(C) Global Voices This story was originally published by Global Voices and is unaltered. . . . . . . . . . . An-tsary: Fantaro ireo mpanavotra biby tsy manan-tompo ao Kiobà [1] ['Periodismo De Barrio'] Date: 2024-06-12 Lahatsoratr'i Landy Rodríguez Acosta ho an'ny Periodismo de Barrio, avy eo nahitsy sy navoakan'ny Global Voices araka ny fifanarahan'ny samy media. Tamin'ny Novambra 2019, nipongatra tao amin'ny WhatsApp ny vondro-mpanohanan'ny fiarahamonina iray ho fiarovana ny fahasalamana sy ny fiahiana ny biby tsy manan-tompo any Artemisa, Kiobà andrefana. Tsy dia misy mpahalala ny hetsika ataon-dry zare onoho ny tsy fananana anarana ofisialy sy ny mombamomba ny mpitantana ny vondrona. Nihaona tsindraindray izy ireo ary nifandamina araka izay tratrany. Tamin'ny faran'ny taona 2020, efa fantatra any San Antonio de los Baños, Artemisa, ho Ekipa Mpiaro Biby (EPA) izy ireo. Tsy mahazo fanohanana avy amin’ny andrim-panjakana ry zareo. Ry zareo ihany no mitantana ny volan-dry zareo, azo avy amin’ny “tombola“, foaram-pantrana, ary fanomezana avy amin’ny olona mahalala an’io olana io. Iray amin'ireo asa lehibe indrindra fanaon'ny EPA ny fanavotana. Manana fiara hivoahana ny mpikambana iray ao amin'ny fikambanana raha sendra misy ny hamehana. Manome tolotanana ho an'ny biby ry zareo amin'ny fomba fijery veterinera; any amin'ny toerana antsoina hoe ” vonjimaika “, omena sakafo sy fialofana izy ireo, ary araha-maso mandra-pahasitrana tanteraka, ary avy eo dia atolotra any amin'ny tompon'andraikitry ny fananganana. Miezaka ny mpikambana ao amin'ny EPA mampihatra ny lalànan'ny fiahiana ny biby. Nandeha teny amin’ny biraon’ny polisy eny amin’iny faritra iny mihitsy aza ry zareo mba hitatitra ny fihoaram-pefy, saingy vitsy dia vitsy no voasazy handoa onitra. [END] --- [1] Url: https://mg.globalvoices.org/2024/06/12/170152/ Published and (C) by Global Voices Content appears here under this condition or license: https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/. via Magical.Fish Gopher News Feeds: gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/