(C) Global Voices This story was originally published by Global Voices and is unaltered. . . . . . . . . . . Fifidianana Taiwan 2024: tsy vitan'ny DPP antoko eo amin'ny fitondràna ny nihazona ny maro an'isa tao amin'ny antenimiera mpanao lalàna taorian'ny nandreseny tamin'ny fifidianana ny ho filoham-pirenen [1] ['Hong Kong Free Press'] Date: 2024-06-07 (Fanamarihana: lahatsoratra anglisy tamin'ny Janoary 2024) Tatitra nosoratan'i Irene Chan sy Tom Grundy ity ary navoaka voalohany tao amin’ ny HKFP, ny 13 Janoary 2024. Navoaka etsy ambany ho mariky ny fifanarahana fifampizaràna votoaty amin'ny HKFP. Tsy vitan'ny Democratic Progressive Party (DPP) antoko eo amin'ny fitondràna ny nihazona ny maro an'isa tao amin'ny antenimiera mpanao lalàna (Yuan) taorian'ny nandreseny tamin'ny fifidianana ny ho filoham-pirenena. Mety hifanome tànana izao ireo antoko mba hisian’ny fiaraha-mitantana sy mba hifehezana ny antenimiera. Mihotran’ ny 10 tapitrisa ireo teratanin’i Taiwan no nandatsa-bato in-telo tamin’ ny 13 Janoary — ny iray hifidianana ny filoham-pirenena hitondra mandritra ny efatra taona ary ny roa ambiny kosa hamenoana ireo seza 113 ao amin'ny parlemanta. Ny Filoha Lefitra amperinasa tao amin'ny DPP Lai Ching-te teo aloha no nandresy tamin'ny fifidianana ho mpitarika tao anatin’ ny fifaninanana henjana, izay nahazoany isa 5.586.019 — na 40,05 isan-jaton’ny vato manankery. Na tonga amin'ny fetran'ny fotoam-piasainy aza, notohiezan'ny filoha teo aloha Tsai Ing-wen ireo ezaka nataony ho fanamafisana ny fifandraisana diplomatika sy ara-tafika mba hanoherana an’i Beijing, izay mitaky hoe azy ilay nosy demokratika. Resin’i Lai, 64 taona, ny kandidàn’ ny Kuomintang (KMT) Hou Yu-ih, lehibe taloha tao amin'ny pôlisy izay tena nanohana ny fifandraisana ara-barotra sy ny fifanakalozan-kevitra amin’ny Beijing. Ny kandidà Ko Wen-je, avy ao amin’ny Taiwan People’s Party (TPP) – antoko pôlitika vaovao – kosa no nahazo ny laharana fahatelo, tsy nahavita nandresy lahatra mpifidy maro hoe izy no safidy vaovao no sady azo iainana ho amin'ny toeran'ny filoham-pirenena. Lasan’ny DPP ny 51 tamin’ireo seza 113 ao amin'ny Yuan – Antenimiera mpanao lalàna, raha toa ka azon’ny KMT naman’ny Beijing kosa ny 52 — seza 14 amboniny raha oharina amin’ny antenimieran-dalàna ankehitriny — ka izy no lasa antoko lehibe indrindra ao amin'ny antenimiera. Ilay antoko fahatelo vao misondrotra, ny TTP, dia nahazo seza valo, izay nahatonga azy ho vitsy isa marefo ao amin’ny antenimieran-dalàna Yuan. Nanambara i Lai nandritra ny hetsika fanentanana tamin’ny fiandohan’ity taona ity fa ny filoham-pirenena sy ny filoha lefitra no “nitazona ny familiana”, fa ny parlemanta kosa no “milina” manetsika an'i Taiwan. Tokony hiasa mafy ny antoko ahazoany ny maro an’isa ao amin’ny parlemanta mba hananana “milina matanjaka” azo antoka. Fihenan’ny fahefan’ny antokon’ny mpitondra Raha tsy manana ny fifehezana ny antenimieran-dalàna Yuan, dia ho hita eo ny DPP raha hiaraka hiasa amin’ireo antoko hafa — toy ny TPP – mba hifidianana izay filoha manaraka. Mbola mipetraka ihany koa ny fanontaniana raha hanangana fiaraha-mitantana iray ao amin'ny parlemantera ny KMT sy ny TPP hanoherana ny DPP. Vetivety dia rava ny ezak’ireo mpanohitra nanorina vovonana niraisana tamin’ny fifidianana tamin’ny taona lasa. Talohan’ ny fifidianana, nanambara tao anatin’ny antsafa iray ho an’ny mpanao gazetin'ny HKFP i Amanda Hsiao, zokiolona mpandinika an’ i Shina ao amin’ ny International Crisis Group (ICG), fa raha tsy vitan’ny DPP ny mahazo ny maro an'isa ao amin’ny antenimiera mpanao lalàna dia hisy fanarahamaso bebe kokoa ao amin’ ny antoko momba ireo pôlitika saropady toy ny fiarovam-pirenena: “Ankehitriny, samy manao fampielezankevitra momba ny fanavaozana ny fiarovana ireo antoko roa [KMT sy DPP], saingy tsy mbola mazava tsara ny ny ho fandehany rehefa hiasa miaraka ry zareo ary hanangana ny mpanohitra ny DPP,” hoy Hsiao. Nilaza i Timothy Rich, mpampianatra siansa politika ao amin'ny Western Kentucky University, tao amin’ ny HKFP, tamin'ny Sabotsy, fa mety hampiasa ireo fifampadinihana ho amin'ny tombontsoany i Beijing: “I Shina dia mety … hampitombo ny fifampiresahany amin’ireo ankolafy ireo ho toy ny karazana fisarahana. Manahy aho fa mety hanasarotra kokoa ny fandaniana ho an'ny fiarovana sy ny politika io fisarantsarahana io, fa koa mety hanery ny fitondram-panjakana hifantoka bebe kokoa amin’ireo olana isan-tokantrano izay mety hanome toerana kokoa ho an'ny marimaritra.” Nanambara i Yu-Jie Chen, mpampianatra mpikaroka mpanampy ao amin’ ny Akademia Sinica, fa lasa mpilalao matanjaka ny TPP ankehitriny: “Samy heverin’ny KMT sy ny DPP ho mpiara-miombon’antoka azo antenaina ny TPP, ilaina indrindra hiantohana ny fanànana ny maro an’isa ao amin'ny antenimiera mpanao lalàna. Noantitranterin’ i Lai tao anatin'ny kabariny ny ‘firaisankina’, manamarika ny fisokafan’ ny fifanakalozan-kevitra bebe kokoa amin’ireo antoko politika hafa sy ny fandraisana talenta avy amina sehatra pôlitika isankarazany mba ho tombontsoan’i Taiwan. Na misongadina aza ny faniriana tsara avy amin’i Lai, dia miteraka zava-tsarotra ireo firehan-kevitra mifanohitra misy eo amin’ ny KMT sy DPP izay efa naharitra hatramin’ny nisian’ ny demokrasia tao Taiwan.” Nahazo seza 64 tao amin’ ny antenimiera mpanao lalàna ny DPP anatinizao fe-potoana iasan’ny filoha Tsai Ing-wen ankehitriny izao ary seza 68 nandritra ny fe-potoana 2016-2020 — izay samy maro an’ isa. Ny fomba fifantenana ireo mpikambana ao amin'ny antenimiera mpanao lalàna Araka ny lalàna mifehy ny fifidianana, ao anatin’ ny mpikambana 113 ao amin’ ny antenimiera mpanao lalàna, dia 73 amin’ ireo mpanao lalàna no avy any amin'ny distrika, izay voafidy amin'izy mahazo vato be indrindra any amin'ireo fari-pîfidianana, miainga amin'ny faritra jeôgrafika. Nahazo seza 36 ny DPP nandritra ny fifidianana “avy any amin’ ny distrika”, raha toa ka nahazo seza 36 ny KMT. Kandida tsy miakina no nahazo ny seza roa hafa. Tao anatin’ izany fifidianana miainga avy any amin’ ny distrika izany anefa dia tsy nahazo seza na iray aza ny antoko fahatelo, ny TPP. Notsinjaraina mifanaraka tsara ho an’ ireo antoko samihafa ny seza 34 ambiny nandritra ny latsabato faharoa antsoina hoe fifidianana lisitry ny antoko. Takian'ny lalàm-pifidianana ny hoe farafahakeliny ny antsasakin’ny solombavam-bahoaka isaky ny antoko voafidy mandritra io fifidianana io dia vehivavy. Nahazo seza 13 ny DPP nandritra ny fifidianana lisitry ny antoko, raha nahazo seza 13 kosa ny KMT. Ny TPP kosa dia nahazo seza valo. Ireo vazimba teratany kosa no mifidy ny seza enina ambiny, izay mahatratra 2,5 isanjaton’ ny mponina ao amin’ny nosy araka ny tarehimarika ôfisialy. [END] --- [1] Url: https://mg.globalvoices.org/2024/06/07/167841/ Published and (C) by Global Voices Content appears here under this condition or license: https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/. via Magical.Fish Gopher News Feeds: gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/