(C) Global Voices This story was originally published by Global Voices and is unaltered. . . . . . . . . . . Manakaiky ireo mpitondra mpanao jadona ny filoha Aliyev [1] ['Arzu Geybullayeva'] Date: 2024-06-01 Tato anatin'ny herinandro vitsivitsy ny filoha Ilham Aliyev, mpitondra vao handao ny toerany ao Azerbaijan, dia nandray ireo mpitarika avy amina firenena marobe fantatra amin'ny toe-pon-dry zareo mankahala tandrefana, ary amina tranga hafa dia noho ireo tarehimarika mampametra-panontaniana momba ny zon'olombelona sy ny fahalalahana. Isan'ireo mpitondra nifandray tànana sy nanao sonia fifanarahana tamin'ny filoha Aliyev hatramin'ny Aprily 2024 ny filohan'i Tajikistan, Emomali Rahmon, ny filohan'i Belarosia, Alyaksandr Lukashenka, ny minisitra hôngroà misahana ny raharaha ivelany sy ny varotra, ny praiminisitra ao Slôvakia, ary ny filohan'i Bolgaria. Tamin'ny Aprily 2024, nifidy filoha iray pôpilista i Slôvakia, filoha izay nilaza am-pahibemaso ny firaiketam-pony amin'i Rosia. Raha ny trangan'i Hôngria, tonga ilay firenena dia nibahana tsotra izao ny fanampiana ho an'i Okraina, tsy ela akory fa vao tamin'ny 27 May 2024. Ny filohan'i Hôngria, Viktor Orban, koa dia niarahaba ny filoha rosiàna, Vladimir Putin, tamin'ny naha-voafidy azy indray tamin'ny Martsa 2024. Bolgaria, Hôngria, ary Slôvakia koa dia isan'ireo firenena nibahana ireo fanafarana voamaina avy any Okraina tamin'ny 2023, nahazoan-dry zareo ny solonanarana hoe “fanjakàna jiolahimboto” ao anatin'ny Fiombonambe Eorôpeàna. Hôngria sy Slôvakia koa dia nibahana ny famoahana fanambaràna iray tamin'ny anaran'ireo firenena 27 mpikambana ao anatin'ny Fiombonambe Eorôpeàna momba ilay volavolan-dalàna mahabe resaka ao Zeôrzia mahakasika ireo olon'ny firenena vahiny, nankatoaviny tamin'ny 14 May 2024. Ankoatra ireo firenena ireo, mampirehareha ny tenan'ilay filoha ihany koa ny nahavitàny nametraka “fisaikaizàna” amin'ilay mpitarika ao Shina, Xi Jinping, sy ny fanànany fifandraisana tsara amin'i Ozbekistàna, izay voalahatra ho “tsy malalaka” hoy ny tatitra isantaona momba ny fahalalahana erantany, navoakan'ny Freedom House. Tsy lisitra feno izy io. Raha araka ireo zavanitranga vao haingana, nieritreritra momba ireny fitsidihana ireny ireo Azerbaijani manampahaizana, ny sasany milaza an'i Azerbaijàna ho nahazo fahalinana be avy amin'ireo mpitarika maneran-tany mikasa ny hanorina fifamatorana amin'ilay firenena, raha ny hafa kosa mitsikera, miahiahy hoe mizotra mankany amin'ny vovonana mankahala tandrefana ny governemanta. Toy ny dingana lojika ny fahalinana amin'i Azerbaijàna raha ny faahitàn‘i Hikmet Babaoglu, lefitry ny lehiben'ny fiarovana, sy ny vaomiera miady amin'ny kolikoly ao amin'ny Milli Majlis [Antenimiera ao Azerbaijàna], indrindra fa eny anivon'ireo firenena eorôpeàna tatsinanana, indrindra fa i Azerbaijàna rahateo efa manana fifandraisana amin'i Eorôpa Andrefana. “Ny tena mpiara-miombona antoka ara-barotra aminay dia ireo firenena eorôpeàna tandrefana. Noho izany, tokony heverintsika ho toy ny dingana iray aorian'ny Tandrefana ny fitomboan'ny fahalinan'ireo firenena eorôpeàna tatsinanana amin'i Azerbaijàna,” hoy i Babaoglu tamin'ny Meydan TV tao anaty antsafa iray. Nampian'i Babaoglu fa ireo fanambaràna mifanohitra amin'izany, na miampanga an'i Azerbaijàna ho mandrisika toe-po mankahala Tandrefana dia tsy inona fa fanaratsiana pôlitika fotsiny ho fanimbàna endrika an'ilay firenena eo amin'ny sehatra iraisampirenena . Nampangain'ilay mpikambana mpomba ny governemanta ihany koa ireo fampahalalam-baovao azerbaijani sasany ho lasa fitaovana eo ampelantànan'ireo hery imperialista ary manaparitaka fitantaràna diso. Ho an'i Azer Gasimli, mpahay siansa pôlitika filohan'ny Ivontoerana ho an'ny Fitantanana Pôlitika, ny fifandraisana tsy mitsaha-mitombo ananan'i Azerbaijan amin'ireo firenena toa an'i Hôngria, Slôvakia ary Bolgaria dia tsy hafa fa resaka fifanakalozana fotsiny ihany. “Baku ôfisialy dia mandray anjara amin'ireo tetikasa fampiasambola ho takalon'ny fanohanan-dry zareo an'i Azerbaijàna,” hoy ny nomarihan'i Gasimli, tao anaty antsafa niarahana tamin'ny Meydan TV. Tamin'ny Aprily 2023, Azerbaijan dia nanao sonia ny “Faribolam-piraisankina,” antontan-taratasy iray milaza ny fanitarana ny tambajotran'ny entona miaraka amin'ireo firenena ao Eorôpa atsinanana, isan'izany i Bolgaria, Hôngria, Romania, ary Slôvakia. Lasa maika kokoa io fandraisana andraikitra io rehefa nakatona ny fanondranana entona natoraly avy any Rosia taorian'ny fananiham-bohitra nataon'i Rosia tao Okraina. Taorian'ny fitsidihana iray nataon'ny praiminisitra slôvaky, nosoniavin'ny firenena roa tonta ihany koa ny fifanarahana iray momba ny fandraisana anjaran'ireo orinasa slôvaky amin'ny asa fanarenana ao Karabakh, izay ambony ambany tanteraka taorian'ireo herisetra nipoaka teo amin'ny Azerbaijani sy ny tafika armeniàna nandritra ireo dimy taona lasa. Natig Jafarli, mpikambana iray ao anatin'ny vaomiera pôlitikan'ny antoko REAL, dia nilaza fa ireo firenena toa an'i Slôvakia sy Hôngria, izay mpikambana ao anatin'ny Fiombonambe Eorôpeàna sy ny OTAN, dia mihetsika ho an'ny tombontsoan-dry zareo manokana, indrindra rehefa fiarovana ny fifanarahana momba ny angovo no resaka. “Talohan'ny fananihambohitr'i Rosia tao Okraina, 90 isanjato tamin'ny famatsiana entona tao aminy no avy any Rosia, ary 80 isanjato tamin'ny solika,” hoy ny fanazavàn'i Jafarli, ary amin'izany, tany aloha tany ny sasany tamin'ireny firenena ireny izay niankin-doha betsaka tamin'i Rosia tamin'ny resaka angovo dia mandeha ho azy ny fitadiavana safidy hafa, hoy i Jafarli nanampy tao anatin'ilay antsafa niarahany tamin'ny Meydan TV. “Ho an’ [ireo firenena toa an’] i Bolgaria, Slôvakia ary Hôngria, ny tahirin'angovon'i Azerbaijàna dia afaka mitàna anjara toerana sahaza amin'ny fampihenàna ny [fiankinandohan-dry zareo be loatra amin'i Rosia] sy ny fiatrehana ny filàn-dry zareo,” hoy i Jafarli. Araka izany, na tian'i Azerbaijàna aza, tsy azony atao ny hidikiditra fahatany amin'izay vovonana rehetra mankahala tandrefana noho ny fiankinandoha ben'ilay firenena amin'ny Tandrefana. “51 isanjaton'ny solika [ampiasain'ilay firenena] ary 75 isanjaton'ny entona [ao aminy] no amidy any amin'ireo firenena tandrefana. Italia no tena mpanjifanay goavana. Noho io zavamisy io, ahoana no hahafahan'i Azerbaijàna hanohy pôlitika iray mankahala ny Tandrefana? Raha izany no tranga hisy, dia tsy maintsy hiatrika fiantraikany ara-toekarena goavana ilay firenena,” hoy i Jafarli nanazava. Nanazava i Jafarli fa avy amin'ny fomba fijery pôlitika, ny fitomboan'ny fifamatoran'i Azerbaijàna amin'ireo fitondràna tsy refesi-mandidy hafa dia natao ho fampitàna hafatra amin'i Bruxelles. Marobe ny fanakianana nataon'ny Fiombenambe Eorôpeàna an'ireo manampahefana Azerbaijani noho ny fikororosian'ny fahalalahana ao amin'ilay firenena sy ny firaketana ratsy momba ny zon'olombelona ao aminy. Diplaomasia karazany hafa Samihafa be amin'ny ao Eorôpa Andrefana ny fomba fiasa diplaomatikan'i Azerbaijàna raha oharina amin'ny Eorôpa Atsinanana. Nandrakitra izany nandritra ny taona maro ireo fikambanana iraisampirenena samihafa izay nanome anarana ireo ezaka diplaomatika nataon'ity firenena manankarena angovo ity ho “diplaomasia caviar.” Ny European Stability Initiative (ESI), vondrona mpandinika eorôpeàna, no namolavola io teny io tamin'ny 2012, raha nandrakitra ny tsolotra nataon'ireo manampahefana Azerbaijani tamin'ireo pôlitisiàna eorôpeàna tao Parliamentary Assembly of the Council of Europe (PACE). Nefa tsy nijanona ho tao amin'ny PACE fotsiny ny ezaka kolikoly nataony. Tamin'ny 2017, napetraky ny Azerbaijani Laundromat ho ambany mason'ny rehetra i UK rehefa “naporitsaky ny gazety danoà Berlingske ireo firaketana tsiambaratelon'ny banky ary nozarainy tamin'ny Organized Crime and Corruption Reporting Project (OCCRP), ny Guardian, ary ireo media hafa mpiara-miasa aminy,” nandrakotra fe-potoana naharitra 30 volana hoy ny tatitry ny The Guardian tamin'izany fotoana izany. Naboraky ny fanadihadiana iray nataon'ny VICE tamin'ny 2021 ny fomba nataon'ny tambajotra iray midadasika misy ireo Azerbaijani pôlitisiana sy mpanao adisisika nandresy lahatra ireo pôlitisiàna tao Berlin. Misy ny antontan-kevitra momba ireo endrika adisisika hafa nataon'ny governemantan'i Azerbaijàna tato anatin'ny taona vitsy. Tamin'ny Janoary 2024, raha kely indrindra dia pôlitisiana alemàna telo no voaheloka ho nanao kolikoly sy tsolotra nifandray tamin'i Azerbaijàna. Ny tantara ratsy akaiky indrindra momba ny fitaoman-dry zareo Azerbaijani dia naharirotra an'ilay solombavambahoaka amerikàna, Henry Cuellar, izay voaheloka noho ny “nandraisany tsolotra 360.000 dôlara amerikàna raha kely indrindra avy amin'ireo orinasa ambany fifehezan'ny governemanta ao Azerbaijàna.” Tao anatin'ireo tranga rehetra ireo, vitan'ny governemanta Azerbaijani sy ny lehibeny ny nanatanteraka fifandraharahàna ara-bola mampiahiahy sy nametraka fifamatorana vaovao ary nanao ireo fomba fanao tranainy amin'ny famoretana ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety sy ireo tsy mitovy hevitra aminy. Tsy nitondra fahasamihafàna firy ilay fanapahankevitra iray tamin'ny Janoary 2024 navoakan'ny PACE tsy hanavao ny fahefana nomeny ny solontenan'i Azerbaijàna noho ny tsy nahavitàn'ilay firenena nanaja ny “fanolorantenany fototra” tao anatin'ny firotsahany tao anivon'ny Filankevitr'i Eorôpa. Tsy nisy fiantraikany ihany koa ireo antson'izao tontolo izao natao tamin'ilay governemanta mba hamotsoràna ireo gadra noho ny pôlitika, isan'izany ny fanapahankevitra tamin'ny Aprily 2024 avy amin'ny Parlemanta Eorôpeàna. Rehefa nosoniavin'ny filoha Aliyev ilay didim-panjakana farany indrindra famotsoran-keloka tamin'ny 25 May 2024, andro fankalazana ny fahaleovantenan'ny firenena, na iray aza tsy nisy tao anaty lisitra ny gadra noho ny pôlitika. [END] --- [1] Url: https://mg.globalvoices.org/2024/06/01/169988/ Published and (C) by Global Voices Content appears here under this condition or license: https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/. via Magical.Fish Gopher News Feeds: gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/