(C) Global Voices This story was originally published by Global Voices and is unaltered. . . . . . . . . . . Dite Quetta ve? Eny, azafady! [1] ['R Umaima Ahmed'] Date: 2024-06-18 Tsy misy vanim-potoana ny dite ao Pakistàna; misotro dite tena mamay ianao, eny fa na dia ho fandaniam-potoana fotsiny aza. Tato anatin'ny taona vitsivitsy, nipoitra tany amin'ny fon'ireo tanàndehibe tao Pakistàna ireo trano heva fisotroana dite Quetta, nahasarika olona avy amin'ny sarangan-taona rehetra, izay tonga amin'ny fotoana rehetra mandritry ny andro mba hankafy ilay dite. Ny ankamaroany dia lehilahy sy tovolahy no hita betsaka taraiky alim-be mipetraka eny amin'ireny trano heva ireny, mankafy ny fotoana iarahany amin'ireo namana sy fianakaviana. Ny ampahany tsara indrindra dia tsy lafo ny dite Quetta raha mitaha amin'ireo trano hafa fisakafoanana sy “chai” fisotroana kafe. Ny tantaran'ireo trano heva fisotrona dite Quetta Nandritra ireo taona vitsy lasa, lasa nalaza ny dite Quetta noho ny harena ara-kolontsainy sy ny fahaizana mandray vahiny asehon'ireo mponina ao Baluchistan. Toerana iray fihaonana tsara ary fandray ho an'ireo tovolahy izy ireny; manana toerana natokana ho an'ny fianakaviana ry zareo, saingy tsy dia ahitàna vehivavy mandeha irery na andiana vehivavy mipetraka eny amin'ireny trano heva ireny. Raha misy vehivavy tonga eo, tsy misy lehilahy lehibe hiresaka amin-dry zareo, noho ny kolontsaina; fa ireo ankizikely miasa ho an'ilay toeram-pivarotana no alefan-dry zareo manontany izay ilainy. Tonga eny amin'ireny toerana ireny ny lehilahy mba hiresaka momba ny teknôlôjia, na hikarakara fivoriana kely tsy ôfisialy momba ny fandraharahàna, na ‘hanàla azy’ fotsiny izao sy hiala voly aorian'ny asa. Misy angano an-tanàndehibe manao hoe: misy ‘opium‘ (rongony) ao anatin'ny dite Quetta, ary lasa tsy afa-miala ny olona noho ny firafiny sy ny tsirony ary ny hanitra ao anatiny izay mampitolagaga anao mandrakariva. Baluchistan no faritany lehibe indrindra ao Pakistàna, ary araka ny tatitry ny fanisàm-bahoaka tamin'ny 2023, misy vahoaka 14.894.402 ao aminy. Ahitàna fifangaroana foko maro samihafa ao, toy ny Hazara, Pashtoon, Baloch, izay samy manana ny kolontsainy avy. Nandritra ny taona maro, nijaly ara-toekarena sy ara-pôlitika i Baluchistan, isan'izany ny haintany, ary niaina fampihorohoroana, nanery ny mponina hifindra toerana ho any amin'ireo faritany hafa ao amin'ny firenena. Araka ny antontan-taratasin'asa iray an'ny Pakistan Institute of Development Economics (PIDE), nanomboka niala an'ilay faritany ny olona mba ho any amin'ireo tanaàndehibe hafa any amin'ny faritra samihafa ao amin'ny firenena, indrindra fa tany Rawalpindi sy Islamabad, tanàna kambana ao amin'ny renivohitra. Tany ry zareo no nanomboka nametraka ny tranohevan'ny dite nalahatra tamin'ireo dhabas sy “cafés”. Na teo aza ireo olana marobe notanisaina tetsy ambony, tonga tamin'ny fotoana naha-kofona azy ihany ny tsenan'ny trano heva fisotroana dite, nahatonga ireo lehilahy Pashtoon tsy hanan-tsafidy afa-tsy ny mifindra toerana. Rehefa nandeha ny fotoana, nentin-dry zareo ihany koa ireo namana sy fianakaviana. Toekarena tsy mivoaka faritra no nampiharin-dry zareo, tamin'ny fifandimbiasana manao ny asa eny amin'ireo trano heva fisotroana dite rehefa lohataona sy ririnina, ary mandritra ny enim-bolana avy, izay mitahiry ny fifandraisan-dry zareo ihany koa amin'ny fianakaviany. Mahavariana ny mahita ny fomba fiparitahana ara-statejikan'ireny trano heva ireny any amin'ireo tanàna kely sy ireo tanàndehibe be mponina any amin'ny faritanin'i Punjab sy Sindh, samy manana ny fihetsehana ara-kolontsaina mampiavaka azy manokana ny tsirairay. Ao Punjab, na misy aza trangam-panavakavahana ara-poko, misy fahatsapana firaisankina sy fiarahana miasa miavaka eny anivon'ny olona rehefa hoe fandraharahàna no resahana. Toa nihoaran'ny vondrom-piarahamonin'ny fandraharahàna ao Punjab ny fisamantsamahana ara-poko fa ifantohany kokoa ny fisandratana sy ny tombontsoa ara-toekarena iraisana. Mifanohitra amin'izany, ny toedraharaha ao Sindh izay maneho fifanoherana be. Any, niteraka resabe ny fipoiran'ireny trano heva ireny, indrindra fa any amin'ireo faritra anatiny. Tsy dia tsara ny fandraisana nasehon'ireo mpandàla ny nentin-drazana mipetra ao an-toerana ao Sindh, ka toy ny loza manambana ny fahamarinan-toeran'ny foko ao anatin'ny fiarahamonin-dry zareo no fijerin-dry zareo ny fitobahan'ireny mpandraharaha ara-toekarena ireny. Niteraka fifanenjanana hatramin'izao izany, misy ireo vondrona avy eo an-toerana tsy mitsahatra ny manohitra sy manosi-bohon-tànana an'ireo vao tonga. Ilay fanoherana dia mifàka lalina ao anatin'ny tahotra sy ny ahiahy momba ny ho fiovàn'ny kolontsaina ary ny demôgrafia, nitondra ho amin'ny fisian'ny korontana sy fanoherana mitohy, nofaritana an'ohatra ho tafio-drivotra anaty kaopin-dite ilay izy. Asongadin'io fanoherana io ny fifaneraserana saropady misy amin'ny resaka foko sy kolontsaina izay mitondra dindo ngeza be amin'ny hetsika ara-toekarena sy ny fiatiana ara-tsôsialy ao amin'ilay faritra. Any amin'ny faritany iray hafa, Khyber Pakhtunkhawa, tsy dia maro ny trano hevan'ny dite Quetta satria ry zareo manana ny trano heva manokan-dry zareo ho an'ny dite Swat. Dité nahotrika vs dite Quetta Nitombo tao anatin'ny fisotroana dite nihotrika sy mahery aho, nasiana ronono, avy eo aho nifindra nankany amin'ireo dite anaty fonosana mba tsy handany fotoana loatra. Noho ny resaka fahadiovana, tsy nahasarika ahy velively ny dite Quetta, aroso anaty kaopy kely na vera, noho ny kaopy kely asosa fotsiny anaty tavin-drano sy mibanaka tsy misarona. Na izany aza, araka ny filazan'ny olona, tsy maintsy manandrana azy in-dray mandeha ianao mba hahafantaranao ny tsy fantatrao. Io dite be ronono nefa marihitra io, izay mibahan-toerana ao aminy ny fofona cardamom, dia mahavita zava-mahagaga mandritra ny andro iray lavabe sy manasatra. Ireny trano heva ireny dia mandroso ihany koa ny kahwah, fantatra ihany koa amin'ny hoe “dite maitso,” andrahoana miaraka amina ahitra sy tsiro maro hafa ary aroso miaraka amin'ny jaggery. Ny zavatra iray hafa mahaliana dia ny fàtana ampiasain-dry zareo hikarakarana ilay dite. Takelaka mivelatra voalavadavaka ary avy ao ambaininy no asiana ny afo. Eo amboniny no apetraka ny jaogy iray hampangotrahana ny dite. Samy manana anarana tsy itoviany ireo tranoheva rehetra, fa ity tranoheva iray miavaka ity no notsidihako, “Quetta Chai Paratha” no anaran'ny marika entiny eo amin'ny takelaka iray miloko maitso mba tsy hahafahan'ny olona maka tàhaka azy. Manana trano fivarotana maro ao Lahore ny tompony, mandroso dite sy paratha 24 ora/7 andro. Ny fomba fikarakaràna ny dite Quetta Mampangotraka rano dia arotsaka ny “cardamom” arakaraky ny isan'izay dite ho aroso. Vantany vao mangotraka ny rano dia alefa ny ravina dite ary avela hangotraka eo roa minitra indray. Avy eo, arotsaka ny ronono sy siramamy mavo, dia avela hiketrika eo ambony afo malefaka mandritra ny 5 minitra indray. Rehefa vita, dia tantavanina ny dite ary sotroina. Fanamarihana: Mety hiovaova arakaraky ny olona mikarakara azy ireo dingana ireo. Ny an'ny olona sasany ny ronono no arotsaka aloha, avy eo vao ny ravina dite, na ampiarahana arotsaka ny ronono sy ravina dite. Ao anatin'ity lahatsary ity YouTube, an'i Kun Foods, hazavainy ny dingana (amin'ny fiteny Urdu): Ireny tranoheva fisotroana dite ireny dia fantatra ihany koa amin'ny fandrosoany ny parathas tsara indrindra (mofo fisaka nampiasàna menaka maivana). Indraindray, sesehana ovy na hena voatetika ny parathas. Miaraka amin'ny fivoaran'ny fomba fiaina sy ny ora iasàna, zavatra iray ilaintsika amin'ny fotoana rehetra ny sakafo. Rehefa mikatona daholo ny zava-drehetra amin'ny misasakalina, na ianao mandeha mitety ireo faritra ambanivohitra na tanàna kely, dia fanavotan'aina ho anao ireo tranoheva fisotroana dite Quetta — tsy vitanao ny handeha hamonjy fandriana anaty hanoanana, na handeha hanao dia lavitra miaraka amin'ny kibo foana! [END] --- [1] Url: https://mg.globalvoices.org/2024/06/18/170133/ Published and (C) by Global Voices Content appears here under this condition or license: https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/. via Magical.Fish Gopher News Feeds: gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/