(C) Global Voices This story was originally published by Global Voices and is unaltered. . . . . . . . . . . Nisavorovoro i Fiji rehefa nankatoa fampakarana ny karaman'ny tompon'andraikitra ambony ny parlemanta [1] ['Mong Palatino'] Date: 2024-06-03 Niteraka fanoherana mafy avy amin'ireo mpitarika ny mpanohitra sy ireo vondrona fiarahamonim-pirenena ny fankatoavana ny volavolan-dalàna iray tao amin'ny parlemanta izay nampiakatra ny karaman'ireo tompon'andraiki-panjakana ambony ao Fiji. Araka ny volavolan-dalàna nankatoavina tamin'ny 24 Mey, hiakatra avy amin'ny $130,000 (58,300 USD) ho lasa $185,000 (83,000 USD) ny karaman'ny filoha. Hahazo fampiakarana karama avy amin'ny $150,000 (67,300 USD) ho lasa $220,000 (98,700 USD) ny filohan'ny parlemanta. Nekena ihany koa ny fampakarana karama ho an’ireo minisitra mpanampy, minisitra, lehiben’ny mpanohitra ary mpikambana parlemanta. Nohazavain’ireo mpomba ny volavolan-dalàna fa tamin'ny taona 2014 no nisy ny fanitsiana ny karama farany. Nampametra-panontaniana avy hatrany ireo mpitarika ny mpanohitra sasany izay nanamarika ny tsy fisian'ny fanontaniana ny vahoaka sy ny tsy fanarahana ny paika amin'ny fametrahana karama ambony ho an'ny manampahefana ny fankatoavana ilay volavolan-dalàna. Niampanga ny antoko eo amin'ny fitondrana ihany koa i Mahendra Chaudhry, antokon'ny Mpiasa, ho nampanantena poakaty tamin'ny fanentanam-pifidianana hanao laharam-pahamehana ny lalànan'ny karama farany ambany indrindra ho an'ny mpiasa, ary nilaza hoe: This is policy-making at its most self-indulgent without consideration to its detrimental impact on the people of Fiji. While the general population has to endure austerity measures in depressed economic conditions, Ministers are queuing up for pay increases. Izany no fanaovana politika miahy tena indrindra tsy miraharaha ny fiantraikany ratsy amin'ny vahoakan'i Fiji. Raha tsy maintsy miaritra fepetram-pitsitsiana ao anaty toe-karena mijotso ny vahoaka amin'ny ankapobeny, milahatra kosa ny Minisitra amin'ny fampiakarana karama. Nanentana ireo mpanao lalàna i Josateki Labadai Turaga, mpiasam-panjakana teo aloha sady manamboninahitra miaramila teo aloha, mba “hidina ifotony sy hahatakatra ny olana sy ny tolona isan'andro iainan'ny Fijiana tsotra.” Niako tao amin'i Parmod Chand, politisiana teo aloha, nandritra ny antsafa tamin'ny fampitam-baovao izany fihetseham-po izany : We should have looked at the civil servants, then the workers and the minimum wage rate first. We have a lot of professionals and educated people leaving our shores for greener pastures. Tokony hojerentsika aloha ny mpiasam-panjakana, avy eo ny mpiasa sy ny karama farany ambany indrindra. Manana matihanina sy olona nandalim-pahaizana maro isika miala ny morontsiraka mankany amin'ny kijàna maitso kokoa. Mihevitra ny hanao hetsika faobe ny Sendikan'ny Mpampianatra ao Fiji hanoherana ny laharam-pahamehanan'ny parlemanta hampakatra karama ho an'ny manampahefana ambony fa tsy mamaly ny fitakiana fampiakarana karama eo amin'ny sehatry ny asa. Manoritra ny fankatoavana ny volavolan-dalàna ho “mahamenatra” ny Fiarahamientan'ny FTMF-ONG misahana ny zon'olombelona: It is absolutely shameful that only seven parliamentarians voted against the motion while five abstained. We would like to tell the 40 parliamentarians that supported the motion to listen to the voters because as public opinion displayed this week – the majority of Fijians do not agree with you. Where is the same level of urgency for issues impacting our nation such as poverty, violence against women and girls, drug use, high rates of HIV cases, food insecurity, climate change and unfair wages for workers. Tena mahamenatra tokoa ny hoe parlemantera fito ihany no nandatsa-bato nanohitra ary dimy tsy nandrotsa-bato. Te-hilaza amin'ireo parlemantera 40 izay nanohana ny volavolan-kevitra izahay hihaino ny mpifidy satria araka ny nasehon'ny hevi-bahoaka tamin'ity herinandro ity – tsy mitovy hevitra aminareo ny ankamaroan'ny Fijiana. Aiza ilay haavom-pahamehana amin'ireo lohahevitra miantraika amin'ny firenentsika toy ny fahantrana, herisetra atao amin'ny vehivavy sy ankizivavy, ny fampiasana zava-mahadomelina, ny tahan'ny VIH, ny tsy fanjarian-tsakafo, ny fiovan'ny toetr'andro ary ny karama tsy ara-drariny ho an'ny mpiasa. Nanamafy ny Fandaharanasa Fanentanana ara-tsosialy sy ny Fanabeazana (SEEP) fa tokony hifantoka amin'ny olana ara-tsosialy hafa maika ny mpanao lalàna : This raise is shameful and we stress that an independent body should determine MPs’ salaries and NOT themselves. We re-emphasize that urgent national issues like poverty, healthcare, and education need prioritization over politicians’ pay hikes. Mahamenatra izany fisondrotana izany ary tsindrianay fa andry mahaleotena no tokony hamaritra ny karaman'ny solombavambahoaka fa TSY ny tenany. Nohamafisinay indray fa ny olana maika eo amin’ny firenena toa ny fahantrana, ny fitsaboana ary ny fanabeazana no mila laharam-pahamehana noho ny fampiakarana ny karaman’ny mpanao politika. Namoaka matoandahatsoratra ho an'ny The Fiji Times i Fred Wesley nanasongadinany ny filana ny mangarahara. We have a delicate situation. Sceptics will wonder about what is fair compensation against the financial strain this places on taxpayers. Let’s face it. There are economic challenges, and this increase will no doubt be seen as an insensitive one. For what it is worth, what we have now is a situation that raises the importance of transparency and public trust in government decisions. Sarotra ny toe-draharaha. Hanontany tena ireo misalasala momba ny fanonerana ara-drariny manoloana ny fahasahiranana ara-bola ataon'ireo mpandoa hetra. Andao atrehana. Misy ny fanamby ara-toekarena, ary tsy isalasalana fa ho hita ho tsy saropady ity fiakarana ity. Raha ny tokony ho izy dia ao anaty toe-javatra mampimpongatra ny maha zava-dehibe ny mangarahara sy ny fitokisan’ny vahoaka amin’ny fanapahan-kevitry ny governemanta ny zavamisy ankehitriny. Nohamafisin’ny praiminisitra fa hitondra mankany amin’ny fanitsiana ny tetibolam-panjakana ny fankatoavana ny volavolan-dalàna. Nanome toky ny vahoaka izy fa hodinihina lalina ny raharaha, anisan’izany ny fiantraikan’ny fampiakarana karama amin’ny toe-bolam-pirenena (hetra). [END] --- [1] Url: https://mg.globalvoices.org/2024/06/03/170047/ Published and (C) by Global Voices Content appears here under this condition or license: https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/. via Magical.Fish Gopher News Feeds: gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/