(C) Global Voices This story was originally published by Global Voices and is unaltered. . . . . . . . . . . Miverina any amin'ny toeram-ponenany voajanahary manan-tantara ao Kazakhstan ny soavaly haolo [1] ['Nurbek Bekmurzaev'] Date: 2024-06-19 Tonga tao Kazakhstan tamin'ny 4 Jona ny soavaly telo an'i Przewalski avy any amin'ny Valam-biby Praha any amin'ny Repoblika Tseky. Heverina ho karazana bibidia farany amin'ny soavaly tsy mbola nofolahin'olombelona ireo soavaly ireo. Nisy soavaly efatra hafa nanampy azy ireo taty aoriana ary avy tany amin’ny Zoo-n'i Berlin ireo, ka lasa fito ny fitambaran’ ireo soavaly haolo: soavaly vavy enina sy soavaly lahy tsy vositra iray. Soavaly lahy tsy vositra iray hafa avy ao amin'ny Valan-javaboaharin'i Praha, tokony ho tonga any Kazakhstan, no narary teny an-dalana ho any amin'ny seranam-piaramanidina ary andrasana ho avy aoriana. Mikasa i Kazakhstan ny hampiditra indray ireo soavaly 40 an'i Przewalski ao anatin'ny dimy taona manaraka. Hiaina an-kijànan'i Altyn Dala (Fatrana Volamena) izay Valan-javaboaharim-panjakana any amin'ny faritra avaratr'i Kostanay ao amin'ny firenena izy rehetra ireo. Ity misy ranty Instagram ahitana lahatsary fampidirana indray ireo soavaly haolo any avaratr'i Kazakhstan. View this post on Instagram A post shared by Zoo Praha (@zoopraha) Lasa dingana lehibe amin'ny ezaka fiarovana ny bibidia maneran-tany ity fisantarana andraikitra ity mba hamonjena ny soavalin'i Przewalski tsy ho lany tamingana sy hamerenana azy ireo indray ao amin'ny toeram-ponenany voajanahary. Talohan’ny naha-lany tamingana azy ireo am-patrana tamin’ny taona 1968, nirenireny nanerana ny fatrana Eorazia nandritra ny an’arivony taona ireo soavaly ireo. Namarana ny fiainan'izy ireo any an-kijàna ny fanitsakitsahana ataon'ny olombelona sy ny biby fiompy ary ny fihazana sy ny fiovan'ny tontolo iainana. Hita 200 taona lasa izay ny soavalin'i Przewalski farany tao Kazakhstan. Maherin'ny 1500 amin'ireo soavaly ireo no tavela eto amin'izao tontolo izao, mipetraka any amin'ny valam-biby sy toerana fampidirana indray any Mongolia, Shina, ary Kazakhstan. Taranak'ireo soavaly haolo 11 nosamborina tany avaratra-andrefan'i Shina tamin'ny fiandohan'ny taonjato faha-20 izy rehetra ireo, ary nentina tany amin'ny valam-biby any Eoropa, izay nanaovana fampiratiana azy ireo voalohany indrindra ary avy eo notezaina fatratra rehefa lany tamingana an-tany haolo. Avy amin'ilay mpahay jeografia Rosiana Nikolay Przewalsky ny anarana soavalin'i Przewalski, izay voalohany nampahafantatra azy ireo tamin'ny vondrom-piarahamonina siantifika Eoropeana rehefa nahita karandoha lehibe tsy dia mahazatra tamin'ny taona 1878 tany amin'ny faritra sisintany eo anelanelan'i Shina sy Mongolia. Nifanehatra tamin’izy ireo an-tany haolo izy tatỳ aoriana, nefa tsy nahavita nisambotra velona sy nitondra iray nody, ka namariparitra azy ireo ho “tena manahy” sy manana “fahatsapana fofona, fahitana ary fandrenesana miavaka”. Ity misy lahatsary YouTube momba ny fampidirana indray ny soavaly haolo ao Mongolia. Fantatra amin'ny hoe “takhi,” izay midika hoe haolo any Mongolia izy ireo. Namoaka didy ny governemanta tany Kazakhstan tamin'ny taona 2024, milaza fa mitondra ny anarana hoe “kerkulan” (helodrano kulan) sy “kertagy” ( helodrano soavaly haolo) ny soavalin'i Przewalski, izay manasongadina ny toetrany bibidia sy ny lokon'ny helodrano be fasika. Misy dikany saimbôlika goavana ny fampidirana azy ireo indray any avaratr'i Kazakhstan. Tany amin’io faritr’izao tontolo izao io, izay niroboroboan’ny kolontsain’ny Botai talohan'ny tantara (préhistoire), izay niompiana voalohany ny soavaly 5 500 taona lasa izay. Milaza ny fikarohana farany fa lasa fitaovam-pitaterana lehibe indrindra ny soavaly 4 200 taona lasa izay, ary nanambara fa nandritra ny an'arivony taona talohan'izay, nampiasaina indrindra tamin'ny ronono sy ny hena izy ireo. Hita taratra any Kazakhstan maoderina ity zava-misy manan-tantara ity, izay mbola itoeran'ny soavaly ho singa fototra amin'ny fiainana andavanandro. Ohatra, ireo zava-pisotro nasionaly iray ny rononon-tsoavaly mamorivory (masirasira) antsoina hoe kymyz, ary singa fototra amin'ny sakafom-pirenena ny henan-tsoavaly antsoina hoe besbarmak. Fanampin'izany, lalaovina an-tsoavaly ny lalao nasionaly, kokpar. Tsy vao voalohany i Kazakhstan no nanandrana namerina ny soavaly haolo. Tamin'ny taona 2003, soavaly Przewalski 10 no nentina tany amin'ny Valan-javaboary Nasionaly Altyn Emel any atsimoatsinanan'ny firenena. Tsy nahomby ny fandaharana, nihena ho dimy ny isan’izy ireo, noho ny tsy fahampian’ny soavaly lahy hamokatra sy hiambina soavaly vavy amin’ny biby mpiremby. Na izany aza, misy ihany koa ny antony tokony hanantenana amin'ny programa vaovao. Ankatoavan'ny maro ho toy ny ezaka fakan-tahaka amin'ny fiarovana ny bibidia ny fahombiazan'i Kazakhstan amin'ny fanavotana antilopa saiga amin'ny faharinganana. Nitombo ny isan’izy ireo, raha latsaka ny 21 000 tamin’ny taona 2003, ka lasa 1,9 tapitrisa tamin’ny taona 2023. Ny antenaina dia ny hahombiazan’ny soavaly kertagy mitovy amin'izany ary hiroborobo eny amin’ireo fatrana nivezivezen'ny razambeny taloha. [END] --- [1] Url: https://mg.globalvoices.org/2024/06/19/170208/ Published and (C) by Global Voices Content appears here under this condition or license: https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/. via Magical.Fish Gopher News Feeds: gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/