(C) Global Voices This story was originally published by Global Voices and is unaltered. . . . . . . . . . . Ny pi-mason'i Trump sy i Biden amin'ny vato Latinô [1] [] Date: 2024-06-25 Tantara nosoratan'i Leonardo Oliva ho an'ny CONNECTAS. Nahitsy sy navoakan'ny Global Voices indray araka ny fifanarahana media. “Tsara ny politikantsika iraisampirenena nandritra ny efa-taona nitondran'i Trump, tsy nisy ady, tsy nisy tsi-fisian'asa na fisondrotry ny vidim-piainana, ary ampy solika isika”, hoy i Ecio Pozzi, mpitsabo nify Arzantiniana, 47 taona, izay nifindra monina tany Etazonia tamin'ny Jolay 2001. Mponina ao New Jersey izy ankehitriny ary olom-pirenen'i Etazonia, nilaza izy fa hifidy an'i Donald Trump amin'ny volana Novambra. “Tsy maniry ny hisian'izay nitranga tany aminay eto ny Latinô tahaka ahy, izay tonga ara-dalàna teto ary tsy niaina mihitsy tao anaty tsi-fanarahan-dalàna (ivelan'ny fanjakana). Fa izay no hitanay tamin'ny nitondran'i Biden sy ny Demôkraty.” Indroa nifidy an'i Barack Obama i Pozzi ary nanohana an'i Trump izy tamin'ny taona 2016. Sahala amin'ireo hafa mpanaraka an'i Trump hiringiriny, dia resy lahatra izy fa nandresy tamin'ny hosoka i Joe Biden tamin'ny fifidianana tamin'ny taona 2020 — na dia tsy misy porofo manamarina izany fanambaràna izany aza. Mino ny iray amin'ireo teorian'ny Trumpism amin'ny tsikombakomba ihany koa izy : fa manokatra varavarana ho an'ny mpifindramonina ny governemanta ankehitriny mba hahazoana vato. “Ry zareo no mandoa ny fijanonany amin'ny fandraisam-bahiny any Manhattan, ary tamin'ity volana ity ry zareo manomboka mizara carte de crédit efa misy 1.000 dolara hanaovana ny fandaniana isam-bolana.” Nipetraka 15 taona tany California izao ny Kôlômbiana Daniela Rey, 37 taona. Miasa amin'ny maha-“herbalista sy mpandraharaha” azy izy ary, amin'ny volana Novambra ho avy izao izy hifidy an'i Biden: “Adala i Trump. Sangisangy manontolo ny fe-potoam-piasany efa-taona. Efa antitra i Biden ary mety tsy izy no safidy tsara indrindra, fa lehilahy matotra izy izay nahatantana ny krizy ara-bola tato anatin'ny taona vitsivitsy. ” Ny toekarena no zava-bita lehibe indrindra nataon’ny filoha ankehitriny araka ny heviny. “Nandritra ny telo taona izahay tsy nanana ahiahy amin'izay ataon’ny governemanta satria manana olona azo itokisana sy matotra. Ary avy eo tsy hangina momba an'i Rosia i Trump… ka mazava ho azy fa miray tsikombakomba izy ireo, ”hoy i Daniela. Iray amin'ireo feo maro manameloka ny lazaina ho firaisana tsikombakomba eo amin'i Trump sy Potinina izy, izay heverina ho fahavalon'i Biden sy Etazonia. Anisan'ireo Amerikana Latina 36,2 tapitrisa afaka hifidy amin'ny fifidianana filoham-pirenen'i Etazonia amin'ny Novambra na i Pozzi na i Rey. Araka ny angon-drakitry ny Voto Latino, fikambanana iray nanoka-tena mandrisika ny handraisan'ny vondrom-piarahamonina anjara amin'ny fiainam-pirenena any Etazonia, dia nitombo 6,5 isanjato ny isan'ny mpifidy Latino tamin'ny taona 2024 raha oharina amin'ny taona 2020, ary mitombo 20,5 isanjato ny isan'ny mpifidy amin'izao fotoana raha oharina amin'ny taona 2016, fony nandresy tamin'ny fifidianana i Trump. Amin'ny fifidianana amin'ny 5 Novambra hoavy izao, mihoatra ny iray amin'ny mpifidy folo (14 isanjato) no Latinô. Ankoatra ny fotsy hoditra maro an'isa, ny Amerikana Latinô fiaviana no vondro-mpifidy faharoa, arahin'ny Afrikana-Amerikana. Na izany aza, vitsy kokoa ny Latinô nifidy tamin'ny taona 2020: 51 isanjaton'izy ireo no nandatsa-bato, raha nahatratra 63 isanjato ny mainty hoditra, ary ny fotsy hoditra kosa 74 isanjato. Nilaza tamin'ny CONNECTAS i Dennis Gonzalez, filoha lefitry ny fisantarana stratejika ao amin'ny Voto Latino, fa, amin'ity fifidianana ity, mpifidy Latino vaovao 4,1 tapitrisa no ho afa-manao izany. Ary nohamafisiny fa “na tanora ireo na zokiolona, ary mipetraka any amin’ny fanjakana mpiovaova safidy”, toa an’i Florida sy i Arizona. Ny toekarena, (ry) adala Sambany tao anatin'ny 250 taona amin'ny tantara, ny mpifindramonina Latinô no mety ho fanalahidin'ny fifidianana filoha vaovao. Ary tsy ho azo avy hatrany ny fihilanana mahazatra ho any amin'ireo kandidà Demôkraty amin'ity taona 2024 ity. Araka ny fitsapan-kevitra hispanika isan-taona, maro no nisafidy ny tsy hiditra amin'antoko, mety hanimba ny Demôkraty izany. Ankoatra izay, niainga avy amin'ny 67 isanjato tamin'ny taona 2020 mankany amin'ny 53 isanjato amin'izao fotoana ny fanohanan'ny Latinô an'i Biden. Mandritra izany fotoana izany, nitombo avy amin'ny 29 isanjato mankany amin'ny 33 isanjato ny fanohanana an'i Trump. Izany no mahatonga ny fanentanam-pifidianana Repoblikana miezaka ny manjono any amin'ny rano vahiny, eo amin'ireo mpifidy mainty hoditra sy Latino. Steve Bannon, sefoben'ny Trumpism mihitsy, no niaiky tamin'ny lahateniny tao amin'ny Conservative Political Action Conference (CPAC), ilay fihaonamben'ny elatra farany havanana natao tany Washington DC, miara-tazana amin'ireo “kintana” Amerikana Latina roa i Trump: ireo filohan'ny El Salvador, Nayib Bukele, sy Arzantina, Javier Milei. “Asehon'ny fitsapan-kevitra fa tsy afa-po amin'ny politikan'i Biden ny Latinô, ary fotoana tsara izao hahazoana ny fitokisan'izy ireo,” hoy i Mercedes Schlapp, mpikarakara ny CPAC, mba hanamarinana ny fanasana ireo filoham-panjakana hispanika roa ho amin'ny hetsika fifidianana ao Etazonia, toe-javatra tsy mbola nisy hatramin'izay. Herinandro iray taty aoriana, i Trump, izay namihina ampahibemaso ny filoha Arzantiniana tao amin'ny CPAC, no nidera azy imasom-bahoaka indray hoe: “Tiako izy satria tia an'i Trump,” hoy izy. Ary hoy izy nanampy, mifandraika amin'ny teny filamatra hoe Make America Great Again: “Ity no hetsika tsara indrindra teo amin'ny tantaran'ny firenentsika, angamba teo amin'ny tantaran'ny firenena tsirairay, na tany Arzantina aza izy ireo dia nanao ny MAGA.” Donald Trump volvió a elogiar a Javier Milei: “Él me ama y yo lo amo”https://t.co/EJXEJBEm83 — elDiarioAR (@elDiarioAR) March 3, 2024 Donald Trump midera an'i Javier Milei indray. “Tia ahy izy ary izaho tia azy.” Manamaivana ny fitaoman'i Milei amin'ny fanentanam-pifidianana Repoblikana i Michael Shifter, filoha teo aloha ao amin'ny tsenan-kevitra politika ifampiresahan'ny samy Amerikana. “Tsy manana fahefana ara-pifidianana na ara-politika ny Arzantiniana-Etazoniana ao Etazonia,” hoy izy tamin'ny CONNECTAS. Ary ny momba an'i Bukele dia nitovitovy ihany ny fomba fijeriny: “Manandanja ny mponina Salvadoriana, saingy mivangongo amin'ny toerana telo, Washington DC, Los Angeles ary New York. Ary satria Demôkraty ireo fanjakana ireo dia efa manana fitarihana matanjaka any i Biden. Azo heverina ho tsy ho vitan'i Trump mihitsy ny handresy any.” Amin'izao fotoana izao, miahiahy kokoa amin'ny fifindra-monina tsy ara-dalàna mihoatra noho ny olana hafa rehetra ny mponin'i Etazonia, araka ny fitsapan-kevitra vao haingana nataon'i Gallup. Na izany aza, miahiahy bebe kokoa momba ny toe-karena ny Latinô, araka ny hitan'ny fitsapan-kevitra iray hafa. Mahavariana anefa fa iray amin'ireo zava-bitan'ny fitantanan'i Biden izany, saingy toa tsy nahatratra ireo mpifindramonina amin'ny saranga ambany indrindra, izay kely karama, ny tombontsoa, ary tsy mahazo fiantranoana sy iharan'ny fiakaran'ny vidim-piainana ry zareo. “Na dia nidina aza ny fisondro-bidim-piainana, dia mbola avo hatrany ny saram-panjifana, ary iainan'ny Amerikanina isan'andro izany”, hoy ny fanadihadian'i Robert Valencia, mpanao gazety ao amin'ny #CONNECTASHub manana fiaviana Kolombiana manampahaizana manokana amin'ny raharaha iraisampirenena ary miorina ao Etazonia. Nanampy izy ho fanazavana ny fiovam-pironam-bato Latinô manohitra an'i Biden hoe : “Na dia mampiseho zavatra iray aza ny tarehimarika eo amin'ny sehatra makrôekônômika, dia samy manana ny fihetseham-pony ny olom-pirenena amin'ny ankapobeny satria miha lafo ny vokatra fototra. Azo inoana fa nisy fiantraikany tamin'i Joe Biden izany ary nampahazo vahana an'i Donald Trump. “ Amin'ny farany, araka ny filazan'i Valencia, “ny toe-karena hatrany no familian'ny fifidianana filoham-pirenena. Izany indrindra no nitranga tamin'i Trump tamin'ny taona 2020, rehefa nampihantona ny toekarena ny valan'aretina ary nandresy i Biden.” Tamin'ny 2 marsa, nanamafy an'i Trump ho kandidà ironana hiverina ao amin'ny Trano Fotsy ny fitsapan-kevitra vaovao iray. Ao anatin'izany, mahazo 48 isanjaton'ny vato ny Repoblikana, raha manana 43 isanjato i Biden (ary 10 isanjaton'ny mpifidy tsy tapa-kevitra). Fanazavana azo heverina ho maharatsy jery ny ifidianana indray an'i Biden: mihevitra ny ankamaroan'ny olona natao fanadihadiana fa tsy mandeha tsara ny toe-karena. Vato miparitaka Samy miaiky na i Shifter na i Valencia fa miha-mitombo lanja hatrany ao Etazonia ny latsa-bato Latinô (mahasahana ireo mpifindramonina sy ny taranaka voalohany sy faharoa) noho ny fitomboan'isany. Tondroin'ny vinavinan'ny Birao fanisam-bahoakan'i Etazonia fa iray amin'ny Amerikanina efatra no fiaviana Latinô amin'ny taona 2060. Na izany aza, tsy azo heverina ho bolongana tokana ny Latinô. Tahaka ireo ampaham-ponina hafa, voamarika ny tsy fitovian-kevitra eo amin'izy ireo. Porofon’izany i Pozzi sy i Rey. “Na dia mety hifidy Repoblikana aza ny Kiobàna, Nikaragoana na Venezoelana any Florida atsimo, dia mety hifidy ny Demokraty ny mpifidy any amin'ny faritra hafa any Etazonia (Meksikana, Porto Rikana, Dominikana any New York, any Illinois) ,” hoy i Valencia nanamafy. Ary nofaranany tranga iray manokana izany: “Any amin'ny faritra atsimon'i Texas dia misy faritra iray antsoina hoe Rio Grande Valley, betsaka ny mponina Meksikana izay Demokraty tanteraka taloha fa nisafidy an'i Donald Trump tamin'ny taona 2020. Mampiseho fa tsy voatery hifikitra amin'antoko ny Hispanika.” [END] --- [1] Url: https://mg.globalvoices.org/2024/06/25/170321/ Published and (C) by Global Voices Content appears here under this condition or license: https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/. via Magical.Fish Gopher News Feeds: gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/