(C) Global Voices This story was originally published by Global Voices and is unaltered. . . . . . . . . . . Vondrona Filipiana mihaika ny fandraràm-panjonoana ‘mandeha ila’ sy ‘tsy misy fotony’ napetrak'i Shina ao Ranomasin'i Shina Atsimo [1] ['Mong Palatino'] Date: 2024-06-11 Nitarika vondrona maromaro ny mpanjono Filipiana nanao iraka fandrantoana nizotra nankany amin'ny Ranomasin'i Shina Atsimo (fantatra any an-toerana amin'ny hoe Ranomasin'i Filipina Andrefana) tamin'ny 30 sy 31 Mey ho fanoherana ny fandraràna jono maharitra efa-bolana ao Shina. Nanankery ny voalohany mey ny fampitsaharana fanjonoana isan-taona rehefa namoaka fampitandremana i Shina fa hotazoniny ireo “mpanitsakitsaka” sy sambo hafa miditra ao amin'ny fari-dranomasiny. Araka ny filazan'ny fampahalalam-baovaom-panjakana Shinoa, “ho fampiroboroboana ny jono an-dranomasina lovainjafy sy ny fanatsarana ny tontolo iainana an-dranomasina” no mahatonga ny fandraràna jono mandritra ny 3,5 volana isan-taona. Amin'io vanim-potoana io, sakanan'ny mpiambina ny morontsiraka Shinoa ny sambo rehetra avy any amin'ny firenena rehetra mba hihaza trondro any amin'ny Ranomasina Bohai, ny Ranomasina Mavo, ny Ranomasin'i Shina Atsinanana ary ny Ranomasin'i Shina Atsimo (SCS). Na izany aza, mihevitra ny mpandinika sasany fa mampiasa ny politikan'ny tontolo iainana i Shina ho fanitarana ny heriny any amin'ny ranomasina Atsinanana sy Atsimo ifandroritan'ny firenen-tsamihafa. Notsipahan‘ny governemanta Filipiana ny fandraràna “mandeha ila” satria tafiditra anaty didy ny fari-drano ao anatin'ny faritra ara-toekarena manokan'ny firenena. Takìn'i Shina ny ampahany betsaka amin'ny Ranomasin'i Shina Atsimo ary mifanindry amin'ny sisin-dranomasin'ireo firenena mpifanolo-bodirindrina ao amin'ny faritra, anisan'izany i Filipina, izany toe-javatra izany. Nikarakara ny diabem-panjonoana iombonana ny Pamalakaya, fikambanan'ny mpanjono manana mpikambana manerana ny firenena, ho fandrisihana an'i Shina “hanaja ny toeram-panjonoana nentim-paharazan'ireo mpanjono.” Nampangain‘ny vondrona i Shina ho “piraty lehibe indrindra amin'ny ranomasinay” ihany koa ilay vondrona. Nanampy i Ronnel Arambulo, mpitarika ny Pamalakaya, tao amin'ny ranty Facebook nozarain'ny tambajotram-baovao Altermidya fa “tsy misy fomba tsara kokoa hanamafisana ny zon'ny jono ao amin'ny faritra ara-toekarena manokana misy antsika noho ny fanaovana hetsika ara-toekarena iombonana.” Notontosaina tao amin'ny barangay (vohitra) amorontsiraka ao Masinloc, faritanin'i Zambales, any amin'ny ilany andrefan'i Central Luzon, nosy lehibe indrindra ao amin'ny firenena ny iraka fandefasana sambo. Tonga hatrany amin'ny 37 kilaometatra teo ho eo (20 maily an-drano) miala ny morontsiraka ry zareo no voatery niverina noho ny onja mahery. Na izany aza, nambara fa nahomby ilay iraka satria afaka nanamafy ny zony hanjono any amin'ny Ranomasina Filipina Andrefana ireo mpanjono madinika. Tsy nisy fanohanan’ny fitondram-panjakana ny hetsika fa nifandrindrana tamin’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny kaominina sy ny faritany. Nilaza tamin'ny fampahalalam-baovao i Jojo Ecijan avy ao amin'ny Samahang Panatag, mpanjono ao an-toerana, hoe: “Raha mijanona tsy manjono izahay eto, inona no hanjo amin'ny fianakavianay?” “Fanehoam-panoheran'ny mpanjono ilay fandraràna ataon'i Shina tsy manana fotony amin'ny jono amin'ny fari-dranomasintsika izao,” hoy i Joey Marabe, mpitarika ny mpanjono ao Zambales. Nilaza tamin'ireo tanora mpikatroka amin'ny fahasahiranana mianjady amin'ireo mpanjono madinika eo amin'ny fiarahamonina i Tatay Gerry, mpanjono 54 taona. Nalefa tao amin'ny Twitter ny antsafa: Mula noong nandyan naman ang China, hindi kami makakapalaot nang malayo, puro sa gilid lang kami nakaka-pamalaot dahil sa takot na hulihin ng mga Chinese o kung ano mang gagawin sa amin. Rehefa tonga i Shina dia tsy afa-nandeha tany amin'ny ranomasina lavitra intsony izahay, noterena izahay hiantsambo manamorona ny morontsiraka noho ny tahotra ny fisamborana na izay hataon'i Shina aminay. Niantso ny “hanesorana ny miaramila” ao Filipina Andrefana i Pamalakaya satria nitaky ny fandroahana ireo sambon'ny mpiambina morontsiraka Shinoa sy ny fampitsaharana ny sarinady ara-tafika an'i Filipina-Etazonia. Nasongadiny fa voasakana tsy hivoaka an-dranomasina ny mpanjono isaky ny manao fanazaran-tena ara-miaramila sy an-dranomasina akaikin'ny Ranomasina Filipina Andrefana ny miaramila amerikana sy Filipiana. Our fishing expedition attests that we can assert our territorial waters without relying on any foreign superpower, more so to provocative militaristic solutions. Ny iraka fandratoanay no manaporofo fa afaka manamafy ny fari-dranomasina misy antsika izahay nefa tsy miantehitra amin'ny firenena matanjaka hafa, indrindra amin'ny vahaolana fihantsiana ara-miaramila. Atin ang Pinas! US-CHINA Layas! Demilitarize West Philippine Sea! Kabataan, makibaka para sa pambansang soberanya! Ipaglaban ang kabuhayan ng mangingisdang Pilipino!#AtinAngPinas pic.twitter.com/Sgupqak9Fr — League of Filipino Students (@LFSPhilippines) May 30, 2024 Anay i Filipina! Etazonia-Shina miala! Esory ny miaramila amin'ny ranomasina Filipina Andrefana! Ry Tanora, mitoloma ho amin’ny fiandrianam-pirenena! Arovy ny fiveloman'ny mpanjono Filipiana! #PhilippinesIsOurs Tohanan'ny tanora volantera monina ao Manila sy ireo mpanao lalàna mpikatroka ny iraka miantsambo. Nomelohin'ny mpiray lisitra antoko iray ao Gabriela, izay misolo tena ny sehatry ny vehivavy ao amin'ny Antenimieram-pirenena ny “tetika fampijaliana sy fitakiana tsy ara-dalàna” ataon'i Shina ary niantso ny governemanta Filipiana ihany koa izy noho ny tsy fahombiazany niaro ny mpanjono ao an-toerana amin'ny “fanenjehana tsy an-kijanona ataon'ny tafika an-dranomasina Shinoa”. Ny fijoroana vavolombelona nataon'ireo mpanjono teo an-toerana sy ny iraka miantsambo mihitsy no tsy manaiky ny fanehoan-kevitra tao amin'ny Xinhua fa “fihantsiana” ary “entin'ny faniriana tsy am-pisainana” ny fihetsika minia tsy miraharaha ny baikon'i Shina. Nandritra izany fotoana izany, niaro ny toromarika mba hitazonana ireo “mpanitsakitsaka” i Mao Ning mpitondratenin'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahinin'i Shina. The regulations are rolled out by China Coast Guard to standardize the administrative law-enforcement procedures of Coast Guard agencies and better uphold order at sea. It is consistent with universal practices. Individuals and entities have no need for concern as long as they have not done anything illicit. [END] --- [1] Url: https://mg.globalvoices.org/2024/06/11/170131/ Published and (C) by Global Voices Content appears here under this condition or license: https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/. via Magical.Fish Gopher News Feeds: gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/