(C) Global Voices This story was originally published by Global Voices and is unaltered. . . . . . . . . . . Ao Maoritania, tontolo mozikaly iray manintona eo anelanelan'ny fombandrazana sy ny fanavaozana [1] ['Jean Sovon'] Date: 2024-06-13 Ao amin'ny Repoblika Islamikan'i Maoritania, ny famokarana mozika dia tena mifamatotra be amin'ireo griots (fanamarihan'ny mpandika: mpiangaly mozika mandehandeha, mpitahiry ny kolontsaina sy malaza ho mpifandray amin'ny fanahy) izay sarotiny tokoa amin'ny fiarovana ny kanton-dry zareo. Fa na eo aza io toerana maha-mpitahiry ny nentindrazana io, eo an-dàlan'ny fanafangaroana ny tontolo mozikaly ao amin'ny fireneny ireo mpanakanto hafa izay mitrandraka sehatra mozika hafa ao anatina fifangaroana gadona. Misy mponina mihoatra ny 4,9 tapitrisa, io firenena io, izay hita eo anelanelan'ny tany efitr'i Sahara sy ny Raanomasimbe Atlantika, dia voatahy amin'ny fanànana harena ara-kolontsaina lehibe. Ara-demaografika, misy roapolo eo ireo vondrom-poko mifampizara ny faritra ary miparitaka anatina vondrona telo lehibe : ry zareo Haratins antsoina ihany koa hoe “Maures mainty” (40% amin'ny mponina) ; ny Beidanes na ireo “Maures fotsy” (30%) ; ary ireo Afrikàna mainty (30%) izay ahitàna ny Peuls, ny Soninkés, ny Wolofs ary ny Bambaras. Fombandrazana fahiny tamin'ny mozika Toy ny kolontsaina afrikàna rehetra, zavamaneno nentindrazana no ilalaovana ny mozika maoritaniàna, izay mazàna no natao tànana avy amin'ireo akora eo an-toerana. Ny zavamaneno tena mampiavaka azy dia ny : ardîn (kazarana lokanga-valiha misy tady hoditra), ny tidinit (karazam-baliha misy tadiny telo), ny tbal (ampongatapaka) ary ny târ (amponga). Ny tantaran'ny mozika nentindrazana ao amin'ilay firenena dia ny Azâwân no tena manamarika azy indrindra, izay endrika mozikan'ireo Maures manokana ary tsiambaratelo tahirizin-dry zareo Iggawins, karazana mpiangaly mozika izay manao ampihimamba ny mozika nentindrazana ao amin'ny firenena. Ity lahatsary ahitàna hira maure iray, an'i Khalifa Ould Eide sy Dimi Mint Abba ity, no ohatra tsara amin'izany: Ao anaty lahatsoratra iray ao amin'ny tranonkala Music in Africa natokana ho an'ny mozika nentindrazana maoritaniàna, hazavain'i Bernard Bangoura ny toedraharaha sôsialy sy kôlontsaina manodidina io kazarana mozika io: Mifandray amina toejavatra isankarazany ny famokarana tena izy ny mozika nentindrazana maure, toy ny tokotany sy ny sehatra pôlitika misy azy (mozikan'ady, milaza tantara sy fideràna) ; ny fenitra malaza sy tsotra tsy ara-pivavahana (mozika fandihizan'ny lehilahy, mihetsiketsika miaraka amina kibay na sabatra ho toy ny fitaovam-piadiany ; mozika fialàna voly, fakàna fahafinaretana na natokana manokana ho an'ny vehivavy, toy ny ny bandjé miaraka amin'ny fampiarahampeo “homophonique“) ary ho an'ny fivavahana (mozika psalmodie sy fideràna any amin'ny maoske na fanokafana kaonseritra). Ao anatin'io lahatsoratra io ihany, tombanan'i Bangoura ho tsy mihidy amin'ny tenany fotsiny io fomba fanehoana mozikaly io: Ry zareo Maures sy ny kolontsain-dry zareo dia tena mifamatotra be amin'ny fanehoana ny mozika nentindrazan'ny Maoritaniàna. Na izany aza, omen'io lovam-pirenena io toerana ny vokatry ny fifangaroana ara-poko sy ara-tantara, miaraka amin'ireo vahoaka ao amin'ny faritra atsimon'i Sahara. Toy izany koa, ilay vehivavy mpanan-talenta Dimi Mint Abba (teraka tamin'ny 1958) nomena anarana hoe “ilay diva-n'ny tany efitra” dia taranaka avy amina fianakaviana Iggawin. Nametraka ny tenany izy tamin'ny talenta filalaovany ny ardin sy ny feony, ary nandova ny talentan'ny rainy izay nanoratra ilay hiram-pirenena fahiny, sy ny reniny Mounina Mint Eida izay mpilalao ardin ihany koa. Teo amin'ny faha-18 taonany no nahazoany ny loka nasiônaly iray tamin'ny 1976 sy nisoloany tena ny fireneny tamin'ireo fetibe tao amin'ny tanibe afrikàna ary tany an-kafa.. Mizotra mankany amin'ny mozika maoderina sy manerantany Amin'ny lafiny maro, tsy nahatohitra ny anjomaran'ny fanontoloana ny mozika maoritaniàna. Amin'izao fotoana izao izy dia mandray ireo dindo sy karazana mozika avy any an-kafa: ny jazz, ny blues, ny rock, ny mozika elektrônika ary ny rap. Nitondra aingampanahy ireny karazana mozika ireny ho an'ireo artista toa an'i Malouma, Daby Touré sy Noura Mint Seymali, izay mivohy sary iray eo anelanelan'ny fombandrazana sy ny vaninandro maoderin'ny mozika maoritaniàna eo amin'ny sehatra iraisampirenena. Tany amin'ny andian-taona 1990 tany no tsapa ny fidirana nanao dingan-davan'ny mozika rap ho ao anatin'ny tontolon'ny mozika maoritaniàna, niaraka tamin'ny fiakaran'ny lazan'ireo mpanakanto toa an'i : Diam Min Tekky, Waraba, Minen Tey, Ewlade Leblad, Adviser, sy Mönza nantsoina hoe Président 2la Rue Publik. Tamin'ny fiandohan'ny andian-taona 2000 no nanomboka nisy onjan-daza, niaraka tamina hetsika marobe nanamarika indrindra ny fivoahan'ireo rakikira rap narahana kaonseritra. Araka izany, ity hiran'i Diam Min Tekky ity dia mitaky ny rariny ho an'ireo sisampaty, ireo kamboty sy mananotena navelan'ireo miaramila 28 maty nahantona nandritra ilay fandripahana tao Inal tamin'ny 1990 : Ny mpanakanto Mönza dia mpanorina ihany koa ny Festival Assalamalekoum de Nouakchott izay ny 2022 no nokarakaraina ny andiany faha-15. Matetika ilay mpankanto no mampiaka-peo manakiana ny fitondràna ary matetika no niharan'ny sivana ireo famokarana mozika nataony. Ity ny lahatsarin'ny hira MNSR LPRSDNT an'i Mönza, nivoaka tamin'ny 2019 : Ao amin'ny firenena, mpitondra hafatra momba ny fientanana sôsialy ihany koa ny mozika. Ohatra, ny mpanakanto Kader Tarhanine ao anatin'ny hirany mitondra lohateny hoe Al gamra leila, dia manentana ireo Maoritaniàna tanora momba ireo loza ateraky ny fifindramonina mankany Eorôpa. Mihamitombo hatrany ny toeran'ny mozika ao anatin'ny sary ahitàn'ny any ivelany ilay firenena. Ankoatry ny Festival Assalamalekoum de Nouakchott, misy iray hafa nanangasanga fotoana fohy tamin'ny 2004: ny Festival International des Musiques Nomades. Misy ihany koa ny festival Sahel Jazz Plus de Nouakchott, natomboky ny Conservatoire international de Musique et des Arts de Nouakchott (CIMAN) ka tamin'ny 2015 no natao ny andiany voalohany. Ary mipoitra koa ny Festival Culture métisse izay efa teo amin'ny andiany faha-11 tamin'ny 2023, izay ny tanjony dia ny hampifangaro ny mozika eo amin'ireo vondrom-piarahamonina maoritaniàna sy ny ao amin'ny faritra. Mitohy mambabo ny fon'ireo mpihaino manerantany ny mozika maoritaniàna, izay amin'ny alàlan'ny mozika henoina dia manolotra fitsangantsanganana mitety ireo tontolo sy ny fombandrazan'ity firenena ao Afrika eo anelanelan'i Sahel sy Afrika atsimon'i Sahara ity. Misy lisitra Spotify ahitàna ireo mozika maoritaniàna azo jerena eto. Misy lisitra hafa ahitàna ireo mozika manerantany koa azo raisina sy idirana amin'ny alàlan'ny kaonty Spotify an'ny Global Voices. [END] --- [1] Url: https://mg.globalvoices.org/2024/06/13/170164/ Published and (C) by Global Voices Content appears here under this condition or license: https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/. via Magical.Fish Gopher News Feeds: gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/