(C) Global Voices This story was originally published by Global Voices and is unaltered. . . . . . . . . . . Fahafinaretana isanandro ho an-dry zareo Bangladeshis ny dite, na zava-tsarotra goavana aza no atrehan'ireo mpiasa eny amin'ny toeram-pambolena [1] ['প ন থ রহম ন র জ', 'Pantha'] Date: 2024-06-19 Tamin'ny 2023, nahavita dingana goavana teo amin'ny famokarana dite i Bangladesh, satria sambany ny famokarany no nihoatra ny 102.9 million kilao. Io no manamarika ny fotoana voalohany nihoarana ny 100 kilao tamin'ny famokarana dite tao amin'ny firenena hatramin'ny nampidiran'ireo Britanika mpanjanaka ny andrana fambolena dite tao amin'io faritra io tany amin'ny 1840. Ny ankabeazan'ny dite vokatra dia jifaina ao an-toerana, vavolombelon'ny fankafizan'ny ao Bangladesh fatratra ny dite. Matetika ankalazaina ny tantaram-pitiavana misy amin'ireo Bangladeshis sy ny dite. Na an-kafaliana, na an-karatsiana dia manaraka an-dry zareo eny foana ny dite. Mazàna ny dite iray kaopy no lasa marika entina maneho fifankahazoana, miaraka amin'ny faniriana hoe “Iriko ny hiara-hipetrapetraka aminao hisotro dite” efa lasa tsianjery iraisana. Mba hiraketana io tena atiny io, misy marika dite iray ao Bangladesh nàka ny tenifaneva hoe “Midika fiainana sambatra ny dite.” Kanefa, ho an'ireo mpiasan'ny dite izay miasa tsy mahalala sasatra mitango ireo ravina mba hamaliana ny filàn'ny tsena, tsy midika fiainana sambatra ny dite. Noho ny sondro-bidim-piainana sy ny fahantràna raiki-tampisaka dia miafy mihinana ravin-dite manta avy ao amin'ny toeram-pambolena ry zareo hataony sakafo, indrindra fa ho an'ny sakafo antoandro eny amperin'asa. Noho ny tsy fahafahany mividy hena sy sakafo, matetika ravin-dite manta no ampiasain-dry zareo ho solon-tsakafo, voaterin'ny filàna fa tsy noho ny safidy. Antsoina hoe “patichakha” io sakafo vita avy amin'ny ravin-dite io. Hevitra mifangaro no aterak'ilay sakafo amoron-dàlana amidy ao amin'ny faritry ny sahan-dite; tia azy ny olona sasany, raha tsy tia kosa ny hafa. Inona ny “patichakha”? 170 Bangladeshi Taka (USD 1.45) no karama isanandro raisin'ireo mpiasan'ny dite ao Bangladesh raha toa ry zareo mahafeno ny fetra fiotàzany ravina 25 kg (55 pounds) isanandro ao amin'ny toeram-pambolena. Amin'izao fotoana izao, niakatra ny vidin-javatra rehetra ilaina eny an-tsena, miaraka amin'ny tahan'ny sondro-bidim-piainana manakaiky ny 10 isanjato. Miaraka amina fidirambola kely tahaka izany, ady sy tolona ny an'ireo mpiasan'ny dite amin'ny fividianana ireo foto-tsakafo toy ny vary, trondro ary hena. Amin'ny ankapobeny dia vao maraina ry zareo no manomboka mioty ravin-dite ary vetivety dia very ny maha-vao ny vary nentin-dry zareo mba hatao sakafo antoandro. Araka izany, ny fikarakaràna sy fihinanana “patichakha” avy amn'ireo ravin-dite vao notangosana dia miasa ho toy ny safidy iray azo antoka sy azo ampiharina. Tsapan'ireo mpiasa ho manampy azy hiady amin'ny havizanana mandritra ireo ora maro iasàny ny ravin-dite manta, noho ny “caffeine” any anatin'ireo ravina. Na izany aza, ny sasany amin'ireo manampahaizana manokana momba ny sakafo dia mampitandrina momba ny fihinànana tsy tapaka ny ravin-dite manta, tamin'ny filazàna fa mety hisy fiantraikany ratsy amin'ny fahasalamàna izany. Nolovain'ireo taranaka fara sy dimby ny haify fikarakaràna sy fihinànana ravin-dite. Somary tsotra ihany ny fomba fikarakaràna ny “patichakha”. Hita amin'izany ny fanodinana amin'ny tànana ireo ravin-dite manta ka afangaro amina potsitr'ovy, tongolobe, sakay maitso voatetika, ary menaka voantsinampy kely. Chef Shikha Pal dia nandefa fomba iray fikarakaràna Patichakha tao amin'ny vovonana Cookpad. Araka ny taridàlany, raha hikarakara Patichakha roa kaopy, mila ianao ravin-dite manta roa sotro, ovy iray nampangotrahina, voatabia voatetika sy tongolobe antsasaka kaopy avy, tongolo lay voatetika (tongolo gasy) antsasaka sotrokely, sira antsasaka sotrokely, sakay maitso voatetika antsasaka sotrokely, cilantro voatetika 1 sotro fihinanana, ary menaka voantsinampy 1 sotro fihinana. Raha hanao Patichakha, tetehana ny ravin-dite manta, tongolobe, sakay, cilantro, ovy ary tongolo lay (tongolo gasy), dia afangaro anaty lovia jobo daholo ireo fangaro rehetra ireo. Tanaty ranty iray tao amin'ny LinkedIn, Abdul Hannan, mpiasa amina orinasa, no nizara ny fomba fahitàny io sakafo io: Na dia tsy nampazoto loatra aza no fahitàko azy, dia mihinana azy isanandro ireo mpiasa. Na eo aza ny fahasahiranan-dry zareo ara-bola izay mazàna manakana an-dry zareo tsy hanisy menaka voantsinampy sy sakay maitso, dia mbola mihinana azy io hatrany ry zareo. Ny antony dia satria ny vidin'ny 1 kilao amin'ny akoho fakàna nofo dia mihoatra ny BDT 200 (USD 1.71) raha ny karaman-dry zareo isanandro kosa mbola mijanona ho BDT 170 (USD 1.45), taloha BDT 120 (USD 1.02). Io no mahatonga ho fanamby goavana na dia ny hividy anana aza. Ho azy ireo, mora kokoa ny mahazo vary in-droan'ny tànana arahana ‘patichakha’ keliklely, toy izay hividy fehezana anana. Ity lahatsary YouTube ity, an'i Saif's World no maneho ny fomba fanamboarana ny Patichakha : Ny indostrian'ny dite ao Bangladesh Afaka zohiana hatrany amin'ny vanim-potoana faha-zanatany britanika ny niandohan'ny fambolena dite tao Bangladesh. Ny sahan-dite voalohany indrindra dia tao amin'ny seranan'ny tanànan'i Chittagong no najoro tamin'ny 1840, rehefa nanomboka tao Sylhet tamin'ny 1857 ny fambolena nitodika tamin'ny varotra. Ankehitriny, manana indostrian'ny dite miroborobo i Bangladesh, ahitàna sahan-dite mihoatra ny 167 anaty velaran-tany 2,79,507 acres (1,131 kilaometatra toradroa), ny maro aminy dia any Sylhet, Habiganj, ary Maulvibazar. Mpiasa miisa efatra alina sy iray hetsy no miasa any amin'ireny saha ireny, mihoatra ny 75 isanjatony amin'izany no vehivavy ary avy amina fianakaviana manana andian-taranaka marolafy nifandimby tamin'ny fambolena dite. Tany amin'ny andian-taona 1860s sy 1870s, ny faritra ao Assam sy Sylhet dia niaina fahombiazana ara-toekarena tamin'ny resaka sahan-dite, nanosika orinasa vahiny maro hampiasa vola tao. Vokany, nanomboka nitombo ny fambolena dite. Niaraka tamin'ny fiitaran'ny saha fambolena dite, niakatra be tokoa ny filàna herim-pamokarana. Nahasarika ireo mpiasa amin'ny dite ireny hirika ireny, izay nifindra monina avy any amin'ireo faritra isankarazany nidonan'ny kere tao India ho any amin'ilay lasa ho Bangladesh amin'izao fotoana izao. Na izany aza, tsy nihatsara ny anjara-masoandron-dry zareo rehefa nanomboka niasa tany amin'ireo toerana fambolena dite. Ao anatin'ny boky “Tantaran'ireo Sahan-dite sy ireo Mpiasa ao Bangladesh,” Riyadh Mahmud sy Alida Binte Saki nanoratra hoe: Toy ny hoe fanànan-dry zareo no niheveran'ireo tompona sahan-dite azy ireny, nofehimpehezin-dry zareo ny fahalalahany ary natetika nafindrafindrany tany amin'ireo saha samihafa. Zara raha navelan-dry zareo nivoaka ny saha izy ireny. Tonga teto mba hitady fiainana tsaratsara kokoa izy ireny, saingy niafara tamina fiainana toy ny figadràna virtoaly. Angamba tsy anaty fonja izy ireo, saingy ny toe-piainany dia tsy nifanalavitra amin'ny an'ireo andevo. Na resaka tsiro, fofona, na hafanàna, dia ilain'ny fiainana andavanandron'ireo Bangladeshis ny dite iray kaopy isanandro! Kanefa, zara raha ren'ny olona ireo vaovao momba ny ady mafin'ireo mpiasan'ny dite, izay voatery mitazona ny ainy amin'ny alàlan'ny fihinanana patichakha. [END] --- [1] Url: https://mg.globalvoices.org/2024/06/19/169766/ Published and (C) by Global Voices Content appears here under this condition or license: https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/. via Magical.Fish Gopher News Feeds: gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/