(C) Global Voices This story was originally published by Global Voices and is unaltered. . . . . . . . . . . Miha-mitombo ireo fanamby atrehan'ny vondrom-piarahamonin'ireo “transgenre” (nanova fananahana), talohan'ny fifidianana tao Pakistàna [1] [] Date: 2024-06-10 (Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Oktôbra 2023) Raha teo am-piomanana ny hiatrika ireo fifidianana solombavambahoaka natao ny Janoary 2024 ny tao Pakistàna, marobe ireo olona “trans” (nanova fananahana) tany no niatrika krizy vaovao indray momba ny maripamantarana. Ny May 2023, ny Federal Shariat Court (FSC) dia nanafoana andininy telo tamin'ilay Lalàna 2018 momba ny (Fiarovana ny Zon’) ireo Olona Transgenre ary nanatsahatra ny fampiharana ireo Fepetra 2020 momba ny [Fiarovana ny Zon'ireo) Olona Transgenre, araka ny fampahafantarana iray navoakan'ny National Database and Registration Authority (NADRA). Raràn'ny fitsaràna ireo olona “trans” tsy hanova ny maripamantarana azony teo am-pahaterahana, tamin'ny fanitrikitrihana fa ny fandovàna dia tokony hifanaraka amin'ny maripamantarana biôlôjikan'ny olona iray, ary raràna ny olona tsy hamaritra ny tenany ho toy ny khawaja sira (hijra) raha toa izy ka miàla amin'ny maripamantarana azony teo am-pahaterahany. Ara-tantara ny Hijras dia maripamantarana fanintelony nekena tany amin'ireo firenena marobe ao Azia Atsimo ary lasa vondrona demôgrafika ara-kolontsaina iray manana ny lanjany efa hatramin'ny taonjato maro. Io didim-pitsaràna io dia manakana ihany koa ireo olona “trans” tsy ho faritàna mazava tsara any anatin'ireo antontan-taratasim-panjakàna, satria tany aloha ry zareo dia afaka nisoratra tao anatin'ny sokajy X raha ny lahy voasolo tamin'ny M ary ny vavy voasolon'ny F. Midika izany fa maro amin-dry zareo no mety tsy hahazo karapanondrom-pirenena ary araka izany dia tsy ho afaka hifidy amin'ireo fifidianana ho avy. Araka ny lazain'ny FSC, tsy mifanaraka amin'ny fandikàn-dry zareo ny fotokevitra islamika ireny fanafoanana andininy ireny. Taorian'ireo hetsipanoherana nataon'ny fiarahamonina sivily, ireo mpikatroka mpiaro zon'olombelona, ONG sy “trans” mpikatroka, ary fitoriana iray nanohitra ilay didim-pitsaràna tamin'ny Jolay 2023, ny National Database and Registration Authority (NADRA) dia nanohy nandray ny anaran'ireo olona “trans” hanao karapanondrom-pirenena tamin'ny 25 Septambra 2023. Tsy misy olona afaka hifidy raha tsy mitondra ny karatra biômetrikany, izay ilaina ihany koa amin'ireo tolotra hafa, ohatra raha hividy karatra SIM, hanokatra kaonty any amin'ny banky, hanoratra fiara, sy ny sisa. Kanefa, asehon'ilay fitsapànkevitra hoe mbola tsy vita ny tolona hisian'ny fitoniana ara-tsôsialy sy ny zon'olombelona ho an'ireo olona nanova taova ao Pakistàna. Tamin'ny 2017 ny vondrom-piarahamonina “trans” no tafiditra voalohany tao anatin'ny fanisàmbahoaka, ka olona 10.418 no voaisa tao anatin'ireo vahoaka efa ho 207 tapitrisa, izay notsikerain'ny maro ho niniana nodisoina natao ho ambany. Ho an'ilay vondrona mpanao adisisika Trans Action Pakistan, raha kely indrindra dia misy eo amin'ny 500.000 eo ireo olona “trans” ao amin'ny firenena. Tamin'ny 2018 no nankatoavin'ny antenimieram-pirenena tao Pakistàna ilay lalàna manantantara momba ny (Fiarovana ny Zon'ireo) olona “trans” (nanova fananahana). Natomboky ny governemanta ny fandraketana ireo olona “trans” ho sokajy X tao anatin'ny rejisitra nasiônaly, araka ilay Lalàna 2018. Kanefa, tamin'ny 2022, nisedra fanoherana avy amin'ireo manampahaizana islamika sy ireo antoko pôlitika avy amin'ny elatra havanana ilay lalàna. Tamin'ny Septambra 2022, nomen'ny fitsaràna federaly alàlana ny fanangonan-tsonia iray nanohitra ilay lalàna, tamin'ny filazàna hoe mifanohitra amin'ireo fotokevitra islamika ilay izy. Vokatr'izay, tamin'ny May 2023, nofoanan'ny fitsaràna ny fankatoavana ilay lalàna ary nambarany fa andalana telo tao anatiny no manitsakitsaka ny lalàna Sharia. Tao anaty antsafa an-telefaona nifanaovany tamin'ny Global Voices, Nayyab Ali, talen'ny Transgender Rights Consultants ao Pakistàna, dia nilaza fa ry zareo koa dia nametraka fampakarana didy tany amin'ny Fitsarana Antampony ao Pakistàna manohitra ilay didim-pitsaràna sy mba hisian'ny fakankevitra tsy ho ela momba ilay olana. “Amin'izao fotoana izao, ny tena mampanahy be dia ny hisy sa tsy hisy ny tena maripamantarana anay ao anatin'ny karapanondronay. Raha eny, ahoana no fomba ahafahanay misitraka ny zo fototra izay nitolomanay fatratra?” hoy i Sheema Kermani avy amin'ny vondrona avy amin'ny elatra havanana Tehreek-e-Niswaan. Noho ny fahataràna teo anivon'ny National Database and Registration Authority (NADRA) izay nomena andraikitra hanao ny fanitsiana, mihoatra ny 90 isanjato amin'ireo olona nohadihadian'ny ONG misy azy no mbola manana ny anarany teo am-pahaterahana misoratra ao anatin'ny karapanondrom-pireneny. Raha tsy mifanitsy amin'ny maripamantarana azy ny antontan-taratasin-dry zareo, mety ho voatosi-bohon-tànana any amin'ireo biraom-pifidianana marobe ireo olona nanova fananahana. Efa hatry ny ela ireo olona nanaova fananahana ao Pakistàna no niaina fanilikilihana ara-tsôsialy henjana sy fanenjehana. Matetika izy ireo no iharam-panafihana, filam-baniny ary fanilihana ara-tsôsialy. Na teo aza ireo fepetra miabo avy amin'ny governemanta mba hankatoavana ny zon'ireo olona nanova fananahana, toy ny zo hahazo fanabeazana maimaimpoana ao Lahore ary ny fampiatiana azy ireo ao anatin'ny fandaharanasa nasiônaly momba ny karatra ara-pahasalamàna, dia mbola tolona iray ny fampiharana azy. Mbola misy hatrany ny fanavakavahana sy ny fandisoana vaovao. Satria ny karatr'izy ireo tsy mifanaraka amin'ny fahitàna azy hoe lahy na vavy, tsy nisy olona nanova fananahana navela hifidy tamin'ilay fifidianana solombavambahoaka tamin'ny 2018 tao amin'ny faritanin'i Khyber Pakhtunkhwa ao Pakistàna — toerana nisian'ny fanafihana marobe nanjo ireo olona nanova fananahana tamin'ny 2016. Na ireo olona 13 nanova fananahana nirotsaka ho kandidà aza dia nanohitra io fanavakavahana io nandritra ny fifidianana solombavambahoaka tamin'ny 2018, marobe tamin'ireo mpifidy sy mpanohana an-dry zareo no nosakanana tsy navela hamonjy ireo birao fandandatsaham-bato. “Ny fandàvan'ny Voamieran'ny Fifidianana tsy hankato ny maha-izahay anay die efa fanitsakitsahana mibaribary ny zo maha-olompirenena anay,” hoy ny mpikatroka mafàna fo sady tompondakan'ny fiarovana ny zon'ny olona nanova fananahana, Alisha, niresaka an-telefaona tamin'ny Global Voices. Ankoatry ny olana momba ny maripamantarana, mbola manjaka ny fanorisorenana ara-batana sy am-bava, indrindra any amin'ny faritra ambanivohitra mpitàna fombandrazana ao Pakistàna. Araka ny fitsapankevitra tamin'olona 400 tao amin'ny faritanin'i Khyber Pakhtunkhwa tamin'ny taona lasa nataon'ny Blue Veins, fikambanana iray mpanao adisisika, dia mihoatra ny 90 isanjaton'ireo tsy mifanaraka amin'ny hoe lahy na vavy no mijaly tsy miato eo amin'ny fiainany andavanandro, manomboka amin'ny fikarohan asa ka hatramin'ny fidirana amin'ireo kianja sy fahazoana ireo tolotra ho an'ny daholobe. Fanampin'izany, teren'ny tsy fahampiana ara-toekarena miely patrana ny ankamaroan'ireo olona nanova fananahana mba hiankin-doha amin'ny fangatahana na fivarotantena mba hivelomana nandritra ny fotoanan'ny korontana ara-pôlitika. Tsy noraharahain'ireo mpanao pôlitika ihany koa nandritra ny taona maro nifandimby io vondrom-piarahamonina natao an-jorom-bàla io. Na teo aza ireo fanomezan-toky niverimberina, na dia ireo antoko liberaly lehibe aza dia lavon'ireo tsindry goavana sy ny tosika hanomezana sezan'ny vitsy an'isa ho an-dry zareo. Nandritra ny fepotoana niasan'ny praiminisitra Imran Khan (2018–2022), tamin'ny 2020 dia nisy vaomiera nahitàna mpikambana dimy najoro hiaro ny zon'ireo olona nanova fananahana. Kanefa, tsy nanànany ny tena fahefàna ary very ny heriny rehefa niongana izy taorian'ilay latsabato fitsipaham-pitokisana tamin'ny Aprily 2022 noho ireo fiampangàna azy ho tsy nahay nitantana ny toekarena. Ny fanapahankevitry ny National Database and Registration Authority (NADRA) sy ny Vaomieram-Pifidianana ao Pakistàna hampiato ny fanoratana ny maripamantarana an'ireo nanova fananahana dia fihetsika iray mibaribary, izay tsy hoe fotsiny manitsakitsaka ny zo fototra ananan'ireo olona nanova fananahana, fa koa mandrehitra ireo fitsaratsaram-poana ara-kolontsaina. Ireny fihetsika ireny dia manome vàhana ihany koa ny fomba fijery an'ireo olona nanova fananahana (trans) ho toy ny olona tsy mendrika haja sy fahamendrehana, amin'ny fandàvana tsy hankato ny maripamantarana an-dry zareo. Misy fiantraikany goavana io fomba fijery manavakavaka io, mampaharefo ny fiheverantenan'ilay vondrom-piarahamonina sy manasarotra ny fandraisana anjara feno avy amin-dry zareo ao anatin'ny fiainam-bahoaka. Rabiya Javeri Agha, filohan'ny National Commission for Human Rights (NCHR) ao Pakistàna, namoaka tao amin'ny X ( Twitter fahiny): Provision of a number of rights is linked to having a valid cnic. Without cnics the trans community had no access to numerous rights as citizens of this country. Kudos to @NadraPak for prompt revision of their earlier decision. @reema_omer https://t.co/Xm1qLp90R5 — Rabiya Javeri Agha (@RabiyaJaveri) September 25, 2023 [END] --- [1] Url: https://mg.globalvoices.org/2024/06/10/166256/ Published and (C) by Global Voices Content appears here under this condition or license: https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/. via Magical.Fish Gopher News Feeds: gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/