(C) Global Voices This story was originally published by Global Voices and is unaltered. . . . . . . . . . . Antsafa voalohany nataon'ny filoha Zelenskyy niaraka tamin'ny gazety tao Azia Afovoany, mampitandrina ny amin'ny fisariana zoro amin'i Rosia [1] ['Nurbek Bekmurzaev'] Date: 2024-06-06 Ny 24 May, tao Kharkiv, tanàna any atsinanan'i Okraina, nitafa voalohany tamin'ireo mpanao gazety avy ao Azia Afovoany ny filohan'i Okraina Volodymyr Zelenskyy. Tao amin'ny trano fanontàna printy iray rava no natao ilay antsafa, trano izay niantefàn'ny balafomanga rosiàna ny omalin'io. Fangatahan'ireo mpikatroka sy mpanao gazety avy any Kazakhstàna, Kyrgyzstàna, ary Ozbekistàna ny hampiasàn'i Zelenskyy ny fiteny rosiàna, ary nekeny noho izy ireo tsy avy any Rosia.” Indro ny antsafa nifanaovan'i Zelenskyy tamin'ireo mpanao gazety avy any Azia Afovoany. Raha nanontaniana azy ny antony nanapahany hevitra hitafa tamin'ireo mpanao gazety avy any Azia Afovoany taorian'ny efa ho roa taona nisian'ny ady, dia nomarihan'i Zelenskyy ny maha-zavadehbe ny fitsidihan-dry zareo an'i Okraina sy ahitan-dry zareo maso ny zavatra rehetra, amin'izay “tsy misy hafa ho afaka hisolo ny fitantaràn-dry zareo” momba ilay ady. Nampiany fa ny olona ao Azia Afovoany dia tokony hahita “ny tena fiantraikan'ilay ady, sy izay entin'ny tontolo rosiàna ary izay tena ezahany ho apetraka” ao amin'ny faritra. Nitranga izao tafa izao tao anatin'ny fotoana nampizarazara hevitra ny olona ao Azia Afovoany momba ilay ady ao Okraina. Tamin'ny 2023, 75 isanjaton'ireo nanontaniana tao Kyrgyzstàna ary 67 isanjaton'ireo tao Kazakhstàna no nanaraka akaiky ilay ady ao Okraina, araka ny fakàna ny hevitry ny daholobe nataon'ny Central Asia Barometer. Rosia, Okraina, ary Etazonia/Tandrefana no hita ho ireo telo goavana tomponandraikitra amin'ilay ady. Na miely be aza ireo fitantaràna momba ny maha-meloka an'i Etazonia/Tandrefana ary i Okraina amin'ilay ady, misy marobe ihany koa ireo olona izay manome tsiny an'i Rosia na sahirana mafy mikaroka izay homena tsiny amin'ilay ady. Ho ampahany amin'ny asa ataony eny anivon'ny maro an'isa erantany, manana fahafahana i Okraina hampahafantarana ny fitantaràny any Azia Afovoany. Ny loza amin'ny fisariana zoro amin'i Rosia no tena ampahany betsaka tamin'ilay antsafa satria nomarihan'i Zelenskyy fa ireo firenena ao Azia Afovoany dia tsy afaka ny tena ho tony marina sy hahaleo tena raha mbola mijanona hilahatra miaraka amin'i Kremlin. Nambarany fa ireo tetikasa fampidirana tarihan'i Rosia, toy ilay Fikambanana Fifanaraham-piarovana Iraisana sy ny Fikambanana Ara-toekarena Eurasian, dia ampiasaina ho fitaovana fitaomana ary tsy hanavotra velively ilay faritra raha sanatria misy ny herisetra ara-tafika amin'ny hoavy. Nampian'i Zelenskyy fa, raha hanjohy pôlitika mifanohitra amin'ny tombontsoan'i Rosia ireo fanjakàna ao Azia Afovoany, dia na hiatrika fibodoana amin'ny ampahany ry zareo, na “fananihambohitra midadasika, sy, mazava ho azy, fahafatesana sy ady”. Kazakhstan dia natsofoka anaty lisitra ho iray amin'ireo azo inoana indrindra ho lasibatr'i Rosia noho izy ireo mifampizara sisintany sy noho ny hamaroan'ny isan'ireo avy amin'ny foko rosiàna mipetraka ao Kazakhstan, izay mandrafitra ny 15,1 isanjaton'ny vahoaka. Tsy vokatry ny nofinofin'i Zelenskyy ireny fampitandremana ireny. Hatramin'ny Febroary 2022 nanombohan'ny ady tao Okraina, ny kabary fandresen-dahatr'i Rosia manoloana an'i Azia Afovoany dia lasa miha-feno fankahalàna, mampametra-panontaniana momba ny hetsika, ny fiandrianana ary ny maha-faritany iray tsy mivaky an'ilay faritra. Ireo Rosiàna pôlitisiana sy olo-malazan'ny media rosiàna dia nandrahona ireo fanjakàna ao Azia Afovoany tamina fananiham-bohitra, fakàna faritany, amin'ny fampiasàna fomba fiteny manakaiky ny natao an'i Okraina talohan'ny fananiham-bohitra natao tao aminy. Ny ady ao Okraina dia nanery ireo firenena ao Azia Afovoany handia lalàn-tsarotra ara-diplaomatika amin'ny kinarinarina eo anelanelan'ny fanampiana ny ezak'i Rosia amin'ilay ady sy ny fisorohana ireo sazy avy amin'ny Tandrefana. Na milaza ho naka toerana tsy mitanila aza ry zareo, dia mitodika ho azy mankany amin'ny Rosia ireo fanjakàna ao amin'ny faritra, izay mampiasa an-dry zareo hanafarana ireo entana voasazy mba hanamboarana fitaovam-piadiana sy fitaovana ho an'ny tafika. Ity ny lahatsary YouTube momba ny fomba fanampian'ireo orinasa ao Azia Afovoany an'i Rosia hila amin'ny sazy ataon'ny Tandrefana. Nohazavain'i Zelenskyy io fifanoherana eo amin'ireo fanambaràna sy ny fihetsika “arahan-tahotra an'i Kremlin” io, tamin'ny nanampiany fa tahotra toy io ihany no hanakana ireo mpitarika ao Azia Afovoany tsy hanatrika ilay Fihaonana antampony momba ny Fandriampahalemana ao Okraina hatao ato ho ato, izay hatao ny 15-16 Jona ao Soisa. Ny vahohon'i Rosia amin'ilay faritra dia tsy manome toerana firy ho an'ny fampandrosoana ny fifamatorana ôfisialy eo amin'i Okraina sy Azia Afovoany, saingy tantara hafa ny fifandraisana olona samy olona izay ahitàna ireo olona ao Azia Afovoany maneho firaisankina amin'ny alàlan'ny fanolorana fanampiana ho an'ireo Okrainiana. Nankato ireny fihetsika ireny i Zelenskyy izay mamintina tsara amin'ny hoe “Mino aho fa namanay ny vahoaka any aminareo.” [END] --- [1] Url: https://mg.globalvoices.org/2024/06/06/170061/ Published and (C) by Global Voices Content appears here under this condition or license: https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/. via Magical.Fish Gopher News Feeds: gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/