(C) Global Voices This story was originally published by Global Voices and is unaltered. . . . . . . . . . . Ahoana no handanjalanjan'i Shina ny fifandraisana amin'ny Rosiana sy amin'ny Eoropeana taorian'ny Vovonan'ny Fandriampahalemana tany Soisa? [1] ['Oiwan Lam'] Date: 2024-06-22 Nifarana tamin'ny fanambaràna iombonana mitaky ny tsi-fivakisan'ny zaratany Okraina ho fototry ny fifanarahana fandriampahalemana ny Vovonan'ny Fandriampahalemana any Okraina, nampiantranoin'i Soisa teo anelanelan'ny 15 sy 16 Jona. Na dia firenena 78 aza no nanao sonia ilay fanambaràna, tsy nasaina i Rosia talohan'ny fihaonana an-tampony, tsy tonga kosa i Shina sy firenena Afrikana maro, tsy nety nanasonia kosa i Brezila, India ary Afrika Atsimo avy amin'ny vondrona BRICS, sy firenena vitsivitsy hafa, anisan'izany i Indonezia, Meksika ary Arabia Saodita. Nohamafisin'izy ireo fa hanimba ny fizotry ny fandriampahalemana ny fanilihana an'i Rosia – fijoroana nampahafantarin'i Shina sy Brezila talohan'ny fihaonana fandriampahalemana any Soisa, izay nanolotra ny fihaonambe iraisampirenena momba ny fandriampahalemana ankatoavina sy atrehin'i Rosia sy Okraina hiresahana ny “drafitra fandriampahalemana rehetra.” Raha hisy ny solo-kaonferansa momba ny fandriampahalemana hotontosaina dia i Shina no azo inoana fa hampiantrano izany, satria ny minisitry ny Raharaham-bahiny Rosiana Sergei Lavrov no nanohana ny fifanarahana. Talohan'ny fifampiresahan'i Soisa, samy nitaona mafy an'i Shina hanatrika ny fivoriana i Etazonia sy ny Vondrona Eoropeana. Nanaiky ny Filoha Okrainiana Volodymyr Zelenskyy tsy hiresaka ireo olana saro-pady toy ny fisintonana ny tafika Rosiana tao amin'ny zaratany Okraina sy hametra ny fandaharam-potoana amin'ny fiarovana nokleary, ny fiarovana ara-tsakafo ary ny olana hafa momba ny maha-olona, ​​izay tafiditra tao amin'ny tolo-kevitr'i Shina sy i Brezila. Na izany aza, niangavy mafy ny hanatrehan'i Rosia ho fandraisany anjara i Shina, ary voalaza fa nampahafantatra ireo firenena an-dalampandrosoana maromaro i Shina fa “hanitatra ny ady” ny fivoriana ao Soisa. Manoloana izany toe-javatra izany, niampanga an'i Shina ho nanampy an'i Rosia hanakorontana ny fihaonana momba ny fandriampahalemana tamin'ny fiandohan'ny volana Jona i Zelenskyy. Nihaika ny “fijoroana tsy miandany” an'i Shina ihany koa izy tamin'ny fanambaràna fa hitan'ny sampam-pitsikilovana Okraina fa “misy singa amin'ny fitaovam-piadian'i Rosia avy any Shina”, nandà izany fiampangana izany i Shina. Raha mbola nanohy nitaky fifanakalozan-kevitra hafa momba ny fandriampahalemana i Shina ary nilaza fa firenena maherin'ny 100 no manohana ny tolo-keviny momba ny fandriampahalemana, tsy manana marimaritra iraisana amin'ny fifanakalozan-kevitra i Rosia sy i Okraina. Talohan'ny Fihaonambe Soisa tamin'ny 13 Jona, namarana ny fifanarahana tamin'ny hanomezana famatsiam-bola 50 lavitrisa dolara amerikana ho an'i Okraina ny G7, amin'ny fanagiazana ny fananan'i Rosia any amin'ny firenen-dry zareo. Ny ankatoky ny Fihaonambe, nanome fe-potoana farany ny filoha Rosiana Vladimir Putin tamin'ny filazana fa hampitsahatra ny ady i Rosia raha manaiky ny hiala amin'ny tetikasany hiditra ao amin'ny OTAN i Kyiv sy hanome faritany efatra atsinanana sy atsimo ho an'i Rosia. Nanao fanambaràna avy eo ny Vovonana Soisa fa ny tsi-fivakisan'ny faritanin'i Okraina no fototry ny fifanarahana fandriampahalemana. Taorian'ny Fihaonamben'i Soisa, nandrisika an'i Shina i Zelenskyy mba hanaja ny tsi-fivakisan'ny zaratanin'i Okraina ary nanantitrantitra izy fa i Putin irery no fahavalon'i Okraina ary tiany ho namana i Shina: We respect China and have always respected the territorial integrity and sovereignty of your country. All we wanted was for China to respect Ukraine's territorial integrity and our sovereignty. We respect your people, your values, your lives and your choices. And we would like China to do the same, nothing more. We would like it to do no less.[…] As for China, Ukraine has never said that China is our enemy. […] I always say that Ukraine has only one enemy – Putin. As for friends, I believe that friends are those who help when things are difficult. And I would like China to be a friend to Ukraine. [END] --- [1] Url: https://mg.globalvoices.org/2024/06/22/170242/ Published and (C) by Global Voices Content appears here under this condition or license: https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/. via Magical.Fish Gopher News Feeds: gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/