(C) Global Voices This story was originally published by Global Voices and is unaltered. . . . . . . . . . . Andao atsahatra ny mizatra kolontsain-tabataba ao Amerika Latina [1] ['Lucía Jiménez Peñuela'] Date: 2024-06-14 Eo amin'ny efijery ahitana lehilahy iray miezaka ny hatory, saingy tsy afaka noho ny tabataba avy amin'ny mpifanolo-boririndrina iray. Nandeha ho ao amin'ilay mpifanila trano aminy izy, izay tsy nahare azy tamin’ny voalohany. Avy eo ilay mpifanila aminy namaly tamin’ny tifi-basy. Tsy nosoratana ho tantara an-tsary na sariitatra io, fa tena zava-misy. Nandritra ny fankalazana ny Fetin'ny Reny tany Kolombia, tamin'ny marainan'ny 12 May, novonoin'ny mpiara-monina taminy ny lehilahy iray 50 taona rehefa avy niangavy azy ireo hampihena ny feon'ny mozika tao amin'ny lanonan'izy ireo. Mahazatra any Kolombia sy manerana an'i Amerika Latina ny tranga toy izany. Tsy ny tsy-fifandeferana eo amin'ny mpifanolo-bodirindrina ihany no resahin'izany, fa ny olana ara-kolontsaina lalina amin'ny fampiasana sy ny fihoaram-pefy mitabataba. Na dia fantatry ny besinimaro aza fa mety hiteraka fahaverezam-pandrenesana ny feon'ny fipoahana mafy iray, dia mety hitranga tsikelikely ihany koa izany amin'ny alàlan'ny fihainoana feo mafy hatrany, toy ny fihainoana mozika mafy dia mafy amin'ny écouteurs, na amin'izao fotsiny. Tamin'ny taona 2013, nanombantombana ny Sampan'ny Firenena Mikambana misahana ny Fahasalamana fa 360 tapitrisa ny olona very fandrenesana — izany hoe 5,3 isanjaton'ny mponina eran-tany ary zaza ny 32 tapitrisa amin’ireo. Tany Kolombia, tamin'ny taona 2015, manodidina ny 11 isanjaton'ny mponina no nanana olana amin'ny fandrenesana. Amin'ireo mponina miasa mavitrika 25 ka hatramin'ny 50 taona, tombanana ho 14 isanjato ny fahaverezam-pandrenesana vokatry ny feo. Amin'ny andro rehetra, tsy mbola niova ny lokon'ny jiro telosoratra dia manendry anjombona ny mpamily. Maneno mafy ny anjombon'ny fiara fitateram-bahoaka isaky ny mijanona. Rehefa miditra fitateram-bahoaka ny olona dia mihaino mozika na mijery horonantsary amin'ny findainy, tsy misy écouteurs. Eny an-dalambe, mitondra maneno misy jiro miloko sady avo feo ny olona mandeha an-tongotra sy môtô. Manampy izany, mifaninana mampiseho izay mitabataba indrindra fahita amin'ny amin'ny Fast & Furious ireny ireo môtô mitondra maneno marevaka jiro. Misy ireo manao lanonana an-tampontrano na eny amin’ny toerana iombonana heno manerana ny vakim-paritra (secteur) ary mety haharitra andro maromaro. Tsy misy fitsaharana na dia amin’ny fotoana fisakafoana aza. Any amin'ny trano fisakafoana, heno dieny lavidavitra ireo fahitalavitra mandefa lalao baolina fandaka. Samy manana ny manenony manokana ny faritra tsirairay. Ny tobim-pahasalamana voaravaka infirmiera manao ny fanondrony eo amin'ny molony fahiny moa ankehitriny lasa ahitana fahitalavitra ary avela hampiasa ny findainy mandefa feo araka izay tiany ny rehetra. Any amin'ny tanàna toa an'i Bogotá, tokony hiditra an-tsehatra ny polisy rehefa mitabataba be ny mpiara-monina. Na izany aza, mahafantatra ireo efa niaina toe-javatra tahaka izany fa tsy tsara aro, ary miteraka olana bebe kokoa amin'ny fiaraha-monina. Ary tsy mahavita mamaha ireo olana ireo ny any amin'ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana. Amin'io lafiny io, mikatsaka ny hametraka torolàlana amin'ny fandrafeta-teny (lalàna) momba ny atao hoe tabataba ao amin'ny firenena ny volavolan-dalàna momba ny fandotoan'ny tabataba (“Lalàna iadiana amin'ny tabataba“) notarihin'i Daniel Carvalho, olo-malaza ao amin'ny Antenimiera Kolombiana. Hiantoka ny fiahiana mahaolona sy ny zavamaniry sy ny biby avy amin'ny tontolovoary amin'ny alàlan'ny fampiroboroboana ny tontolo tsy misy tabataba ity volavolan-dalàna ity, ka izany no hiaika ny fitsipika misy ao Kolombia amin'izao fotoana. Andraisan'ny maro anjara ny fandrafetana ny volavolan-dalàna, ahitana ny fiaraha-miasan’ny fikambanana mpiaro ny tontolo iainana, ny akademia ary ireo iharan’ny tabataba. Tadiavin'ny fisantarana andraikitra, ankoatra ny fanohanana ilay volavolan-dalàna, ny fanoloran-tenan'ny olom-pirenena amin'ny “Fanambaràna manetriketriky ny fahatoniana“. Takìn'ny fanambaràna manetriketrika ny fitandroana fiarahamonina salama sy mifanaja; misoroka ny fampiasana fanamafisam-peo eny ankalamanjàna; mampiasa fitaovana maneno sy fahitalavitra amin'ny feo antonony; mametraka fitarihana teknika mifankazatra amin'ny tontolon'ny tabataba, toy ny fampiasana anjomara tsy amin'antony ary misafidy fivezivezena lovainjafy, ary miteny imasom-bahoaka na an-takonana amin'ny feo antonony. Manoloana ny fibaribariana tafahoatra amin'ny rarintsaina, safidy iray azo atao, raha misy manam-bola, ny mifindra ivelan'ny tanàna. Na izany aza, midika izany fa ho lava kokoa ny fotoana lany an-dalana. Ary na ho ela na ho haingana dia ho tonga any ihany koa ny tsy-fahamatoran‘ny tompon'ny maneno. Safidy hafa, mitaky vola be ihany koa, ny manangana rafitra (efitra) tsy andrenesan-tabataba: rafitra boaty ao anaty boaty, mitovy amin'ny tokony hampiasain'ny fisotroan-toaka sy ireo discotheques. Eo koa ny varavarankely tsy laitran-tabataba, izay mampiasa fitaratra matevina matevina sy chambres-à-air (efi-drivotra). Vahaolana taka-bidy kokoa sy azo enti-manaraka — satria tsy any amin'ny faritra fonenana ihany no misy tabataba fa eny amin'ny toerana ankalamanjàna ihany koa — ireo tampin-tsofina voasedra tsy ahenoam-peo, sy ireo tampin-tsofina hatoriana. Mihabetsaka ny olona mampiasa azy ireny rehefa hatory, na hiasa, na amin'ny fiainany andavanandro. Afa-manampy amin'ny fifantohana ny fampiasana écouteur misy feo fotsy, misy feo volontsôkôlà ary misy feon'orana. Mety amin'ny olona voan'ny aretina Asperger sy ny aretin'ny fikorontanana manodidina ny autisme, ADHD, ary ireo mora laitran'ny tabataba ireo tampintsofina voasedra amin'ny feo, misy na tsy misy fanafoanam-peo ireo. Mety tsara amin'ireo toe-javatra ilàntsika hampihenana ny feo, toy ny rehefa mianatra, amin'ny fampisehoana, rehefa matory, any amin'ny teatra, amin'ny hetsika, na amin'ireo toe-javatra rehetra ahitana tabataba be loatra, ihany koa izy ireny. Tokony ho loharanom-pahafinaretana izany hira izany, satria mamoaka dopamine ao amin'ny atidoha, fa lasa tsy azo leferina kosa rehefa lasa singam-pahefana manoloana ny hafa. Izay mifehy ny fiavian'ny tabataba no mifehy ny fahasalaman'ny manodidina azy. Fotoana izao itsaharana (tsy) hizatra kolontsainan-tabataba. Andeha hamantatra ny fiantraikan'ny tabatabantsika amin'ny tontolo iainantsika. Mety hiteraka olana goavana ho an'izay mipetraka eo akaiky ny zavatra tsy dia misy dikany toy ny bip miverimberina amin'ny finday. Aoka ho fantatra fa tsy vitan'ny hoe mahatonga ny tsy fandrenesana ny tabataba fa mety hiteraka manelo andoha (migraine), fahasorenana, tahotra hody, famoizam-po, eny hatramin'ny faniriana ho faty mihitsy aza. [END] --- [1] Url: https://mg.globalvoices.org/2024/06/14/170171/ Published and (C) by Global Voices Content appears here under this condition or license: https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/. via Magical.Fish Gopher News Feeds: gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/