitsidika avy any Taipei eo amin'ny tetezan'ny lalamby, mitsilailay eny amin'ny talantalana sy ny tohatra rehetra eny, na matory eny an-tafotrano, eny ambony dabilio sy eny an-joronjorony eny. Tafiditra ao anatin'ny lisitry ny CNN ahitana ny “Toerana miisa dimy ahitana saka misarika kokoa ireo mpizahatany” tamin'ny taona 2013 i Houtong. [END] --- [1] Url: https://mg.globalvoices.org/2024/05/31/169463/ Published and (C) by Global Voices Content appears here under this condition or license: https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/. via Magical.Fish Gopher News Feeds: gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/