(C) Global Voices This story was originally published by Global Voices and is unaltered. . . . . . . . . . . Mihiakiaka i Nouvelle-Calédonie, ‘Azo ifanarahana ny zava-drehetra, ankoatra ny fahaleovantena’ [1] ['Mong Palatino'] Date: 2024-06-18 Mbola henjana ny toe-draharaha ao Nouvelle-Calédonie, zaratany frantsay ampitan-dranomasina, iray volana taorian'ny nipoahan'ny hetsi-panoherana sy rotaka ho setrin'ny fandaniana volavolan-dalàna iray tao amin'ny Antenimieram-pirenen'i Frantsa izay mety hanamaivana ny fahefam-pifidianan'ny [mg] mponina teratany Kanak. Olona sivy no efa namoy ny ainy, ary polisy sy zandary 212 no naratra, olona maherin’ny 1.000 nosamborina na voampanga, ary mpizahatany sy mpitsidika 2.700 no nampodiana. Nitarika fandrobana sy fandorana tranombarotra ny rotaka ary tombanana ho 200 tapitrisa dolara ny fahavoazana ara-toekarena naterak‘izany. Tombanana ho 7.000 ny asa very. Tonga tamin'ny 23 Mey ny filoha frantsay Emmanuel Macron mba hampitsahatra ny fihenjanana ao amin'ny faritr'i Pasifika saingy tsy nahatohitra ny korontana ny fitsidihany fa zara raha nampiato fotsiny ny fampiharana ilay volavolan-dalàna fa tsy namaly ny fitakiana fifampiresahana momba ny fizotra ialàna amin'ny fanjanahantany. Nametraka miaramila 3.000 fanampiny koa izy mba hamerenana ny fandriampahalemana sy ny filaminana izay vao mainka nahatezitra ny mponina tao an-toerana. Vakio koa : Referendum sy rotaka ao Nouvelle-Calédonie [mg] Nanameloka ny fanapahan-kevitr'i Frantsa handefa miaramila fanampiny any Nouvelle-Calédonie ny vondrona Pasifika: These measures can only perpetuate the cycle of repression that continues to impede the territory’s decolonisation process and are to be condemned in the strongest terms! The pace and pathway for an amicable resolution of Kanaky-New Caledonia’s decolonisation challenges cannot, and must not continue to be dictated in Paris. Tsy manao afa-tsy ny mampandeha ny tsingerim-pamoretana ireo fepetra ireo izay manohintohina ny fizotram-pialàna amin'ny fanjanahantany ao amin'ny faritany ka tokony hohelohina amin'ny teny mahery vaika indrindra! Tsy afaka ary tsy azo tohizana hobaikoana avy any Paris ny halaky sy ny lalana mankany amin'ny famahana am-pinamanana ny fanamby fialàn'i Kanaky-Nouvelle-Calédonie amin'ny fanjanahantany. Notabatabain-dry zareo ihany koa ireo mpiasam-panjakana frantsay sy ireo mpiandany aminy noho ny fanomezan-tsiny ny fikomiana ho avy amin'ny hery mpomba ny fahaleovantena irery ihany. Whilst local customary, political, and church leaders have deplored all violence and taken responsibility in addressing growing youth frustrations at the lack of progress on the political front, loyalist voices and French government representatives have continued to fuel narratives that serve to blame independence supporters for hostilities. Na dia nidradradradra noho ny herisetra rehetra aza ireo mpitarika fomban-drazana, ara-politika ary ny fiangonana teo an-toerana ka nandray ny andraikiny tamin'ny famahana ny olan'ny fahasosoran'ny tanora noho ny tsy fisian'ny fandrosoana eo amin'ny lafiny politika, dia tohizan'ireo matoky an'i Frantsa sy ny solontenan'ny governemanta frantsay ny fandrehetana afo manao izay anomezana tsiny ny mpanohana ny fahaleovantena ho (mitarika) fifandrafesana. Nampahatsiahy i Joey Tau ao amin'ny Tambajotran'i Pasifika momba ny Fanatontoloana fa nitarika fifandonana mahery vaika nandritra ny andian-taona 1980 ihany koa ny fomba fiasa mahery vaika nataon'i Frantsa izay niafara tamin'ny famolavolana fifanarahana fandriampahalemana. The ongoing military buildup needs to be also carefully looked at as it continues to instigate tension on the ground, limiting people, limiting the indigenous peoples movements. And it just brings you back to, you know, the similar riots that had in before New Caledonia came to an accord, as per the Noumea Accord. It's history replaying itself. Tokony hotandremana tsara ihany koa ny filàna ara-miaramila satria miteraka disadisa ao an-toerana, mametra ny olona, ​​mametra ny fivezivezen'ny vazimba teratany. Ary mamerina anao fotsiny izany mankany amin'ireo korontana mitovy amin'izay nitranga taloha tao Nouvelle-Calédonie mandra-pahatonga ny fifanarahana, lazaina ho fifanarahan'i Noumea. Mamerina ny tantara izany. Noresahana tao amin'ny komity manokana C-24 an'ny Firenena Mikambana momba ny fialàna amin'ny fanjanahantany tamin'ny 10 Jona ny toe-draharaha any Nouvelle-Calédonie. Nandray fitenenana tao amin'ny fivoriambe ny Reverand James Shri Bhagwan, sekretera jeneralin'ny Fihaonamben'ny Fiangonana Pasifika, ary niampanga an'i Frantsa ho tsy niraharaha ny fitakian'ny ny mponina vazimba. France has turned a deaf ear to untiring and peaceful calls of the indigenous people of Kanaky-New Caledonia and other pro-independence supporters for a new political process, founded on justice, peaceful dialogue and consensus and has demonstrated a continued inability and unwillingness to remain a neutral and trustworthy party under the Noumea Accord. Nanampin-tsofina i Frantsa tamin'ny antso tsy reraka sy am-pilaminana nataon'ireo vazimba teratany Kanaky-Nouvelle-Calédonie sy ireo hafa mpanohana ny fahaleovantena hanao dingana politika vaovao, miorina amin'ny rariny, ny fifampiresahana am-pilaminana ary ny marimaritra iraisana sady naneho ny tsy fahafahany sy ny tsy fahavononany tsy hiandany sy ho azo itokisana amin'ny fifanarahan'i Noumea. Manahy i Philippe Dunoyer, iray amin'ireo Nouvelle-Calédoniana roa mitana toerana ao amin'ny Antenimieram-pirenena frantsay, fa mety hanakona ny vaovaon'ny toe-javatra any amin’ity zaratany Pasifika ny fandravana ny parlemanta, ny fifidianana mialoha ny fotoana nambaran'i Macron vao haingana, ary ny fampiantranoana ny Lalao Olaimpika any Parisy. This period will probably not allow the adoption of measures which are very urgent, very important, particularly in terms of economic recovery, support for economic actors, support for our social protection system and for financing of New Caledonia. Mety tsy hamela ny fandraisana fepetra izay tena maika, tena ilaina, indrindra amin'ny lafiny fanarenana ara-toekarena, fanohanana ireo mpisehatra ara-toekarena, fanohanana ny rafitra fiarovana ara-tsosialy eto amintsika ary ny famatsiam-bola an'i Nouvelle-Calédonie ity vanim-potoana ity. Nofintinin'i Mélanie Atapo, mpitarika sendikàly ny fihetseham-pon'ireo mpanao fihetsiketsehana manohana ny fahaleovantena izay nilaza tamin'ny manampahefana frantsay fa “tsy afaka mifampiraharaha ianao raha voambana basy amin'ny lohanao” ary “azo ifanarahana avokoa ny zava-drehetra, ankoatra ny fahaleovantena.” Nampiany hoe: In any negotiations, it is out of the question to once again endorse a remake of the retrograde agreements that have only perpetuated the colonial system. Today, we can measure the disastrous results of these, through the revolt of Kanak youth. Amin'ny fifampiraharahana rehetra dia tsy azo atao ny misalotra indray ny fifanarahana lany andro tsy manao afa-tsy izay mampaharitra ny rafitra kolonialy. Amin'izao fotoana izao, azontsika atao ny mandrefy ny voka-dratsin'izany, manoloana ny fikomian'ny tanora Kanak. Nandritra izany fotoana izany, tsy mitsahatra ny manitrikitrika ny tolo-keviny ny Pacific Islands Forum mba hanomezana “sehatra tsy miandany ho an'ny antoko rehetra hiara-hivory ao anatin'ny Lalana (Fomba) Pasifika, hitadiavan-dalana nifanarahana irosoana”. [END] --- [1] Url: https://mg.globalvoices.org/2024/06/18/170193/ Published and (C) by Global Voices Content appears here under this condition or license: https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/. via Magical.Fish Gopher News Feeds: gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/