(C) Global Voices This story was originally published by Global Voices and is unaltered. . . . . . . . . . . Mitolona ho amin'ny fahatsiarovana ny fandripahana tao amin'ny Kianjan'i Tiananmen 4 Jona 1989 i Hong Kong [1] ['Oiwan Lam'] Date: 2024-06-05 Nosamborina sy nogadraina tamin'ny 28 May 2024 ilay mpisolovava mpiaro ny zon'olombelona ao Hong Kong Chow Hang-tung, 39 taona, sy ireo mpanohana azy miisa dimy, noho ny famoahana lahatsoratra mampisara-bazana tao amin'ny media sosialy izay voalaza fa nitarika fankahalana ny governemantan'i Hong Kong sy ny governemanta Shinoa amin'ny tanibe. Nanamarika ny fampiharana voalohany ny lalàna vaovao filaminana anatiny, nomena anarana hoe Andininy faha-23 ity fisamborana ity. Chow no filoha lefitry ny Hong Kong Alliance in Support of Patriotic Democratic Movements of China (HK Alliance) efa rava ankehitriny, mpikarakara ny fiaretan-tory mandrehitra labozia fanao isan-taona ho fahatsiarovana ny Famoretana tao Tiananmen tamin'ny taona 1989. Natao isan-taona teo anelanelan'ny taona 1990–2019 ny fiaretan-tory. Notazonina nanomboka ny volana Septambra 2021 izy ary voaheloka higadra 22 volana rehefa voaheloka ho nandrisika sy nandray anjara tamin'ny fivoriambe tsy ara-dalàna tamin'ny fiaretan-tory tamin'ny 4 Jona 2020 ary nikarakara fiaretan-tory tamin'ny taona 2021. Niaraka tamin'i Albert Ho sy Lee Cheuk -yan, miandry ny fitsarana azy momba ny fikomiana araka ny Lalànan'ny Filaminam-pirenena (NSL) navoakan'i Beijing i Chow ary mbola hofaritana ny daty. Sazy an-tranomaizina mandra-pahafaty no sazy faratampony amin’izany fiampangana izany. Nanomboka tamin'ny taona 2020, noraràna ny fiaretan-tory mandrehitra labozia fanao isan-taona isaky ny 4 Jona any Hong Kong, noho ny valan'aretina. Tamin'ny taona 2022 sy 2023, nosamborina na nentin'ny polisy ny olona rehefa nankalaza tampoka ny daty teo akaikin'ny Victoria Park. Manamarika ny faha-35 taonan'ny Famoretana tao Tiananmen tamin'ny hetsiky ny mpianatra mpomba ny demokrasia tamin'ny 4 Jona 1989 ity taona ity. Natao tamin'ny 15 Aprily 1989, ary naharitra hatramin'ny 4 Jona ny fihetsiketsehana notarihan'ny mpianatra tao amin'ny Kianjan'i Tiananmen ao Beijing miady amin'ny olan'ny kolikoly miely patrana sy ny fakàn'ny tsy miankina ny fananana iombonana noho ny fanalalahana ny tsena, nofaranan'ny famoretana ara-miaramila nandatsa-drà tao afovoan'i Beijing izy ireo nanomboka teo. Nilaza ny Sekretera misahana ny Fiarovana ao Hong Kong, Chris Tang, fa mampiasa “daty saropady ho avy” ny lahatsoratra ao amin'ny klioban'i Chow Hang-tung ao amin'ny Facebook mba handrisika fankahalana. Rehefa nanontaniana anefa izy raha ny 4 jona ilay daty mafampana, dia tsy nety namaly. Inona no tena fikomiana amin'ireo lahatsoratra navoaka tao amin'ny pejy Facebook klioba Chow Hang-tung? Maro no niresaka ny lahatsoratra nivoaka tamin'ny 1 Aprily 2024, izay nanasa ny olona hizara ny tantarany mifandraika amin'ny 4 Jona mba hahafahany manolotra azy ireo ho porofo mandritra ny fitsarana azy momba ny fikomiana (nosoratana tamin'ny teny Sinoa sy Anglisy ny lahatsoratra): Nosoritan'ny pejy Facebook ilay antso hoe “Ady fahatsiarovana amin'ny fanoratana indray ny fahatsiarovana” #記憶和改寫記憶的抗爭, ary nanomboka nanolotra ny fijoroany ho vavolombelona/fahatsiarovany manokana momba ny fahatsiarovana ny 4 Jona nanomboka ny 30 Aprily 2024 i Chow — manamarika ny fanisàna ny 35- andro ho an'ny faha-35 taonan'ny famoretana ny 4 jona ny daty. Tamin'ny 10 May, nampidirina an-tranomaizina mitokana tany am-ponja izy. Na izany aza, nitohy ny fahatsiarovany ny 4 Jona nosoratany mandra-pisamborana azy enina tamin'ny 28 May. Miampy ny fisamborana roa hafa tamin'ny 29 May sy 3 Jona, miisa valo hatramin'izao fotoana izao ireo voasambotra mifandraika amin'ny pejy facebookn'i Chow, anisan'izany i Medina Chow, renin'i Chow; Lau Ka-yee sy Kwan Chun-pong, mpikambana tao amin'ny komity maharitra teo aloha tao amin'ny HK Alliance; Chan Kim-Kam, mpanolotsainan'ny distrika taloha; ary Lee Ying-chi, mpitsabo nify ary mpikambana ao amin'ny Ligy Demokraty Sosialy. Iray amin'ireo mpikatroka vitsy sahy mampiaka-peo ao Hong Kong i Chow na dia mbola any am-pigadrana aza. Tohanan'ny fahatakarany ny toetry ny fanenjehana ara-politika ny fihetsiny mivantana, araka ny fanazavany tao amin'ny pejy Facebook an'ny kliobany (amin'ny teny Sinoa sy Anglisy): Saingy manaraka matetika ny valifaty. Matetika napetraka tamin'ny toerana mitokana any am-ponja izy. Ohatra, taorian'ny nahazoany ny loka Franco-Alemana ho an'ny Zon'olombelona sy ny Fanjakan'ny Lalàna tamin'ny volana Desambra 2023, naiditra am-ponja tamin'ny toerana mitokana 18 andro izy, araka ny lahatsoratra tao amin'ny klioba Chow Hang-tung. Araka ny Fitsipika kely indrindra ho an'ny Gadra araka ny Firenena Mikambana, ny fanokana-monina am-pigadrana no fomba farany indrindra ampiharina rehefa vita ny famotorana mahaleotena iray. Tamin'ny taona 2011, nilaza i Juan E. Méndez, Mpampakateny manokana momba ny fampijaliana, fa tokony horaràna ny fanokana-monina am-pigadrana mihoatra ny 15 andro satria nanamafy ny fanadihadiana ara-tsiantifika fa misy ny fanimbana ara-tsaina maharitra vokatry ny fitokanana ara-tsosialy anatin'ny andro vitsivitsy. Noraisiny moramora izany fijery izany tamin'ny fanomezana anarana ny tenany ho “Mpanjakavavin'ny Rano sy ny Vary” (水飯女皇) satria rano sy vary ihany no omena ny voafonja ao amin'ny toerana mitokana. Tamin'ity indray mitoraka ity dia niitatra tamin'ny reniny sy ny namany ny valifaty. Ny lalàna vaovao momba ny fiarovana anatiny dia mamela ny fitazonana am-ponja vonjimaika hatramin'ny 16 andro, ary mety hoferana ny fahazoana mpisolovava ho an'ny voarohirohy. Hatramin'ny fito taona an-tranomaizina ny sazin’ny fikomiana, na 10 taona raha niray tsikombakomba tamin’ny “hery ivelany” izy ireo. Maro ireo fikambanana mpiaro ny zon'olombelona, ​​toy ny Hong Kong Watch any Londra sy ny Zon'Olombelona any Shina, no nanakiana ny fisamborana. Sarah Brooks, talen'ny Amnesty International ao Shina, nanoritsoritra ny fisamborana ho “fikasana mahamenatra” amin'ny fanafoanana ny fahatsiarovana am-pilaminana ny famoretana tao Tiananmen ary nanameloka ny governemanta Hong Kong ho manararaotra ny andininy faha-23 mba hampanginana ny tsikera: Despite warnings from UN human rights experts that the law is inconsistent with international human rights laws and standards, the Hong Kong government insists on weaponizing it to silence critique…Chow Hang-tung and others in Hong Kong arrested simply for exercising the right to freedom of expression should be immediately and unconditionally released, and the Hong Kong police must refrain from suppressing other peaceful commemorations of the 1989 tragedy. Remembering the Tiananmen crackdown is not and never shall be a crime. [END] --- [1] Url: https://mg.globalvoices.org/2024/06/05/170054/ Published and (C) by Global Voices Content appears here under this condition or license: https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/. via Magical.Fish Gopher News Feeds: gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/