(C) Global Voices This story was originally published by Global Voices and is unaltered. . . . . . . . . . . Ampahadimin'ireo tanora Nepaley ao Hong Kong no averina any Nepal, tsy araka nay sitrapony [1] ['Hong Kong Free Press'] Date: 2024-06-12 Hans Tse no nanoratra ity tatitra ity, ary navoaka voalohany tao amin'ny Hong Kong Free Press (HKFP) tamin'ny 20 May 2024. Dika iray nasiam-panovàna no avoaka eto ambany ho ampahany amin'ny fifanarahana iray hifampizara votoaty amin'ny HKFP. Manodidina ny iray amin'ireo tanora nepaley dimy ao Hong Kong no naverin'ny ray aman-dreniny ho any Nepal, ny maro amin-dry zareo ireny dia voatery na tsy sitrany aza, hoy ny ONG iray tamin'ny nanasongadinany taham-pialàna an-tsekoly mampiahiahy hita eny anivon'ny vondrom-piarahamonin'ireo foko vitsy an'isa. Teo anelanelan'ny Aprily sy May, nanao fanadihadiana teny anivon'ireo tanora nepaley niisa 268 ny Hong Kong Unison, ONG iray mifantoka amin'ny resaka fitovian-jo sy ny fampiatiana ireo foko vitsy an'isa ao an-tanàna, ka nahita fa manodidina ny 50 no noteren'ny ray aman-dreniny hody sy handany ny androny any Nepal, hoy ny nolazain'ny tale mpanatanteraka, John Tse tamin'ny Alakamisy. 22 taona no salan-taonan'ireo nanontaniana. “Mampiahiahy ny fidadasik'ilay olana, olona iray amin'ny dimy ilay resahantsika, izay tsy ampahany kely amin'ireo olona,” hoy i Tse tamin'ny HKFP. Nambaran'i Tse fa ny 40 isanjaton'ireo namaly fanontaniana no nilaza olana ara-pianakaviana sy ara-bola ho toy ny antony fototra namerenana azy hody any Nepal, satria tsy vitan'ireo ray aman-drenin-dry zareo intsony ny mandoa ny sara-pampianarana ny zanany ao Hong Kong. Fa amin'ireo vehivavy nepaley tanora ao an-tanàna, ny sasany naverina nody satria tsy ankasitrahan'ireo ray aman-drenin-dry zareo ny fiainam-pitiavan'izy ireny, hoy i Tse. Amin'ny tranga faratampony sasany — 15 isanjato eo ho eo — terena hody handeha hanorina tokantrano any Nepal ireo tovovavy nepaley sasany, hoy izy nanampy. Tranga iray no notondroin'i Tse, izay nandefasan'ireo ray aman-dreniny ny tovovavy iray hody tany Nepal rehefa nanomboka nampiaraka izy teo amin'ny faha-18 taonany. Tsy afaka niverina tao an-tanàna izay tovovavy izay, hoy i Tse, raha tsy efa an-taona maro taty aoriana nisian'ny fifampiresahana tamin'ireo ray aman-dreniny ary efa feno 24 taona, mpianatra eny amin'ny anjerimanontolo rehefa nihaona taminy i Tse. “Nahatsiaro tena nalahelo izay tamin'ilay fampodiana azy. Very taona vitsivitsy tamin'ny fianarany izy,” hoy i Tse. Limbu Eliza, vehivavy nepaley 26 taona, teraka tao Hong Kong, nilaza fa ny sasany amin'ireo ray aman-dreny nepaley mbola manana “fisainana ntaolo” no mametraka fepetra rehefa manomboka miditra amina fifandraisan'olon-droa ny zanaka vavin-dry zareo mandritra ny fianarany. Mora iantefàn'ny fosafosa ireo tanora mpisipa raha vao misy mahita, satria ny vahoaka nepaley dia miara-monina akaiky, hoy izy. Mety hampitombo ny fahasorenan'ireo ray aman-dreny nepaley izany ary mitarika azy ireo hampody ny zanany vavy, hoy izy nanampy. Ho an'ireo tovolahy nepaley, nasongadin'i Tse ho antony goavana amin'ny fampodiana azy ireny ho any Nepal ny fampiasàna zava-mahadomelina. Tamin'ireo nadinina, 12,6 isanjato no niaiky fa nidoroka zava-mahadomelina, hoy izy, ary 70 isanjato no nihevitra ny fandraisana zava-mahadomelina ho olana goavana eny anivon'ireo Nepaley ao an-tanàna. 17 taona no salan-taonan'ny fandraisana voalohany zava-mahadomelina, ka ny zandriny indrindra dia voalaza fa vao 12 taona monja, hoy izy nanampy. Nolazain'i Tse fa ho an'ireo Nepaley mpianatra ao Hong-Kong dia 7,1 isanjato ny tahan'ny fialàna an-daharana any an-tsekoly, mitaha amin'ny 0,4 isanjato ho an'ny fitambaramben'ireo mpianatra ao an-tanàna, mamaritra ilay tsy fitoviana ho “mampanahy”. Nilaza koa anefa izy fa, na tsy faly tamin'ny fampodiana azy ireo tany Nepala aza ny ankamaroan-dry zareo, ny sasany tamin'ireo tanora dia nahatakatra ny fahasahiranan'ny ray aman-dreniny, ary nandray tsara ny fiainana tany. Tolokeviny ho an'ny governemanta ny hanomezana fanampiana ara-bola tsy maharitra ho an'ireo ankohonana nepaley trà-pahasahiranana, izany dia afaka hisorohana ny fampodiana ny zanak'izy ireny noho ny fandaniana ateraky ny fampianarana. Nefa ilainy koa, hoy izy, mandritra ny fotoana maharitra, ny fanovàna soatoavina ho an'ireo ray aman-dreny nepaley mba tsy hampody ny zanany any Nepal noho ny tsy fankasitrahan-dry zareo ny safidin-janany, nampiany fa “tsy soatoavin'ny fiarahamonina ao Hong Kong.” Nambarany fa tokony hianatra hanome hery ny tenany ireo tanora nepaley, miaraka amin'ny fahasahiana miteny “tsia”, ary ilaina ny hisian'ny fanentanana. Nisy nanodidina ny 29.700 ireo Nepaley nipetraka tao Hong Kong hatramin'ny taona 2021, nahatonga azy ireo ho ny vondrom-poko vitsy an'isa fahefatra lehibe indrindra aorian'ny Filipiàna, Indôneziàna ary ny Indiàna. Ao anatin'ny vondrom-piarahamonina nepaley, 31,6 isanjato eo ho eo no latsaky ny 24 taona, araka ny angon-drakitra fanisambahoaka. [END] --- [1] Url: https://mg.globalvoices.org/2024/06/12/170174/ Published and (C) by Global Voices Content appears here under this condition or license: https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/. via Magical.Fish Gopher News Feeds: gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/