(C) Global Voices This story was originally published by Global Voices and is unaltered. . . . . . . . . . . Liona sa moka : ny toeran'ny adihevitra momba ny FaVO (IA) ao Torkia [1] ['Sencer Odabaşı'] Date: 2024-06-03 Tanaty fahabadobadoana mipaingotra amin'ireo zava-baovaon'ny vanim-potoana ankehitriny, tahaka ny any amin'ny toeran-kafa eto amin'izao tontolo izao, no nidiran'ny kabary manodidina ny FaVO (na AI [en] na IA [fr]) tao Torkia. Afaka mitondra ny fiarantsika ve ny FaVO? Hiteny amintsika ve ny raboto? Afa-manasitrana homamiadana ve ny FaVO? Ho voavaha ao anatin'ny segondra vitsy ve ny olana ara-tsosialy rehetra amin'izao fotoana izao satria manana ny teknôkraty tsy mety voakolikoly sy tsy mitongilana isika? Raha fintinina, jerena ao anaty lasitrasan'ny FaVO ny olana rehetra misy. Toa tsy nisy farany ny fahafaha-manao! Hanaisotra ireo mpiandrandra tsy lavorary ny FaVO : ilay mpanjakan'ny ala, ny liona tsitoha, ary hanavotra antsika amin'ny fahalavorariany. Saingy, na dia mielipatrana sy azo takarina aza any an-kafa manerana izao tontolo izao ny adihevitra momba ny FaVO, dia tsy izany no nitranga tany Torkia. Mbola tsy any na izany aza. Na dia betsaka aza ny manam-pahaizana momba ny FaVO, dia tena saro-tadiavina ny fifandraisany amin'ny vahoaka amin'ny ankapobeny. Izany no niteraka fahatakarana mivelatra ny amin'ny atao hoe FaVO : ao an-tsain’ny ankamaroan’ny olona, milina fianarana sy ireo teknolojia mifandraika aminy izany. Noho izany, misy ny fahabangana lalina ny amin'ny fahalalàna ny teknolojia, ao anatin'izany ny fetrany na ny fitomboan'ny ahiahy momba ny fiantraikany ankapobeny kokoa. Ny tranga fampiasana FaVO na aiza na aiza no manondro sahady fa ireo tabataba rehetra momba io teknolojia io dia lavitry ny fieron'ny liona tsitoha fa toy ny samonimonin'ny moka mahasosotra. Tsy ampy 40 taona nandresen'ny neôliberalisma, izay nanambaràna ny fiafaran'ny fitantarana goavana, ny fiafaran'ny politika ary ny fiafaran'ny tantara. Ankehitriny, mbola hita ho mampihomehy kokoa noho ny tamin'izany fotoana am-polony taona maro lasa izany ireo fanambaràna ireo, tahaka ny nanehoan'ny tantara ankarihary sy mandratra izay rehetra mety ho tranga. Na dia mbola mitoetra any amin'ny (faritra) jeografika maro, anisan'izany i Torkia, aza ny hevitra tsirefesimandidy mazavasaina sy tsy idiran'ny politika avy amin'ny teknôkraty tsy mitongilana sy tsy azo anaovana kolikoly. Angamba tsy manafintohina ity fikatsahana fitsipika tsy azo anaovan-kolikoly ity, raha heverina fa laharana faha-115 amin'ny firenena 180 ao amin'ny tondrom-pandraisan-kolikoly nalahatry ny Transparency International aza i Tiorkia. Indro tonga ny mpanjakan'ny ala, ny FaVO ambonin'ny tompo, hamaha ny olana mampiady hevitra rehetra izay ny Android sci-fi irery ihany no manana izany. Ny fampiasana FaVO amin'ny fifidianana sy ny kendaroroka politika Koa aiza ary ahoana no ampiasàna ny FaVO rehefa any Torkia? Vao haingana indrindra, nampiasaina nandritra ny fifidianana kaominaly farany teo ny FaVO “majika”. Tamin'ny famaliana fanontaniana momba ireo lisitry ny kandidà mampiady hevitra mialoha ny fifidianana eo an-toerana, nampangain'i Özgür Özel, mpitarika ny antoko mpanohitra lehibe indrindra ao amin'ny Antokom-Bahoaka Repoblikana (CHP) tamin'izany ny FaVO, toa niantehitra tamin'io teknolojia io ny mpitarika ny antoko talohan'ny nanambaràny ireo kandidàn'ny antoko. Mandritra izany fotoana izany, nivoady hamaha ny olan'ny fifamoivoizana zara raha mandeha ao an-tanàndehibe amin'ny fampiasàna FaVO i Murat Kurum, kandidà ben'ny tanàna avy ao amin'ny Antoko Rariny sy Fampandrosoana (AKP) ao Istanbul. Asa sarotra izany manao vinavina tsara amin'ny rezikin'ny kandidà iray handresy ary avy eo mampifandanja izany amin'ny soatoavin'ny antoko. Tahaka izany ihany koa ny fijoroan-kevitry ny kandidà iray amin'iny fotodrafitrasa miompana amin’ny fiara sy ny fitateram-bahoaka amin’ny maha kandidà ho ben’ny tanànan'ny tanàna iray makadiry. Ny fanapahan-kevitra rehetra raisina dia midika ho sorona ara-politika amin'ny mety hitsipahana ny mety ho fahavitàny, raha tsy hoe misy milina iray lavorary mandray ireo fanapahan-kevitra ireo, mazava ho azy. Samy mahazo avokoa amin'ny FaVO! Na izany aza, araka ny voka-pifidianana, tsy afa-nanavotra ny antokon'ny fitondrana tamin'ny fifidianana tao an-toerana na dia ny FaVO aza. Nahazo ny isanjato ambany indrindra teo amin'ny tantaran'ny fandraisany anjara tamin'ny fifidianana kaominaly tao Istanbul sy manerana ny firenena ny AKP. Tahaka izany ihany koa ny FaVO tamin'ny Fanoherana, ny Antokom-bahoaka Repoblikana (CHP). Na dia nahazo fandresena manan-tantara aza ny antoko ( nofantenin'ny FaVO ilay kandidà mampiady hevitra Özel), dia resin'ny kandidà AKP izy no tena marina. Azo antoka fa tsy azo misy azo tondroina ho avy amin'ny FaVO, na dia amin'ny ampahany aza, ny vokatra. Na izany aza dia tsy isalasalana fa hipoitra ireo ohatra ireo raha misy olona manonona indray ny FaVO amin'ny sehatra politika. Ny tena azon'ny FaVO mahakasika indrindra ny fiainan'ny olona sy manao izay hahatsapany izany, dia ny fitantarana momba azy tsy dia mampino loatra araka ny filazany sy/na ny fampiasana azy amin'ny politika. Amin'ny ankamaroan'ny ohatra tena misy eo amin'ny fiainana andavanandro sy amin'ireo tranga nohalalinina, no ahitantsika ny FaVo voalaza ho zavatra iray lavitry ny teknokraty iray manana ny hery rehetra afa-mamaha olana sarotra, manomboka amin'ny politika eo an-toerana ka hatrany amin'ny fotodrafitrasa an-tanàndehibe. Ravahan'ireo ohatra sy tranga ireo ny tena mahasosotra indrindra, raha tsy ny lafiny mihoapampana amin'ny teknolojia FaVO. Ny fikarohana ny “yapay zeka” (fiteny tiorka manondro ny Faharanitan-tsaina Voatr'Olombelon) amin'izay milina fitadiavana anjotra rehetra no mandahatra valiny voalohany mankalaza ny FaVo, fahatsapana iraisan'ny politidiana. Aseho amin'ny alalan'ny solomaso miloko raozy, any andafy ny ankamaroany, ireo mety ho vita sy (indraindray tsy tena marina) amin'ny fampiasana FaVO. Manohy mijery randrana fa mipoitra indray ny endrika hafa amin'ny adihevitra FaVO. Eo isika dia mahita olona marobe mitaraina momba ny FaVO, manoritsoritra azy ho mankaleo sy mahadikidiky. Tsy manana famindram-po sy fahaiza-manao ny teknolojia FaVO ka manomboka mitovitovy amin'ny volavolan'i Mark Fisher, mpitsikera ara-kolontsaina taloha momba ny “dystopia mankaleo.” Ny lafiny matroka amin'ny teknolojia FaVO Tsy ny manao izay mahasosotra no ratsy indrindra vitan'ny FaVO. Mbola misy lafiny matroka kokoa aminy. Na dia talohan'ny nahataitra ny Kongresin'i Etazonia tamin'ny deep fakes nataon'i Taylor Swift aza, dia nisy fomba fampiasana deepfake hanorisorenana olona ara-nofo mitranga ao Torkia. Niteraka resabe ankalamanjana ny tovovavy iray nanaitra ny media ny amin'ny mpanelingelina iray nampiasa deepfake avy amin'ny sarin'ny media sosialiny. Taloha kelin'ny fifidianana ankapobeny tamin'ny taona 2023, nanana sary vetaveta noforonin'ny FaVO nozaraina tao amin'ny Twitter ihany koa i Erkan Baş, mpikambana iray ao amin'ny parlemanta sady mpitarika ny Antoko Mpiasa ao Tiorkia (TİP). Nanomboka teo dia voafafa tanteraka tao amin'ny media sosialy ireo sary ireo. Miharihary, amin'ireo ohatra roa ireo, fa tsy misy afa-doza mihantona amin'ity fomba fanorisorenana ara-pananahana postmaoderina ity na ny olona tsy fantatra na ny olo-malaza . Fomba iray hafa nampiasàna ny teknolojia deepfake tao Torkia ny maka tahaka feo, tahaka ny iray nanandrana nanao feon'ny Filoha Recep Tayyip Erdoğan mba hitaky vola amin'ireo lasibany. Tokony hiharihary kokoa noho ny teo am-piandohan'ity lahatsoratra ity ankehitriny ny fanoharana momba ny moka. Ho an'olona maro, mimonomonona manodidina ny lohany fotsiny ny FaVO, manelingelina sy maharikoriko, mandrahona hitondra aretina tranainy amin'ny fomba mahomby kokoa. Mifanaraka amin'ny fampiasana azy (amin'izao fotoana) ny lahateny misy. Ohatra, tsy misy ny adihevitra marina momba ny fampiasana FaVO hamoronana indray fanavakavaham-panjakana satria tsy mbola ampiasaina, tahaka ny any Holandy, amin'ny serivisim-panjakana any Torkia ny FaVO. Satria mihabe mampiasa ny FaVO, ho tahaka izay koa ny resaka. Fa tokony hotohanan'olona tena mahay ilay teknolojia sy ny ao anatiny — ny tsara, ny osa ary ny ratsy — na izany aza, izao fitomboana sy adihevitra izao. Amin'ny farany, raha mbola manana itomboana ny fampiasana ny teknolojia, ny zava-misin'ny FaVO amin'izao fotoana ao Torkia dia akaiky kokoa amin'ny fanelingelenan'ny moka noho ny fiandrianan'ny liona. Io no fanoharana mety raha jerena ny tsy fahampian'ny fahalalàna manokana eny amin'ny kabary ankalamanjàna ihany koa. Tsy miaina aty ala rahateo ny liona. [END] --- [1] Url: https://mg.globalvoices.org/2024/06/03/170028/ Published and (C) by Global Voices Content appears here under this condition or license: https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/. via Magical.Fish Gopher News Feeds: gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/