(C) Global Voices This story was originally published by Global Voices and is unaltered. . . . . . . . . . . Hamantatra an'i Kensa Broadhurst: Fanontaniana&Valiny niarahana tamin'ny mpikatroka iray ho an'ny fiteny Kôrnika [1] ['Rising Voices'] Date: 2024-06-22 Mihamitombo ny fahitàna ny fahasamihafàn'ny fiteny ao Eorôpa eny anaty tambajotra, toerana itrandrahan'ireo mpiteny ny fiteny vitsy an'isa sy fitenim-paritra ireo fitaovana nomerika mba hitahirizana, hampahafantarana ary hanomezana aina vao ny lovan'ny fitenin-dry zareo. Anatin'io fomba fisaina io, ny fanentanana an-tambajotra @EuroDigitalLang ataon'ny Rising Voices dia nikarakara kaonty X mihodina (Twitter taloha). Eto, ireo mpikatroka ho an'ny fiteny sy ireo mpanao adisisika no mitantara ny tantara manokan-dry zareo amin'ny fomba filàzany azy, mirotsaka an-tsehatra mivantana mifandray amin'ny mpamakiny sy mizara ireo fanamby mitohy ary hatramin'ireo fahombiazany. Ao anatin'ity antsafa tamin'ny alàlan'ny imailaka ity, taorian'ny nahazoany ny ‘doctorat’ tao amin'ny Anjerimanontolon'i Exeter dia niresahan'ny Rising Voices ilay hampiantrano izany ato ho ato, Kensa Broadhurst, izay mpiaramiasa mpikaroka no sady miasa ihany koa ho an'ny fiteny Kôrnika. Azonao atao ny manaraka an'i Kensa ao amin'ny X amin'ny @kensabroadhurst. Izy no mpitantana ny kaonty @EuroDigitalLang mandritra ny herinandron'ny 3–9 Jona 2024. Nohavaozina mba ho fohy sy mazava ity antsafa ity. Rising Voices (RV): Azafady, mba lazalazao anay ny momba anao sy ny asanao mifandraika amin'ny fiteny. Kensa Broadhurst (KB): Mampianatra ny fiteny Kôrnika aho ao amin'ny Anjerimanontolon'i Exeter ary Mpitarika ny Fiteny Kôrnika ho an'ny Ivontoerana Fianarana ny Kôrnika. Anisan'ny ao amin'ny vaomieran'ny Kesva an Taves Kernewek, Filankevitry ny Fiteny Kôrnika, ka andraikitro ny fampianarana ary izaho dia iray amin'ireo mpanadina amin'ny fanadinana an'ireo fitenin'ny vondrom-piarahamonina karakarain'ilay filankevitra. Anatin'io asa an-tsitrapo io, mikarakara fotoam-panofanana aho ho an'ireo mpampianatra ny fiteny Kôrnika mitazona ny kilasy tsirairay aho, na izany ifanatrehana, na anaty aterineto, ary ho an'ireo mpianatra manerana ny Cornwall sy izao tontolo izao, ary hatramin'ny fanaovana fampianarana an-tsitrapo koa. Anatina tarika kely iray aho, izay manoratra sy mamaky ny vaovao amin'ny fiteny Kôrnika ao amin'ny BBC Radio Cornwall — azonareo atao ihany koa ny mijery ny fandaharam-potoananay ao amin'ny BBC Sounds ; tadiavo ny hoe “An Nowodhow.” RV: Ahoana ny toeran'ny fiteninareo amin'izao fotoana izao, na anatiny na ivelan'ny aterineto? KB: Raha ny marina dia tena nanome vahana tokoa ny Kôrnika ny valanaretina COVID-19. Rehefa nikisaka ho an-tserasera ny zavatra rehetra, isan'izany ireo lesona rehetra mifandraika amin'ny vondrom-piarahamonina, dia nidika tampoka teo fa lasa azo noraisina an-tserasera ho an'ny rehetra ireo lesona Kôrnika, tsy ireo olona izay nanana fahafahana namonjy fianaran-kariva tao Cornwall, Londona na Bristol fotsiny. Ao Aostralia sy Etazonia no tena misy ireo Kôrnika am-pielezana, ary amin'ny maha-vondrom-piarahamonina iray anay, dia vitanay tamin'izany ny nanakatra ireo olona nanana lova Kôrnika sy nampianatra an-dry zareo ilay fiteny. Ankehitriny, misy manerana an'i Cornwall ny fianarana ifanatrehana, fa anaty aterineto ihany koa, ary notandremanay ny hitazonana io tolotra io — na amin'ny endrika kilasy nahazatra, fa koa amin'ny maha-habaka ho an'ny fiteny, indrindra fa ny Yethow-an-Werin (fifamondronana) izay anasiana tsindrimpeo manokana ny fampiharana ilay fiteny. Manodidina ny 3.000–5.000 eo ny olona manerana izao tontolo izao manana fahalalàna sahaza ny fiteny Kôrnika, ary angamba 500 eo ireo mpiteny tsy miambakavaka. RV: Inona no mandrisika anao hanao izay hahitàna ny fiteninareo eny anaty habaka nomerika? KB: Tiako ny nahita ny fomba fampiasàna ny habaka nomerika nahafahan'ny fiteny Kôrnika nanakatra mpihaino vaovao sy ireo izay tsy afaka ny niditra tamin'ny fitenin-dry zareo tany aloha tany. Ireo olona mahita hoe ampahany amin'ny lova ara-kolontsain-dry zareo ny Kôrnika dia afaka hahatsapa ho isan'ny ao anatin'ilay vondrom-piarahamonina an-tambajotra, ary ny tsirairay dia afaka mirehareha fa hita ary manana ny lanjany anaty tambajotra ny fiteny Kôrnika. Amin'ny maha-vondrom-piarahamonina, vitanay ny mampiroborobo ny fiteny Kôrnika, fa ilainay koa ny mitrandraka ny fampiasàna ireo habaka nomerika hanampiana koa amin'ny fitahirizana ny fiteninay. Afaka mampiasa ny habaka nomerika izahay mba hahatonga ny fiteny Kôrnika ho takatry ny rehetra, isan'izany ireo mpianatra manana filàna fanampiny — zavatra iray tena tiako ho hita trandrahanay sy hitarinay. Farany, ny habaka nomerika ary ny maha-talaky maso ety anaty nomerika dia ahafahanay mampiroborobo ny fiteninay, ny hamaroam-piteny ara-tantara sy ny ankehitriny ao anatin'ny Fanjakana Mitambatra, ary ny lanjan'ny fahasamihafàn'ny fiteny. RV: Farito ny sasany amin'ireo fanamby manakana ny fiteninareo tsy ho azo ampiasaina tanteraka ety anaty aterineto. KB: Satria vondrom-piarahamonina bitika izahay raha ny fiteny, tsy ampy eo aminay ny isan'ny olona izay sady mahay ilay fiteny no mahay ny teknôlôjia mba hametrahana ny fahitàna sahaza ny Kôrnika ety anaty aterineto. Matetika, dia ny olona efa teo hatrizay no ianteheranay hanao ny zavatra rehetra. Anananay ireo fitaovana toy ny fitendry mampiasa ny fiteny Kôrnika sy ny rakaibolana an-tambajotra, nivoaka avy amin'ny fampidirana ny Kôrnika tany anatin'ireo tetikasa lehibe kokoa mandrakotra fiteny marobe. Na anananay aza ny endrika manaraka ny fenitra ho an'ny fiteny izay natao ho ampiasaina amin'ny fampianarana sy ho an'ireo sampanan-draharaham-panjakana, dia manana ihany koa izahay rafi-panoratana marobe hafa, ary ho an'ireo vao eo am-panombohana, na ireo liana amin'ny fiteny Kôrnika, dia mety hampifanjevo ny fanavahana azy ireny rehefa mipetraka ao amin'ny aterineto amin'ny endrika samihafa ireny loharano ireny. Toy ireo fiteny marobe ihany, ny asa fananganana habaka nomerika sy loharano ho an'ny fiteny Kôrnika dia mpirotsaka an-tsitrapo no manao azy, fa tsy misy famatsiambola, ary izany dia misy fiantraikany amin'ny zavatra mety ho vitanay. RV: Inona no heverinao fa tena dingana mivaingana tokony ho raisina mba handrisihana ireo tanora hanomboka hianatra ny fitenin'izy ireo na hanohizany mampiasa ny fiteniny? KB: Misy 50 eo ho eo ireo sekoly fibeazana fototra (amin'ireo 240 ) ao Cornwall izay samy manome fampianarana ny fiteny Kôrnika. Na izany aza, noho ny Kôrnika tsy ampianarina any amin'ny ambaratonga faharoa, tsy misy amin'izao fotoana izao ny fomba hivoaran'ireny ankizy ireny. Mpampianatra tsy voaofana manokana ho amin'izany no mampianatra ny fiteny Kôrnika; tena ilainay ny mametraka fandaharanasa iray ho fampianarana ny fiteny Kôrnika ho an'ireo mpampianatra any amin'ny fanabeazana fototra mba hananan-dry zareo ny fahatokisantena ilaina amin'ny fampitàna ilay fiteny. Mila fitaovana misimisy kokoa izahay izay ahitàna taratra ny fampianarana amin'izao fotoana izao an'ireo fiteny velona mba hahafahana mampirotsaka an-tsehatra ny tanora. Kanefa, mba hampahomby tanteraka izany rehetra izany, ilainay ny hahitàn'ireo tanora ny fiteny Kôrnika ampiasaina misimisy kokoa ivelan'ny efitrano fianarana, any amin'ireo toerana misy ny vondrom-piarahamonina ary any amin'ny tontolon'ny fanabeazana sy ny asa — raha tsy afaka mahita ny antony ahafahana mbola mampiasa ny fiteniny izy ireo, inona no mbola antony hianarany azy? Tokony ho vita ihany koa izany amin'ny fampifandraisana ny fiteny Kôrnika amin'ireo lova ara-kolontsaina tsy azo raisin-tànana midadasika kokoa ananan'ilay faritra. [END] --- [1] Url: https://mg.globalvoices.org/2024/06/22/170008/ Published and (C) by Global Voices Content appears here under this condition or license: https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/. via Magical.Fish Gopher News Feeds: gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/