(C) Global Voices This story was originally published by Global Voices and is unaltered. . . . . . . . . . . Ramatoa Filoha, mila anao izahay ho mpiara-dia amin'ny vehivavy (mba hinoanay indray) [1] ['Paloma Cuevas'] Date: 2024-06-17 Nisy fotoana isika rehetra nanontany tena momba ny afakampitso. Amin'io andro io tokoa, tapitra ny angonangona ara-barotra, fampitam-baovao sy ny haivarotra, ny fanentanam-pifidianana rehetra, miari-tory ny olona mijery ny Programam-pifidianana Vonjimaika (PREP), izay fitaovana hanamafisana ny voka-pifidianana, mankany amin'ny ratran-tsaina na fahafinaretan’ny mpifidy. Tonga ny afakampitso, ary nifanehitra taminy am-pitoniana isika. Nanjary tena misy ny vaovao lehibe: #HabemusPresidenta, sy ny fiantraikan'ny niaina tany Amerika Avaratra sy ny maha-firenena Amerikana Avaratra voalohany, sady Latinina ihany koa, manana vehivavy miandraikitra ny lahatr'i Meksika. Claudia Sheinbaum Pardo no olona ifantohan-dresaka manerana ny firenena ankehitriny, fanantenana, fitsarana fohy, fisalasalana, taratasy ho an'i Dadabe Noely, sy ny maro hafa. Raha ny marina dia tsy nino mihitsy aho fa hanana filoha vehivavy isika talohan'ny nananantsika vehivavy rektora tao amin'ny Anjerimanontolom-pirenena mizaka tena ao Mexico (UNAM) – tsy isalasalana fa mbola tena olana saro-bahàna ny rafi-pitantanana anjakazakan-dray. Mandritra ny fanoratako ity naoty ity, asehon'ny PREP fa birao fandatsaham-bato 162.517 amin'ny 170.648 no voaisa, izany hoe 95,2352 isanjaton'ny mpifidy. Manakaiky ny 61 isanjato ny fandraisan'anjaran'ny olom-pirenena, taham-pahavitrihana tsy mbola nisy toy izany. Izany no mahatonga an'i Sheinbaum ho kandidà nahazo vato be indrindra teo amin'ny tantara, mihoatra noho ny filoha López Obrador aza. Hamaky bebe kokoa: Hanana ny filoha vehivavy voalohany ve i Meksika? Mora mankafy tantara tsara fiafara toy ny telenovelay izahay Meksikana. Izay angamba no antony nivoahan'ny boky iray tamin'ny Martsa 2024: Presidenta: Más de 100 mujeres te escriben [“Filoha: Vehivavy maherin'ny 100 manoratra ho anao”], nangonin'ilay mpanao gazety sady mpanolotra fandaharana Yuriria Sierra. Ao amin'ity boky ity, vehivavy 112 mpahay siansa, mpanoratra, mpamokatra sarimihetsika, mpanakanto, mpihira, mpandraharaha, ary mazava ho azy ireo mpikatroka no manambatra ny feony, avy any amin'ny hady, mba hilaza amin'ilay vehivavy voalohany hitondra ity firenena ity izay andrasan'izy ireo aminy. Vokatr'izany hetsika izany, nandefa taratasy ho an'i Sheinbaum fony izy kandidà ilay mpikatroka, mpampianatra sady mpihira mpamoron-kira Vivir Quintana, manana fangatahana mazava sy voafaritra tsara: “Mitomanin'ny fanaintainana ity firenena ity. Mila miaro ny vehivavy sy ny ankizy ao aminy maika i Meksika. Manontany anao aho, tokony ho voafidy ho filoha manaraka an'i Meksika ve ianao, noho ny fanoloran-tenanao ho mpiara-dia marina ho an'ny rehetra.” Tsy manontany fotsiny i Vivir Quintana hoe ho filoha izy, mazava ho azy, fa ambonin'ny zavatra rehetra dia ho compañera izy, mpiara-dia. Avy eo, tamin'ny 28 Mey, namoaka ilay hira “Compañera Presidenta” tao amin'ny YouTube i Quintana, ahitana hafatra mazava momba ny fitovian-tantana sy ny maha mpirahavavy ary ny fijerena maika ireo izay nampanginina, tsy noraharahiana ary natao ho marefo. Ohatra: famonoana vehivavy 968 tamin'ny taona 2022 ary 769 tamin'ny taona 2023, mampiseho fa maika ny fandraisana fepetra hisorohana, hanitsiana ary hanasaziana ny herisetra mihatra amin'ny vehivavy, ary hanabeazana azy ireo indray. Inona ireo fanamby hafa, hoy ianao manontany? Andeha hojerentsika izy ireo! Manomboka amin'ny olana ara-pilaminana, izay misy fiantraikany mivantana amin'ny tondrom-pahatsapam-piahiana sy fahasambarana, sy fikorontanana ara-pahasalamana toy ny fahaketrahana sy ny tebiteby, amin'ireo lohahevitra hiantohana ara-pahasalamana ny mponina, ny fahazoana fonenana mendrika, asa mahazo karama ara-drariny, fahazoana fianarana, fialam-boly ara-pahasalamana, sy ny sisa marobe. Ireo no olana miandry ao amin'ny tetipanorom-politika mampiverina any amin'ny fiandohan’izany revolisiona tsy hay hadinoina natombok'olona vitsivitsy tamin'ny taona 1910 izany ary lasa revolisionam-bahoaka voalohany teto amin'izao tontolo izao – tetipanorom-politikan'ireo izay nanonofy fa afaka miaina ao anaty fahafenoana be isika Meksikana, izay manana ny fepetra ilaina hahatrarana ny fampandrosoana manontolo ho an'ny mponina 128 tapitrisa mahery. Amin'ny harinkarena isan'olona 11.496,52 dolara isan-taona (eo amin'ny 183.944,32 pesos), dia mazava fa tsy ny rehetra no mahazo an'io vola io, satria olona 9,1 tapitrisa no miavo-tena amin'ny latsaky ny zavatra ilaina andavanandro. Asehon'ireo fanamby ara-toekarena atrehin’ny firenena ireo, hoy ny manampahaizana, ny filàna fitomboana ara-toekarena farafahakeliny 4,5 isanjaton’ny harinkarena faobe isan-taona mba hiantohana ny filaminan’ny mponina. Zava-dehibe ihany koa ny manamarika ny hamehan'ny maha-maika ny tsy maintsy amoronana paikady mahomby amin'ny ady ataon'ny fanjakana amin'ny herisetra sy izay tompon'andraikitra — na voafidy — ary mazava ho azy, mitaky amin'ny hanomezan'ireo sampan-draharaham-panjakana voakasika ny vokatra mendrika ny mponina. Mahamenatra fa ao Meksika, amin'ny heloka bevava 100 dia ny 6,4 ihany no taterina ary amin'ny heloka bevava 100 voatatitra, 14 ihany no voavaha, ka miteraka tahan'ny tsimatimanota izay manimba tanteraka ny fahatokisana ny andrim-panjakana sy ny fihetsik'izy ireo. Sasantsasany amin'ireo fanamby iantsorohana amin'ny maha-filohan'ny firenena manana toerana ara-jeografika stratejika eto amin'izao tontolo izao ireo voalaza etsy ambony ireo ary miaraka amin'izay koa dia faritany fandalovan'ireo mpifindramonina avy any atsimo hianavaratra, amin'ny fitadiavana revy Amerikana tsy dia antenaina loatra. Tamin'ny lahateniny taorian'ny fanisana haingana, nilaza i Sheinbaum hoe: “Tsy teto noho izaho aho”, tonga teto isika niaraka tamin'ireo maherifontsika izay nanome tanindrazana antsika, niaraka tamin'ny razambentsika, ny renintsika, ny zanatsika vavy ary ny zafikelintsika vavy.“ 🚢#EspecialElecciones | Agradezco porque por primera vez en 200 años me convertiré en la primera mujer presidenta de México. No llego sola, llegamos todas juntas: @Claudiashein Mira aquí la transmisión en vivo: https://t.co/JTReRehenQ pic.twitter.com/hjuQyNORBf — Julio Astillero (@julioastillero) June 3, 2024 Feno fankasitrahana aho satria sambany tao anatin'ny 200 taona no nisy filoha vehivavy voalohany teto Meksika. Tsy teto noho izaho aho fa miaraka isika rehetra: Ny tena efa zava-misy dia ny hoe hanana filoha VEHIVAVY izahay, ary midika fanatambarana ny fomba fijerin'ny vehivavy sy ny tetipanorom-politika feminista izany rehefa handray ny toerany izy amin'ny volana oktobra, vokatry ny trosa ara-tantara izay toa mbola lavitra ny vahaolana. Mba tsy hanitaran-dresaka, tsy misy voavonjiko afa-tsy ny manantena fa tsy ho diso fanantenana amin'ny andrasanay izahay. Fotoana manan-tantara ity fotoana ity izay antenaina ho tsy hay hadinoin'ireo vehivavy rehetra izay tsy sahy nanonofy ny fotoana tahaka izao tao anatin'ny 200 taona nahafahan'i Meksika — ary ho antsika vehivavy rehetra izay nanaraka sy izay tsy manonofy fotsiny fa mitaky izany ho antoky ny fandraisana anjara ara-politika ao anatin’ny fepetra mitovy. [END] --- [1] Url: https://mg.globalvoices.org/2024/06/17/170121/ Published and (C) by Global Voices Content appears here under this condition or license: https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/. via Magical.Fish Gopher News Feeds: gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/