(C) Global Voices This story was originally published by Global Voices and is unaltered. . . . . . . . . . . Fanazavana ny endrika maha-te-ho tian'ny dite Tatars, ary ny ‘ora fisotroana dite tsy misy fiafaràna’ [1] ['Elmira Lyapina'] Date: 2024-06-14 Matetika ny dona ara-kolontsaina goavana indrindra ho ana Tiorka iray tonga ao Eorôpa dia mitranga rehefa manafatra dite izy eny amin'ny trano fisotroana na misotro azy io any an-tokantranona Eorôpeàna namany. Mety ho sarotsarotra ho an'ny Tiorka iray ny hanafina ny fahatairany eny amin'ny endriny — gaga na diso fanantenana — rehefa mandray dite anaty fonosana ry zareo. Ny antony dia satria tsy hoe zavatra mahazatra fotsiny ho an-dry zareo Tiorka ny fanatsobohana ravina dite vao avy notazana, fa koa fepetra iray amin'ny fahaiza-mampiantrano olona. Eo amin'ny fiainan'ireo Tatars, mitàna toerana manokana mihitsy ny fisotroana dite. Misy fomba fiteny Tatar toy ny hoe “Fanahin'ny fianakaviana ny fotoana fisotroana dite” na “Tsy hifarana mihitsy ny dite Tatar” mampiseho ny lanjan'ny dite ao anatin'ny fiainany andavanandro. Im-betsaka ry zareo Tatars no misotro dite ao anatin'ny andro iray. Raha manontany ianao hoe “Inona ny dite Tatar?”, dia avy hatrany hahazo valiny marobe amin'io fanontaniana io miaraka amin'ny fanambaràna fa ity karazana dite ity no heverina ho tena Tatar. Mainty, maitso, raokandro (asiana solila, oregano, thym), voninkazo, asiana tantely, asiana tantely sy sira, asiana solila, dite vita avy amin'ny voankazo (paiso, poara) na voaroy (frezy, voaroy), fa koa avy amin'ny ravina voarointsaka. Ny tantara ara-kolontsaina sy ara-jeografika no angamba antony mahatonga ilay famaritana midadasika ny “tena dite Tatar” ho toy izany . Ny safidy tena malaza indrindra dia ny dite asiana tantely — tsy tokony afangaro amin'ilay fomba anglisy malaza. Raha ny marina, na tsy dia hita ho misy fifandraisana mivantana aza ry zareo Anglisy sy ny Tatars, misy teoria sasantsasany momba ny fifamatorana tranainy teo amin'ireo Anglisy maoderina sy ny Tatars. Samihafa anefa ny fototry ny safidin'ireo Tatars. Tany am-boalohany, nahavita namaly ny filàn'ireo Tatars ny fanampiana ronono matavy tao anatin'ny dite: noho ny fampiasàna azy ireny tsy tapaka tamin'ny asa vatana mandreraka, niharo asa teny an-tsaha, tsy dia nananan-dry zareo ny fotoana hikarakaràna karazan-tsakafo sy sakafo ela. Araka izany dia fotoana fialàna sasatra fakàna hery ny fotoana fisotroana dite. Ho an-dry zareo Tatars, tamin'ny taonjato faha-17 no tonga tamin'ny fomba ôfisialy avy any Shina ny dite, na noheverina ho efa taloha kokoa noho izay aza no nampidirana azy, tany amin'ny taonjato faha-13, nentin'ireo Mongols, ary tany am-piandohana dia noheverina ho zava-pisotron'ireo vato nasondrotry ny tany. Hain'ny rehetra ny voambolana hoe “samovar” (avy amin'ny rosiàna hoe “samo” — “ny tena”, “var” — “mahandro”), izay nikisaka ho any amin'ireo fiteny hafa, isan'izany ny fiteny tiorka. Raha ny marina dia ry zareo Tatars no nampiditra io voambokana io tany amin'ny taonjato faha-18 sy faha-19 tany ho any, rehefa, teo ampitadiavana izay hiarovana ny maha-izy an-dry zareo ara-pinoana (Islamo) tao anatin'ny Ampira rosiàna, nanapaka hevitra ny hipetraka tany amin'ny Ampira Ottoman ry zareo Tatars. Na izany aza, Lasa nifàka lalina teny anivon'ireo Tatars ny fombandrazana misotro dite raha oharina amin'ireo Rosiàna. Tafiditra ho ampahany manandanja amin'ny kolontsan'ny vahoaka ny dite; tsy vita ny haka sary an-tsaina olona iray ao anatin'ny ankohonana Tatar ka manasa anao hisotro zavatra hafa ankoatra ny dite. Ho an'ny Tatars, zavatra mahazatra mandritra ny firesahahana fandraharahàna ny fisotroana dite, ary hatrany amin'ireo fihaonana “fanalàna azy” miaraka amin'ny fianakaviana sy ny namana. Ohatra, i Karel Fuchs, manampahaizana amin'ny resaka kolontsaian'ny vondrom-poko sady mpahay tantara, dia nanamarika fa isanandro ny ankamaroan'ireo Tatars dia misotro dite efatra kaopy raha kely indrindra, ary samy manana ny “samovar” an-dry zareo manokana ireo fianakaviana Tatars manan-katao . Toetra iray iraisan'ny Tatars ny “latabatry ny fety,” izay ahitàna zavamamy tsotra ampanarahana ny dite. Ny hoe “Tatar chae berkaychan da betmi” na “Tsy hifarana mihitsy ny dite Tatar” dia ilazàna ny momba ireny fihaonana nanasàna olona ireny sy ireo zavamamy iatrehana ny fety. Matetika ny dite dia arahana zavamamy ifangaroana kaonfitira, tantely, voankazo namainina, vatomamy, talkysh-kaleve, ary hatramina mofomamy. Tafitra ao anatin'ity farany ity ny Gubadiya, Balish, Elesh, Peremech, Uchpuchmak, Baursak, Chak-Chak, Kosh Tele, sy ny sisa. Sesehana legioma, voankazo ary hena ireo mofomamy, avy eo andrahoina sy endasina. Aorian'ny foto-tsakafo no fandraisana ny dite, aroso miaraka amin'ireo sakafo mamy sy masira ary tena fikisahana mahomby miala avy amin'ny sakafo antoandro mankany amin'ny sakafo hariva, ka amin'io fotoana io dia ahemotra kely ny dite mba hahafahan'ilay dite vao natsoboka ho azo aroso miaraka amina zavamamy hafa indray. Ara-tantara, ny Tatars tsy manisy siramamy ny dite, fa mihinana azy fotsiny in-dray mitelina mba tsy hanimba ny tsiron'ny dite. “Kunak ashy – kara karshi” na “Fitia mifamaly ny zavamamin'ny nasaina.” Ny fahaiza-mandray olona no heverina ho toy ny iray amin'ireo soatoavina fototra nanomboka tamin'ny vanim-potoana Volga tao Bolgaria. Efa hatrany amin'ny Islamo ihany koa ilay izy, izay tsy maintsy ifampizaràna sakafo amin'ny mpiray vodirindrina, vahiny na ireo sahirana. [END] --- [1] Url: https://mg.globalvoices.org/2024/06/14/169987/ Published and (C) by Global Voices Content appears here under this condition or license: https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/. via Magical.Fish Gopher News Feeds: gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/