(C) Global Voices This story was originally published by Global Voices and is unaltered. . . . . . . . . . . Fanombohana fanadihadiana mba hisarihana ireo vehivavy mpanao gazety ho any amin'ny vatsim-piofanana ao Borkina Fasô, Senegaly ary Tôgô [1] ['Jeslyn Lemke'] Date: 2024-06-22 Rtoa Sira Sow, mpanao gazety, mipetraka manoloana ny fandraisampeo maitso iray ao amin'ny efitrano fandraketana ao amin'ny vohitra iray tena mahamay ao ambanivohitr'i Senegaly. Mampiasa ny wolof [fr], ny fiteny ao an-toerana izy tao amin'ny fampielezampeon'ny vondrom-piarahamonina La Laghem FM , ary ny feony dia nanakoako tany anaty fiarakaretsaka, tokantrano, magazay sy ny findain'ireo mponina an-jatony tao amin'ny faritr'i N'Dofane. Resahany ny ady amin'ny herisetra noho ny fanavakavahana noho ny maha-lahy na maha-vavy, ary niombona hevitra taminy ny imam ao an-toerana izay nitafàny ho an'ilay fanadihadiany. Tsy ankasitrahan'ny Korany, ilay boky masin'ny Silamo, ny herisetra atao noho ny maha-lahy na maha-vavy, hoy izy. Marobe ny sofina nandre ilay fandaharany tao amin'ny fampielezampeo tamin'io andro io, satria marobe ireo mponina no tsy miteny afa-tsy wolof ary tsy afaka ny hahazo torohay afa-tsy amin'ny alàlan'ny media am-bava toy ny fampielezampeo. Indraindray ao Senegaly, mifanehatra amin'ireo niharan'ny herisetra izahay, indrindra fa vehivavy tena mbola tanora, saingy ao anatin'ny kolontsainay, na niharam-boina aza ianao, indraindray ianao misalasala hitoroka ilay herisetra », hoy ny nambaran'i Sow tao anaty antsafa iray niarahana tamin'ny Global Voices taty aoriana. Sow dia anisan'ny ao anatin'ny vondron'ireo vehivavy mpanao gazety mpisavalàlana mandray anjara amina tetikasa famatsiambola ho ana fanadihadiana, natao ho an'ireo vehivavy mpanao gazety ao Afrika mampiasa sy miteny frantsay. Amin'izao fotoana izao io tetikasa io dia miasa amin'ny fanombohana ny famatsioambola iray ho an'ny asa fanaovan-gazetin'ireo vehivavy ao Afrika Andrefana amin'ny alàlan'ny fanadihadiana iray vaovao sy vondrom-piarahamonina iray vaovao ety an-tambajotra. Ny hetsika fizaràm-baovao miandraikitra io fandaharanasa io, The Africa Women Journalism Project (AWJP) [fr], dia manao fikarohana maro izay ny tanjona amin'izany dia ny hanomboka famatsiambola iray vaovao any amin'ireo firenena miteny sy mampiasa ny frantsay ao Borkina Fasô, Senegaly, ary Tôgô mba hananganana tambajotra-na vehivavy mpanao gazety iraisan'i Afrika, miresaka momba ny olan'ny vehivavy. Navorin'ny fanadihadiana nivantana iray tamin'ny fiteny frantsay sy anglisy tao amin'ny X (Twitter taloha) ireo angondrakitra momba ireo lohahevitra noresahana tany amin'ny efitrano famoaham-baovaon'ireo firenena telo ireo. Miaraka amin'ireny angondrakitra ireny, azon'izy ireo atao ny mamorona fandaharana iray ho an'ireo nahazo vatsy mba hampianarana an-dry zareo ny momba ny fahaizamanao amin'ny asa fanaovana gazety. Ny 27 May, ny AWJP dia nametraka ny #AWJPWACommunity, hakaba iray vaovao anaty aterineto, mba hamondronana ireo vehivavy mpanao gazety manerana an'i Afrika Andrefana mampiasa sy miteny frantsay. Amin'ny alàlan'ny fifandraisana vaovao eo amin”ireo mitovy asa sy fampiofànana isam-paritra dia afaka mampiray ireo vehivavy mpanao gazety io vondrom-piarahamonina io. Amin'ny maha-talen'ny AWJP azy, hazavain'i Catherine Gicheru fa ireo herisetra noho ny maha-lahy na maha-vavy ary ireo olana ara-pahasalamàna ifampitan'ny reny sy ny zaza am-bohoka dia lohahevitra lehibe mahakasika ny vehivavy any amin'ny firenena rehetra ao Afrika. Ireo vehivavy mpanao gazety mandrakotra ireny lohahevitra ireny, teratany avy ao Benin na Tôgô, no mitondra ho an'ny efitrano famoaham-baovao ny fahalalàna tena mampiavaka ny eny ifotony, miainga avy amin'ny kolontsainy tsirairay avy. Ny fitambaran'ireo fahalalàna avy eny ifotony nentin'ireo mpanao gazety tsirairay momba ny olan'ny vehivavy – toy ny herisetra mifototra amin'ny maha-lahy na maha-vavy ao Senegaly raha mitaha amin'i Nizerià – dia afaka manatevina laharana amin'ny fanatsaràna sy fanamafisana ny fitantaràna ifandrimbonana. Ahoana no ahafahantsika mampivondrona ireo mpanao gazety avy ao Senegaly, Ghana ary Tanzania izay angamba miasa amina lohahevitra mitovy? Mitovy ny olana ; mety ho tsara kokoa ny fanadihadiana raha toa ifampizarantsika ny fomba fandraisantsika io olana io; olana iraisana ny antsika», hoy ny nambaran'i Gicheru tamin'ny Global Voices nandritra ny antsafa iray tamin'ny fiandohan'ny Aprily. Nahita fahombiazana goavana ny fandrakofam-baovao teny anivon'ireo vahoaka any ifotony nataon'ireo tranainy nahazo famatsiambola avy ao amin'ny AWJP, ny sasany tamin'ireo nahazo famatsiambola dia nahazo loka goavana. Ilay vehivavy nizeriàna mpanao gazety ary nandray vatsy fahiny avy amin'ny AWJP, Fadare Titilope, dia namoaka fehezan-dahatsoratra nisy fiantraikany momba ny fanimbinana ny taovam-pananahan'ireo vehivavy (MGF) tao anatin'ilay gazety nizeriàna « Premium Times », izay nahazoany ny loka nasiônaly nizeriàna ReportHer tamin'ny 2023. Nahazo tombony tamin'ny fanohanana naharitra volana maro izy, sy ny fanoratana lahatsoratra avy amin'ilay mpiahy azy tao amin'ny AWJP, ilay vehivavy nizeriàna mpanao gazety, Vanessa Offiong, izay nambaran'i Offiong fa rehefa niasa izy niaraka tamin'ireo nahazo vatsy avy amin'ny AWJP tao Nizerià, dia nanampy ireo toniandahatsoratra tao Nizerià hahatakatra ny tontolo ara-kolontsaina nizeriàna. Ohatra, ilay fomba fanao nizeriàna manao hoe ny reny sy ny rafozam-bavy mandeha mitsidika ny zanaka vavy avy niteraka dia antsoina hoe omugwo, saingy samihafa be izy io any amin'ny an'ny faritra avaratra sy ny faritra atsimon'ny firenena. Tsy maintsy omeko io kazarana vaovao avy eny ifotony io… Nambarako azy ireo [tamin'ireo toniandahatsoratry ny AWJP] fa io fomba fanao omugwo io dia miova arakaraky ny kolontsaina tsirairay ao Nizerià. Io izany dia tranga iray izay nahavonona ny AWJP hihaino ahy », hoy ny nambaran'i Offiong tao anaty antsafa iray nataony ho an'ny Global Voices avy any Lagos. Ny AWJP dia santatr'andraikitra iray natombok'i Catherine Gicheru tamin'ny 2020 nandritra ny valanaretina COVID-19, niaraka tamin'ny famatsiambolan'ny Ivontoerana Iraisampirenena ho an'ny Mpanao Gazety (ICFJ). Tamin'izany fotoana izany, Gicheru dia Knight Fellow tao amin'ny ICFJ miorina ao Kenya. Ny tanjon'ny AWJP dia ny hanome vatsy andiana vehivavy mpanao gazety mba handrakotra vaovao momba ny fiantraikan'ny COVID-19 tamin'ireo vehivavy sy ny ankizy tany amin'ireo vondrom-piarahamonina marefo tany amin'ireo firenena samihafa ao Afrika. Nisy ireo vehivavy mpanao gazety avy any Ogandà, Ghana, Kenya, Nizerià ary Tanzania niasa tamin'ny naha-mpisitraka vatsy azy ary nahazo fanarahamaso avy amin'ny AWJP. Raha hiverenantsika ny fandaharan'i Sow tany amin'ireo faritra ambanivohitr'i Senegaly tamin'iny taona lasa iny: ny fanadihadiany dia nalefa tao amin'ny La Laghem FM ary nitatitra momba ny faharavàn'ny fahanginana manodidina ny herisetra an-tokantrano sy ny fampiasan-kery any anatin'ny kolontsaina nentindrazan'ny senegaly. Amin'ny fiteny wolof, ny fomba filaza hoe « tsy fiampangàna » na « tsy fisiana fanambaràna » dia ndeup neupal (tononina hoeé « n-puh n-puh »). Nalefa tamin'ny fiteny frantsay sy wolof ilay fanadihadiana nataon'i Sow mba handonana olona maro kokoa, satria ny fomba fiteny hoe “ndeup neupal” dia misy dikany goavana kokoa ara-kolontsaina ho an'ireo mponina am-bohitra ao an-toerana tsy mahay miteny frantsay. Tovovavy iray niharan'ny herisetra nataon'ny dadatoany no nifampitafàny. Nampidirin'i Sow ireo tafa nifanaovany tamina « olona iray manankaja », izay patriarka toavin-teny ao an-toerana, hajain'ny vondrom-piarahamonina na ilay vohitra, ary koa tamina miozolmàna iray mpitarika (imam) ao an-toerana, sy mpitsabo iray. Ilay imam dia voatanisa ho manohitra mafy ny herisetra atao amin'ny vehivavy, tamin'ny fanamafisany fa ny Korany dia tsy manohana ny herisetra an-tokantrano sy ny fampiasan-kery. Ho an'i Sow, ny fandravàna ireny fadifady ara-kolontsaina ireny dia nahafahan'ny fandaharany an'onjampeo hisy akony teny amin'ireo fikambanana vondrom-piarahamonina manohana ny vehivavy ao amin'ny faritra misy azy. Tena nankasitraka be tokoa « ireo olona manankaja». Satria hitan-dry zareo fa notontosaina tao anatin'ny tontolon'ny kolontsainay senegaly ilay famokarana… nomenay voninahitra ny kolontsainay tao anatin'ilay fandaharana ary tena tia an'izany tokoa ireo « olona manankaja ». Nasehonay fa tsy ankasitrahana ao anatin'ny kolontsainay senegaly ny herisetra, eny fa na ny finoanay aza. Betsaka ny tamberina miabo azonay momba io lahatsoratra io », hoy i Sow. Afa-po tamin'ny fiantraikan'ilay fandaharany i Sow . Ireo vehivavy manao asa an-tsitrapo ho an'ny fikambananay ara-pahasalamana ho an'ny vondrom-piarahamonina eny ifotony [« Badianou Guokh »] izay manampy ireo vehivavy, indrindra fa ho an'ny fahasalam'ny reny sy ny zaza… dia nifandray taminay ary nampita ireo fanehoankevitra tena miabo », hoy i Sow. Taorian'ny nandrenesana ilay fandaharany tao amin'ny fampielezampeo, nilaza i Sow fa nitanisa izany ireo mpirotsaka an-tsitrapo avy amin'ny Badianou Guokh nandritra ny asa fanentanana nataon-dry zareo teny an-dalambe tamin'ireo vehivavy bevohoka sy ireo reny mampinono. Ny vatsy omena ho an'ny fanadihadiana atao amin'izao fotoana izao eny anivon'ireo mpanao gazety mampiasa ny fiteny frantsay dia avy amin'ny New Venture, tahirimbola iray ho fampandrosoana ny medià. Noho ny vokatra azon'ilay fanadihadiana momba ireo sakana atrehan'ireo vehivavy mpanao gazety any amin'ireo firenena afrikàna telo mampiasa ny fiteny frantsay ireo, antenain'i Gicheru ny hahazo vatsy bebe kokoa ho entina manomboka ilay vatsim-pianarana ho an'ny asa fanaovana gazety. Mipetraka ny fanontaniana iray momba ilay fanadihadiana: Ny sasany amin'ireo efitrano famoaham-baovao dia manana ny politikany amin'ny matoandahatsoratra (taridàlana mifehy sy manova ny fandrakofam-baovao). Mitanisa taridàlana ho an'ny fanehoana ireo vehivavy any anaty lahatsoratra na an-tsary ve ny pôlitikan'ny matoandahatsoratry ny efitrano famoaham-baovao iasànao? Ny fandraisana an-tànana ara-kolontsaina ireo vehivavy – amin'ny maha-toniandahatsoratra azy, fa koa ny fanehoana an-dry zareo any anatin'ny fandrakofana ny vaovao manerana an'i Afrika – no ivon'ny nofinofin'i Gicheru ho an'ireo nàmany ao amin'ny AWJP. « Misy ve habaka iraisan'i Senegaly, Tôgô ary Borkina Fasô, na misy ve fanamby tokana ? … Mety ny fikarohana no hilaza amintsika hoe misy olana maro hafa », hoy i Gicheru. [END] --- [1] Url: https://mg.globalvoices.org/2024/06/22/170280/ Published and (C) by Global Voices Content appears here under this condition or license: https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/. via Magical.Fish Gopher News Feeds: gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/