(C) Global Voices This story was originally published by Global Voices and is unaltered. . . . . . . . . . . Voafonon'ny fametrahana polisin'i Hong Kong maro dia maro ny fahatsiarovana ny famoretana tao Tiananmen [1] ['Hong Kong Free Press'] Date: 2024-06-08 Tatitra nosoratan'i Tom Grundy, Mercedes Hutton, Kelly Ho, Irene Chan, Hans Tse ary James Lee ary navoaka voalohany tao amin'ny Hong Kong Free Press (HKFP) tamin'ny 20 Mey 2024. Misy dika nasiam-panitsiana navoaka eto ambany ho ampahany amin'ny fifanarahana fiaraha-miasa votoaty amin'ny HKFP. Nahitana polisy marobe i Hong Kong tamin'ny faha-35 taonan'ny famoretana an'i Tiananmen tamin'ny Talata 4 Jona 2024, ka olona maromaro manodidina ny Causeway Bay no voatazona. Nisy manamboninahitra napetraka nanerana ireo distrika fivarotana akaikin'ny Victoria Park, izay nampiantrano fiaretan-tory natrehin'ny olona an'aliny. Nisy fiara mifono vy iray ihany koa hita teo akaikin'ny tsenambarotra SOGO, ho toy ny hetsika hanakanana ny hetsika fahatsiarovana. Tazana ihany koa ny fahamaroan'ny polisy teo amin'ny Lalana Great George, nanome baiko hiala hatrany ireo manamboninahitra manaisotra ny mpandalo rehefa mihatonga tamin'ny filentehan'ny masoandro ny mpanao gazety sy mpaka sary. Ny marainan'ny talata, tsy niresaka mivantana ny Lehiben'ny mpanatanteraka John Lee raha misy fomba ara-dalàna hahatsiarovana ny famoretana tamin'ny 4 Jona 1989, izay an-jatony, angamba an'arivony, no maty notifirin'ny Tafi-Panafaham-Bahoaka nanaparitaka tamin-kerisetra ireo mpanao fihetsiketsehana tao Beijing, rehefa nisy hetsika am-bolana maro notarihan'ny mpianatra. Ny tolakandron’ny talata teo, nisy zokiolona iray nampiseho afisy nosoratan-tanana mahakasika ny demokrasia sy ny famoretana. Ny sora-baventy iray, mitondra ny lohateny hoe “Morontsiraka roa, Zaratany Telo,” ahitana ny lisitr'ireo hetsika ara-tsosialy nanomboka tamin'ny taona 1919, tamin'ny hetsika fahaefatra May ka hatramin'ny famoretana an'i Tiananmen tamin'ny taona 1989, ny Hetsika Elo sy ny Hetsika Tanamasoandro ao Taiwan tamin'ny taona 2014, ary ny hetsi-panoherana tao Hong Kong tamin'ny taona 2019, araka ny aseho amin'ity lahatsary manaraka ity amin'ny alalan'ny @hkposter777 avy amin'ny X, Twitter taloha: Nentin'ny polisy izy, araka ny voalazan'ny The Collective, saingy navotsotra avy eo. Notaterin'ny ReNews ihany koa tamin'ny talata fa voahodidin'ny polisy i Alexandra Wong, ilay zokiolona mpikatroka ho amin'ny demôkrasia ary nentina tany amin'ny fiaran'ny polisy rehefa avy niantsoantso hoe “Tsy hohadinoin'ny olona”, akaikin'ny gara MTR Causeway Bay tokony ho tamin'ny 3 ora tolakandro. Nanatri-maso fisamborana olona maromaro ny mpanao gazety ao amin'ny HKFP: lehilahy iray nitafy mainty teo akaikin'ny Victoria Park sy vehivavy iray nanao solomaso aro masoandro teo akaikin'ny toeram-pivarotana SOGO tokony ho tamin'ny 5:40 hariva. Tao anatin'ny Victoria Park, nahita tovolahy iray noraofina ny HKFP: 2/ Security guards surrounded the young man, covering him with five or six umbrellas. The man was heard calling for help, telling HKFP: “They said I had a book about Xi Jinping's governance of China. They said it was against the rules.” Video: Irene Chan/HKFP. pic.twitter.com/l6vHCj2b5p — Hong Kong Free Press HKFP (@hkfp) June 4, 2024 [END] --- [1] Url: https://mg.globalvoices.org/2024/06/08/170094/ Published and (C) by Global Voices Content appears here under this condition or license: https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/. via Magical.Fish Gopher News Feeds: gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/