(C) Global Voices This story was originally published by Global Voices and is unaltered. . . . . . . . . . . Mikatsaka ny hiaro ny kava lasa nahazo laza maneran-tany ireo vondrom-piarahamonina Pasifika [1] ['Mong Palatino'] Date: 2024-06-02 Zavamaniry teratanin'ny nosy Pasifika ny Kava (Piper methysticum). Nomainina, nototoina ary nafangaro tamin'ny rano ny fakany izay mamadika azy ho zava-pisotro tsy misy alikaola ary mampitony sy manamaivana ny adin-tsaina izy io. Tsy ampiasaina amin'ny lanonana fotsiny fa amin'ny fiainana andavanandron'ny vondrom-piarahamonina Pasifika ny Kava. Noho ny vondrom-piarahamonina ampielezana Pasifika, lasa zava-pisotro ara-pahasalamana hafa malaza manerana izao tontolo izao ny kava Pasifika. Mandritra izany fotoana izany, miasa amin'ny fiarovana ny tantsaha madinika sy ny fiarovana ny fananana ara-tsaina ho an'ny zava-maniry razambe ny lehiben'ny faritra sy ny vondrom-piarahamonina. Tao anatin'ny taona vitsivitsy izay, nitombo erantany ny tinady kava satria mihamaro ny olona mitady ny zava-pisotro manatsara toe-po sy fahasalamana. Ahodina ary amidy ho zava-pisotro vovony ny fitrandrahana kava, anisan'izany ny dite. Niroborobo ny fanondranana Kava ho famaliana ny tinady. Tamin’ny taona 2023, nanondrana kava 351 taonina tany Etazonia i Vanuatu. Tamin'ny taona 2020, nitatitra ny Minisiteran'ny Varotra ao Fiji fa nahazoana 25 tapitrisa dolara mahery ny fanondranana kava. Nandritra io taona io ihany, nandrafitra ny 28 isanjaton'ny fanondranana ny kava any Tonga. Nipoitra nanerana an'i Etazonia ny trano fisotroana Kava sy ireo trano fisakafoana manolotra ny zava-pisotro. Niteraka fanehoan-kevitra samihafa tany Pasifika ny vaovao milaza fa nanomboka namboly kava azy manokana ny Amerikanina. Nankasitrahan'ireo mpanondrana izany saingy niantso izany ho “maka kolontsain'olona” kosa ny mpamboly sy ny manam-pahaizana sasany. Nampahatsiahy ireo mpiara-miombon'antoka ny praiminisitra Fiji Sitiveni Rabuka mba hanatsara ny fitomboana sy ny fanodinana ny kava. It is bound to have an impact if Fiji does not move from the subsistence growing, preparation, marketing/promotion and reliance on the Fijian and Fijian Diaspora customers. If Fiji and Pacific Islands kava producers want to retain or increase their customers, they must explore more down-stream processing to extend the market beyond ‘custom’ consumers or Pacific Islanders. Tsy maintsy hisy fiantraikany izany raha toa ka tsy miala amin'ny voly ivelomana, ny fanomanana, ny varotra/fampiroboroboana ary amin'ny fiankinana amin'ny mpanjifa Fijiana (an-toerana) sy ireo Fijiana ampielezana i Fiji. Raha te-hihazona na hampitombo ny mpanjifany ny mpamokatra kava ao Fiji sy ny Nosy Pasifika, dia tsy maintsy mikaroka bebe kokoa izy ireo amin'ny fanodinana indray mba hanitarana ny tsena mihoatra ny mpanjifa ‘manokana’ na ireo Nosy Pasifika. Nanolo-kevitra ny hampidirana ireo tondro ara-jeografika ho an'ny fanondranana kava ny sekretera maharitry ny Minisiteran'ny Varotra ao Fiji, Shaheen Ali . As the Pacific Community, we need to also fast track the work on the protection of kava, and in particular the geographical indications to protect kava as a Pacific commodity, for the benefit of our smallholder kava farmers who depend on this crop for their livelihoods. Amin'ny maha Vondrom-piarahamonina Pasifika, mila manafaingana ny asa momba ny fiarovana ny kava ihany koa isika, ary indrindra ny famantarana ara-jeografika ho fiarovana ny kava ho toy ny entam-barotr'i Pasifika, ho tombontsoan'ireo mpamboly kava madinika izay miankina amin'ity voly ity amin'ny fivelomany. Nanakiana ny fampiasana ny anarana “kava” ho an'ny vokatra vita ivelan'ny Pasifika ny sekretera jeneralin'ny Pacific Islands Forum teo aloha, Henry Puna. It’s not for everybody else to use. If they’re selling a similar product, well, they can use a different name. But we have to be realistic and accept that there are other tropical zones in the world where they grow this product. Tsy ho an'ny olon-drehetra no mampiasa azy. Raha mivarotra vokatra mitovy izy ireo, dia afaka mampiasa anarana hafa. Saingy tsy maintsy manaiky ny zava-misy isika ary manaiky fa misy faritra tropikaly hafa eto amin'izao tontolo izao mamboly ity vokatra ity. Timothy Tumukon, tale jeneralin'ny Ministeran'ny Fambolena, fiompiana, ala, jono ary ny fiarovana ny bio (biosecurité) ao Vanuatu, nilaza tamin'ny Fiji Times nandritra ny resadresaka fa ny toeram-pisotroana kava any Etazonia dia tsy manolotra ny zava-pisotro kava nentim-paharazana, fa kosa fakan-tahaka. The kava bars that are dropping up in the US and beyond are using kava extracts. It is not purely the kava as we know it. And this is where the concerns arise. That we need to very quickly define that space, define what it is. It’s being mixed with other products and that really is not kava. It’s something else. Ny toeram-pisotroana kava izay mipoitra any Etazonia sy any ivelany dia mampiasa sombina kava. Tsy ny kava fotsiny araka ny fahafantarantsika azy. Ary eto no mipoitra ny ahiahy. Mila mamaritra haingana izany zavatra izany isika, mamaritra hoe inona izany. Afangaro amin'ny vokatra hafa izany ary tsy tena kava. Fa zavatra hafa. Ho an'i Praveen Narayan, mpanondrana kava avy any Fidji, tsy tokony hanaitra ny mpamboly ao an-toerana amin'izao fotoana izao ny vaovao momba ny fambolena kava any Etazonia. It will take them years to master what has been done in the Pacific for the last 3000 years so I am not too concerned with the Americans growing their own kava at the moment. Haharitra taona maro izy ireo vao hahafehy ny zava-bita tany Pasifika nandritra ny 3000 taona ka tsy dia miahiahy loatra aho amin'ny fambolen'ny Amerikana ny kava azy manokana amin'izao fotoana izao. Matoky ihany koa i Jon Naupa, mpanondrana kava any Vanuatu fa, hanohy hahazo tombony amin'ny famokarana ny vokatra teratany ireo mpamboly ao Pasifika. Kava is a very fragile, finicky, funny plant. It's not just stick it in the ground and it grows. Anyone who tells you that has never planted kava. You've got to have the right amount of shade, you've got to watch out for El Nino coming up, you've got to look at the drainage. Zavamaniry tena marefo, be haitraitra sy mahafinaritra ny kava. Tsy vitany apetaka amin’ny tany fotsiny izy dia hoe hitombo. Izay milaza izany aminao dia tsy mbola namboly kava. Tsy maintsy manana alokaloka sahaza ianao, mila mitandrina amin'ny fiavian'ny El Nino, tsy maintsy mijery ny fanataran-drano. Tamin'ny resadresaka nifanaovana tamin'ny fampahalalam-baovao, mpamboly amerikana iray niresaka momba ny olana amin'ny fambolena kava any Etazonia. There’s an exodus of people from the islands and not a bunch of people coming back. So by allowing Pacific islanders to grow kava in America, it’s kind of bridging that cultural knowledge gap between generations. Someone is going to be able to teach their son or daughter how to grow kava whereas that would not have been possible in America before this point. Misy ny fifindra-monina avy any amin'ny nosy ary tsy betsaka andian'olona miverina intsony. Noho izany, amin'ny famelana ireo mponin'ny nosy Pasifika hamboly kava any Amerika, dia karazana famenoana ny elanelana amin'ny fahalalana ara-kolontsaina eo amin'ny taranaka izany. Misy olona afaka mampianatra ny zanany lahy na ny zanany vavy amin'ny fambolena kava raha toa ka tsy nisy tany Amerika izany talohan'io fotoana io. Ulise Funaki, manam-pahaizana Tongàna ao amin'ny Oniversiten'i Hawaii, nankasitraka ny fanohizana ny fampiasana kava any amin'ireo vondrom-piarahamonina am-pielezana. The benefits of that export from the Pacific for these communities, you almost can't count it because while we're out here, while we're working, while we're doing the things we need to do as a people in our communities in the diaspora, we benefit as well. We highly benefit from having access to that cultural, ancestral plant that is being brought to us, that we purchase and we use at funerals, weddings and there is the economics of how much is exported. Mila tsy ho tambo isaina ny tombotsoan'ireo vondrom-piarahamonina ireo avy amin'io fanondranana avy any Pasifika io, satria raha mbola any ivelany isika, raha mbola miasa, eo am-panaovana ny zavatra tokony hataontsika amin'ny maha-olona ao amin'ny vondrom-piarahamonintsika any am-pielezana, dia mahazo tombony koa isika. Mahazo tombony be dia be isika amin'ny fahazoana io zavamaniry ara-kolontsaina sy tamin'ny razambentsika io, izay vidiantsika sy ampiasaintsika amin'ny fandevenana, mariazy ary misy ny lafiny toe-karena amin'ny isan'ny aondrana. Nampitandrina ihany koa anefa ilay manam-pahaizana momba ny fampiasana tsy ara-dalàna ny kava. …when you commodify and commercialise kava in ways that are not respectful of the tradition, not respectful as a people, and how we relate and how we engage with kava, then you have a problem on your hands. …rehefa mivarotra sy manao varotra kava amin'ny fomba tsy manaja ny fomban-drazana, tsy manaja amin'ny maha-vahoaka ianao, ary ny fomba ifandraisantsika sy ny fomba irobohantsika amin'ny kava, dia manana olana ianao. Anau Mesui Henry, tompon'ny efitrano fandraisam-bahiny kava ao Auckland, nanasongadina ny fomba mety hisotroana kava. Water, kava — that's it. Anything outside of that, I don't even know what you're drinking. There's a connection to it, you're drinking it with other people, you're creating meaningful conversations, you're creating meaningful relationships. Kava is alive, that's how I see it. It's a living thing in my perspective. So, you're honouring it when you're having that proper drinking of the kava. [END] --- [1] Url: https://mg.globalvoices.org/2024/06/02/169960/ Published and (C) by Global Voices Content appears here under this condition or license: https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/. via Magical.Fish Gopher News Feeds: gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/