(C) Global Voices This story was originally published by Global Voices and is unaltered. . . . . . . . . . . Mihoatra lavitra noho ny maha-zavapisotro fanàla hetaheta fotsiny azy ny dite ho an'ireo Jamaikàna maro [1] ['Emma Lewis'] Date: 2024-06-03 Tsy hoe fotsiny noho ireo mpanjanaka azy fantatra fa nisotro be azy io, fa ny dite dia ampahany manandanja amin'ny kolontsaina jamaikàna. Eny, manàla hetaheta amin'ny andro mafàna izy. Eny, “tsara ho anao io,” fa koa mampifamatotra ireo Jamaikàna amin'ny razamben-dry zareo izy io. Ny “Bush tea,” izay raokandro sotroina noho ny antony ara-pahasalamàna, fa koa ankafizin'ny maro, dia mifàka lalina ao anatin'ny tantara sy ny fombandrazana jamaikàna, isan'izany ny lovany tamin'ny afrikàna. “Bush” midika hoe ambanivohitra, ary ny fisotroana ny “bush tea” dia mijanona ho fenitra any amin'ireo faritra ambanivohitra. Izy io dia fomba ihany koa izay lovain'ny taranaka mandimby, araka ny hita ao anatin'ny tonon'ny hira “Elena”: Elena an her mumma go a grung Elena start cry fe her belly Go home, Elena, go home, Elena Go bwile cerasee fey u belly Nandeha tany amin'ny tanin-dry zareo i Elena sy ny reniny Nanomboka nitomany i Elena satria narary ny kibony Ndeha mody, Elena, ndeha mody, Elena Modia dia mampangotraha “cerasee” ho an'ny kibonao Ny Cerasee (Momordica charantia), antsoina ihany koa hoe voatavo mangidy, dia voaloboka trôpikaly mahazatra ampiasaina be ho toy ny “bush tea” (diten'ambanivohitra). Tena mangidy marina tokoa. Na matetika ampiasaina hitsaboana vavony, sy toy ny aretin-kibon'i Elena kely mahantra, inoana ihany koa izy ho manana tombony amin'ny fampihenana ny fatran-tsiramamy anaty rà ary ny fampidinana tosidrà — samy olana ara-pahasalamàna tena mahazatra ao Jamaika ny diabeta sy ny tosidrà avo . Zavamaniry roa fakàna fàkany izay misy ifandraisany ny sakamalaho sy ny tamotamo, volena any amin'ireo faritra mangatsiatsiaka ao amin'ilay nosy. Raha samy ampiasaina ho fangaron-tsakafo izy roa, matetika koa izy ireo no ampangotrahina atao dite, amin'ny ankapobeny dia tsy ampiasaina amin'ny endrika vovoka, fa kikisana dia ampangotrahina eo ambony fàtana. Ho an'i Susan Goffe, Jamaikàna mpiaro zon'olombelona ary mpankafy, ireo fàka roa fanomezana hanitra sakafo ireo no dite roa tena ankafiziny indrindra. Mamotika tapaka fakàna tamotamo vitsivitsy izy ary arotsany ao anaty kaopin-dite iray hafa hosotroiny: Tiako ny fofony sy ny tsirony ary manana loko mahate-ho-tia. Nefa sotroiko ihany koa izy io noho ireo soa ara-pahasalamàna entiny. Voalaza fa hoe anànany koa ny hery hiadiana amin'ny fanaintainana, fivainganan'ny rà ary fisorohana ny homamiadana. Fangaro malaza amin'ny haify jamaikàna ny sakamalaho, ary azo ahotrika eny amin'ny masoandro mba hamokarana ilay labiera sakamalaho mahery indrindra hatramin'izao. Fantatra amin'ny fahafahany manampy amin'ny fandevonan-kanina izy io, sy fanamaivanana ny aretim-bavony, fa koa zavapisotro mafana iray malaza. Misy ireo “bush teas” hafa misy ifandraisany mivantana amin'ny lova afrikàna ananan'i Jamaika. Ny Bissy (voana kôla), ohatra, dia mitàna anjara toerana lehibe ao anatin'ny ara-panahy sy ny fombandrazana Igbo ao Nizerià. Voasoritra fohifohy ao anatin'ilay tantara malaza “Things Fall Apart”, voasoratr'i Chinua Achebe ny lanonan'ny voana kôlà. Nentin'ireo andevo tamin'ny alàlan'ny voa (masomboly) avy any Afrika Andrefana nandritra ny “Moyen Age” , matetika no sotroina ny dite rehefa misy olona iray “lasa” na nihinana zavatra ratsy. Ahitàna “caffeine” ihany koa ao anatiny, araka izany, heverina ho “atsangano-aho (fanamarihana avy amin'ny mpandika, vakio hoe fanaitairana)” mandaitra izy. Amin'ny fiteny Twi, antsoina hoe bisè ny voana kôla ary amin'ny fiteny Ewe dia bisi, araka ity bitsika ity avy ao Ghana: What do you call kola nut in your local language? Ewe’s call it Bisi pic.twitter.com/LMgF0QT4zp — The Ghanaian Farmer (@EnyonamManye) March 24, 2024 Inona no iantsoanareo ny voana kôla amin'ny fiteninareo ao an-toerana? Bisi no iantsoan'ny Ewe azy io pic.twitter.com/LMgF0QT4zp — The Ghanaian Farmer (@EnyonamManye) 24 Martsa 2024 Ndeha hiverina ao Jamaika, tsaroan'i Goffe hoe: “Nataon'ny renibeko foana izay hahazoany antoka fa misy bissy any amiko fony aho nandeha nianatra tany amin'ny anjerimanontolo” — sao sanatria. Misy ihany koa ireo “fifandraisana dite” amin'ny fombandrazana hindoa. Tamin'ny alàlan'ny WhatsApp, ilay Jamaikàna mpanoratra, poeta ary mpampianatra efa misotro ronono, Velma Pollard, nilaza tamin'ny Global Voices hoe: Nipoitra fa ny ‘Nunnu Baazley,’ izay nankafiziko hatrany amin'ny fahazazàko, rehefa tonga tao Trinidad & Goiàna aho no lasa ilay Tulsi na Bazilika Masina ampaniriana eo ampototry ny hazon'ny saina fivavahan-dry zareo Hindoa. Ny niafaràny, namboleko tanaty tavy tao amin'ny faritra famboleko ahitra fanao hanitra ilay izy ary dia nampifamenoiko tamin'ireo kitapon-dite hafakely kokoa novidiana tany amin'ny Health Food Shop (toeram-pivarotana sakafo ara-pahasalamàna). Tiako ny ‘Tulsi Masala Chai’ sy ny'Tulsi Tumeric Ginger.’ Kanefa ny fahatsiarovan'ny renibeko dia hoe nampanarahana tsakitsaky rehefa alina nahitàna dite mahamay sy mamy natao avy amin'ny Ahitra Fever sy mofo namboarina tao an-trano ihany. Amonoanao tena [ny hànana] izany hanitra izany ! Amin'izao fotoana izao, izy io dia atambatro amin'ny mint ary tsaroako ilay Trinidadiàna namako efa nodimandry izay nampahafantatra ahy io fampifangaroana io. Raha ny marina, ny Nunnu Baazley/Tulsi no nivadika ho ‘Nunum’ ao anatin'ny lahatsoratra ghaneàna iray momba ireo raokandro entina manasitrana. Nomarihany fa nanomboka nitia ny “ahitra voatahy” na ny “chadon beni”izy nony tao Trinidad. Ao Pôrtô Rikô, culantro no iantsoana azy io ary dia manitra toy ny cilantro. Ny nahafantarany ny ahitra voatahy dia fanaovana “dite tsara ho an'ny ankizy tsy salama.” Araka izany, inona no dite tena ankafizin'ireo Jamaikàna? Ny Jamaikàna tsirairay izay hanontanianao dia mety hanome valinteny samihafa, fa ny tena azo eritreretina dia hoe ny peppermint tea no ho lohalaharana. Zavamaniry iray hafa izay volena anaty tavy, hita saika any an-tokantranon'ny Jamaikàna tsirairay sy ireo toeram-piasàna izy io. Ho an'ny Goffe dia y ‘citronnelle’, na ny fever grass araka ny fiantso azay mahazatra ao Jamaika no tena asiany mafy, tsotra fotsiny, noho ny hanitra sy tsirony mafilotra. Mioty ravina iray eo an-jaridainany izy — mora volena izy ity — atsobony ao anaty rano nampangotrahana ary sotroiny tsy asiana siramamy. Mahagaga, izay rehetra karazana zavapisotro mafana dia fomba ny miantso azy ho “dite” ao Jamaika. Ny diten-trondro (Fish tea), ohatra, dia karazana ron-kena sotroina amin'ny kaopy. Raha tsy hitanisa afa-tsy ilay hira vakodrazana malaza ao Jamaika, “Mango Time,”: Mi nuh drink coffee tea, mango time, Care how nice it may be, mango time. At di height of the mango crop; When di fruit dem a ripe an drop, Wash yuh pot, turn dem down mango time. Na mety ho somary misaritaka kely aza, ilay hira — fanandratana ireo kazarana manga samihafa — dia mamaritra, eny fa na dia ny kafe aza, ho “coffee tea!” [END] --- [1] Url: https://mg.globalvoices.org/2024/06/03/169806/ Published and (C) by Global Voices Content appears here under this condition or license: https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/. via Magical.Fish Gopher News Feeds: gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/