(C) Global Voices This story was originally published by Global Voices and is unaltered. . . . . . . . . . . Ametraham-padintseranana indray ny takela-masoandro Shinoa ho fampandrosoan'i Brezila ny indostriany [1] ['Laís Martins'] Date: 2024-06-15 Nanjaka tany Brezila an-taonany maro ny takela-masoandro (takelaka fandraketana angovon'ny masoandro). Tamin'ny taona 2022, manodidina ny 99 isanjaton'ny takelaka fôtôvôltaika rehetra novidina tany Brezila no nafarana avy any Shina, izay mitarika erantany amin'ny famokarana fitaovana fandraketana angovo avy amin'ny masoandro. 1 isanjato ihany no vokarina ao an-toerana. Ankehitriny, mety hanomboka hiova ity tontolo ity noho ny fanapahan-kevitry ny governemanta hanafoana ny fanesoran-ketra hatramin'ny taona 2020 izay nampihena ny vidin'ny fanafarana fitaovana fandraketana angovo avy amin'ny masoandro. Maro endrika ny fanazavana azo entina amin'ny fandraisana ny vokatra shinoa ity. Anisan'izany ny antony hetra: hatramin'ny vao haingana ny takela-masoandro nafarana avy any Shina no nesorim-padintseranana, izay mahatonga azy ireo ho 50 isanjato mora kokoa raha oharina amin'ny takelaka novokarina an-toerana tao Brezila. Antony iray hafa nampanjaka ny takelaka shinoa teo amin'ny tsena Breziliana ny tsy fahamatoran'ny sehatrasa eo an-toerana, izay tsy nahavita nivelatra noho ny tsy fisian'ny fandaharan'asa sy politika fandrisihana tarihin'ny governemanta. Tsy any Brezila ihany no mora kokoa ny takela-masoandro. Araka ny tombana avy amin'ny Vaomiera Eoropeana, 35 isanjato mora kokoa noho ny any Eoropa, 20 isanjato mora kokoa noho ny any Etazonia, ary 10 isanjato mora kokoa noho ny any India ny totalin'ny vidin'ny famokarana fôtôvôltaika any Shina. Ary na dia tao anatin'ny taona vitsivitsy aza dia nihena hatrany ny vidin'ny famokarana izany any Shina. Araka ny Info Link, masoivohon-torohay momba ny angovon'ny masoandro, dia manodidina ny EUR 0.25 isaky ny watt ny vidin'ny hasim-panorina avy any Shina tamin'ny taona 2023. Herintaona mahery kely monja taty aoriana, tamin'ny fiandohan'ny volana marsa dia latsaky ny EUR 0.1 isaky ny watt io vidiny io. Amin'ny ankapobeny, lasa lavitra i Shina raha oharina amin'ireo mpanamboatra eo an-toerana noho ny fahamatoran'ny valalamanjohy indostrialy ao aminy — vokatry ny fampiasam-bola maherin'ny 15 taona amin'ny fampandrosoana ny teknôlôjia. Niainga avy any ambany mihitsy ny fivoaran'ny sehatry ny takelamasoandro any Shina ary nanaraka ambaratonga telo miavaka tsara. Voalohany, hatramin'ny taona 2009, novolavolain'ny politikan'ny famokarana miompana amin'ny fanondranana entana tohanan'ny governemanta sobanasionaly ny indostrian'ny takelamasoandro. Faharoa, niditra an-tsehatra ny governemanta foibe ao Shina tamin'ny fananganana tsenan'ny takelamasoandro ao an-toerana ho fanavotana ny indostrian'ny takelamasoandro. Fahatelo, nanomboka tamin'ny taona 2015, na dia somary tsy nahomby aza, nanomboka nanaisotra ny famatsiam-bola (fanampiana) isan-toerana ny governemanta foibe Shinoa ary nifantoka indray tamin'ny fahombiazan'ny teknolojia, ny saram-pamokarana ary ny karakaram-pampiatìna azy ao amin'ny indostrian'ny takela-masoandro ao an-toerana. Nahafahan'ireo firenena toa an'i Brezila niditra amin'ny fifindrana tsikelikely ho amin'ny angovo maitso ny fahamoran'ny fahazoana takela-masoandro vita shinoa. Amin'izao fotoana izao, azo amin'ny alàlan'ny takelaka fôtôvôltaika ny 18,2 isanjaton'ny angovo (miasa) ao Brezila. Saingy mety ho tandindonin-doza izany ankehitriny noho ny fanapahan-kevitry ny governemanta breziliana hametraka fadintseranana vaovao amin'ny fanafarana entana shinoa. Mety hitarika amin'ny fanavaozan'endriky ny sehatra izany, ary tsy voatery ho tsara. Amin'ny maha iray amin'ireo fitaovana madio indrindra sy kely fiantraikany indrindra, lohalaharana amin'ny rariny ara-tontolo iainana ny angovon'ny masoandro. Ny fiantohana ny vidin'ny fitaovana ho mora no midika fa afaka mividy sy mametaka ireo kojakoja ny mponina, avy amin'izany no ahafahan'ny maro mampiasa ny angovon'ny masoandro. Mampihena ihany koa ny fiankinan-doha amin'ny angovo tsy azo havaozina hafa izany. Nanomboka tamin'ny Janoary 2024, nanambara ny governemanta Breziliana fa hampiditra indray ny hetram-panafaran'entana 10,8 isanjato amin'ny takela-masoandro shinoa. “Stratejika ho an'ny firenena ny famokarana fitaovana miteraka angovo avy amin'ny masoandro ,” hoy i Geraldo Alckmin, filoha lefitr'i Brezila sady minisitry ny Fampandrosoana, Indostria, Varotra ary Servisy. “Mandray anjara amin'ny filaminana ara-angovo izany ary mifanaraka amin'ny fandaharan'asa fifindrana ekôlôjika mankany amin'ny toekarena kely karbônina mivoaka,” hoy izy, araka ny famoahan'ny governemanta. Manohitra ny fadintseranam-panafarana vaovao rehetra ny Absolar, Fikambanan'ny Angovon'ny Masoandro Fôtôvoltaika Breziliana. “Mahatonga ny teknôlôjia ho lafo kokoa ho an'ny mpanjifa ny fampakaran-ketra amin'ny fitaovana ampiasaina amin'izao fotoana, hanakana ny fahazoana teknôlôjia ary, handrava ny ‘asa maitso’ izay ananan'i Brezila amin'izao fotoana izao ho an'ny olona mametaka ireo rafitra ireo,” hoy i Rodrigo Sauiaia , filohan'i Absolar. Ankehitriny, manodidina ny 1.2 tapitrisa ny asa nateraky ny indostrian'ny fôtôvôltaika ao Brezila. Nampian'i Sauaia fa nahitana fihenan'ny fivoarana teknôlôjika sy ny fahatarana amin'ny fifindrana ho amin'ny angovo maitso izay tsena nanenjika ny fampitomboan-ketram-panafarana satria manasarotra kokoa ho an'ny mpanjifa farany ny miditra amin'ny teknôlôjia. Ahoana ny fomba hanohanana ny indostrian'angovon'ny masoandro ao an-toerana? Samy nilaza tamin'ny Global Voices ireo manam-pahaizana manokana any Brezila sy any Shina nandritra ireo antsafa an-tsofindavitra sy an-jotra nifanaovana tamin-dry zareo fa misy ny fepetra hafa azo atao ho fanohanana ny indostria nasionaly fa tsy amin'ny fampiharan-ketra. Nilaza tamin'ny Global Voices i He Jijiang (何继江), Tale Lefitra ao amin'ny Foibem-pikarohana momba ny fifindrana angovo sy ny Fampandrosoana ara-tsosialy ao amin'ny Anjerimanontolon'i Tsinghua fa azon'ny governemanta Breziliana atao ny manohana ny fametrahana ny “indostria mpiantoka asa”, toy ny orinasa hamokatra tongo-takelaka sy kojakoja, ny fanofanana mpiasa amin'ny fanambàrana sy fananganana tobim-pamokarana herinaratra fôtôvoltaika lehibe isan-toerana. Mety hiteraka asa eo an-toerana ihany koa ireo fepetra ireo, hoy i Jijiang nanampy. Nilaza i Sauaia, avy ao amin'ny Absolar, fa iray amin'ireo dingana voalohany tokony horaisin'ny governemanta breziliana ny fametrahana politikam-pirenena momba ny indostria ahitana karazam-pandrisihana ho an'ny mpanamboatra eo an-toerana, anisan'izany ny fampihenana ny hetra amin'ny akora ilaina hamokarana hasim-panorina fôtôvôltaika. Fepetra faharoa ny hividianan'ny governemanta fampitaovana angovo-masoandro hapetraka ao amin'ny tranom-panjakana, ho ampahany amin'ny fandaharanasan'ny governemanta amin'ny famponenana, ary eny fa na dia amin'ny trangan-javatra mila hamehana vokatry ny toetry ny toetr'andro faratampony aza, tahaka ny iiray izay any Rio Grande do Sul, any Brezila atsimo. Niteny i Sauaia: The government aims to decarbonize the Amazon, to replace the diesel-based generators that are expensive and polluting. These could be replaced with battery-powered renewable systems, like solar and eolic. Why not utilize Brazilian-made equipment in this program? Kinendrin'ny governemanta ny hanaisotra an'i Amazonia tsy ho lavenona (lasa karbônina), hanoloana ireo mpamokatra angovon'aratra avy amin'ny gazoala izay sady lafovidy no mandoto. Azo soloina amin'ny rafitra angovo azo havaozina mandeha amin'ny bateria, avy amin'ny masoandro sy ny rivotra. Maninona moa raha mampiasa fitaovana vita Breziliana amin'ity programa ity? Saingy mety tsy ho ampy hanoherana ny vidin'ny (takela-masoandro) shinoa ny fepetra toy izany. Mihevitra i Tan Youru (谭佑儒), mpandinika ny fotovoltaika ao amin'ny Bloomberg New Energy Finance (BNEF), fa mety hanakana ny fanirian'ny faritra maro hamolavola ny famokarana ao an-toerana ny fitotonganan'ny vidin'ny valalamanjohim-pamatsiana fôtôvôltaika. Araka ny voalazan'i Youru, na dia eo aza ny ezaka ataon'ny governemanta hampiroboroboana ny drafi-famokarana eo an-toerana, dia hisy ny tsindry hampihenana ny vidiny, ka hanohintohina ny tombom-barotry ny orinasa eo an-toerana. Ifikiran'i He Jijiang fa ny lalana tsara indrindra harahina dia ny iray amin'ny fizarana ny asa, izay ahitana firenena maro mamolavola karazana indostria samihafa izay mifameno amin'ny fahaizan'i Shina manokana amin'ny indostrian'ny fôtôvôltaika fototra. Nilaza izy fa ny fidiran'i Brezila an-tsehatra amin'ny indostria mpamokatra (sy mpandray asa vita) dia mitaky taona sy fampiasam-bola be dia be, izay hampihemotra ny fifindrana mankany amin'ny angovo maitso sy hampitombo ny sarany. [END] --- [1] Url: https://mg.globalvoices.org/2024/06/15/170088/ Published and (C) by Global Voices Content appears here under this condition or license: https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/. via Magical.Fish Gopher News Feeds: gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/