(C) Global Voices This story was originally published by Global Voices and is unaltered. . . . . . . . . . . “Poisson-chat” faran'izay mpiremby mandoza avy any Amerika Atsimo, nikisaka any amin'ny ranon'i Nepal [1] ['Sanjib Chaudhary'] Date: 2024-06-25 Mety ho loza goavambe mitatao ho an'ny trondro zanatany any amin'ireo renirano any atsinanan'i Népal ireo “poisson-chat” misoratsoratra be dia be avy any amin'ny Reniranon'i Madeira any Amerika Atsimo. Efatra taona lasa eo ho eo izao, ny Jolay 2020, nahitàna “poisson-chat” roa tao amin'ny tatatra fampidiran-drano iray tao Belbari, distrikan'i Morang any atsinanan'i Nepal. Vetivety be dia niparitaka ny vaovao teny anatin'ireo famoaham-baovao sy media sôsialy. Nisy tatitra nitovitovy tamin'izany nipoitra avy any amin'ny Reniranon'i Lohandra tamin'ny Ôktôbra 2021, miaraka amin'ireo porofo mahatsikaikin'ny fahitàna trondro nanomboka tany amin'ny May 2018 tamina honahona iray tao amin'ny distrikan'i Dhanusha, 200 km eo ho eo any andrefan'ny distrikan'i Morang. Vaskar Nepal, profesora amin'ny biôlôjia, mpandimby toerana ao amin'ny Anjerimanontolon'i Illinois Andrefana, nibitsika hoe: Non-native suckermouth catfish in Nepal. Second such capture in the country. Unfortunately, it was released back. Experts suspect that the fish was released from aquarium trade. https://t.co/cWBHzsPyj2 — Vaskar Nepal, PhD (@NepalVaskar) October 31, 2021 Poisson-chat manana vava mpitsentsitra, tsy zanatany ao Nepal. Fahazoana fanindroany amin'ny tahaka izao tao amin'ny firenena. Indrisy, navotsotra ilay izy. Ahian'ireo manampahaizana ho votsotra avy amin'ireo “aquarium” amidy ilay izy https://t.co/cWBHzsPyj2 — Vaskar Nepal, PhD (@NepalVaskar) 31 Ôktôbra 2021 Tarika iray notarihan'i Jash Hang Limbu, mpikaroka iray miaraka miasa amin'ny Kôlejin'ny Jono sy ny Siansan'ny Fiainana ao amin'ny Anjerimanontolo momba ny Ranomasimbe ao Shanghai, no nanadihady momba ny fihanak'io trondro io any amin'ireo rafitry ny renirano ao Nepal Atsinanana. Araka ny taratasy fampitam-baovaon'ny fikarohana tao anatin'ny gazety BioInvasions Records, nahangona trondro niisa 43 tamin'ny karazany Pterigoplichthys tao amin'ny Renirano Lohandra. Ireo trondro dia voalaza fa Pterigoplichthys disjunctivus, fantatry ny maro amin'ny hoe “poisson-chat” misoratsoratra na “poisson-chat” manana vava mitsentsitra. Ahoana no nahatongavan'ny trondro iray avy any Amerika Atsimo ho any anatin'ireo rano ao Nepal? Raha niresaka an-tambajotra tamin'ny Global Voices, nilaza i Limbu fa “Na sambany aza no nahitàna ilay trondro tao Belbari, dia nihanaka hatrany amin'ireo toerana toa an'i Belbari, Pathari sy ny Renirano Ratuwa ilay izy. Misy andiany amin'izy io tafapetraka ao amin'ny renirano Lohandra.” Nampiany fa tsy ela akory izay no nahitàna karazany iray hafa mitovy amin'io tao amin'ny lakandranon'i Damak, tanàna iray any amin'ny distrikan'i Jhapa ao atsinanan'i Nepal. “Mety ho tafatsoaka avy any anaty “aquarium” ilay trondro, na mety ho namakivaky nianavaratra avy any amin'ireo renirano indiàna,” hoy i Limbu nanambara tamim-pisalasalàna. Ireo mpikaroka ao India mpifanolo-bodirindrina amiko koa dia nahita karazana trondro tahaka izany tany amin'ireo ranon'ny Renirano Ganges, Bengal Andrefana, nandritra ny fanarahamason-dry zareo tamin'ny 2018. Satria ireo renirano avy any Nepal dia mivarina ao amin'ny Ganges sy ireo renirano hafa, misy olona sasany milaza fa nilomano nianavaratra ireo trondro mba hiditra tany anatin'ireo làlan-dranon'i Nepal. Tahaka izany ihany, tsikaritra tany amina renirano 17 manerana an'i Bangladesh ny “poisson-chat” misoratsoratra, miaraka amina andiany mitombo taranaka tsara ao amina toerana efatra. Trondro fanao haingon-trano saingy faran'izay mpanani-bohitra Seraina amin'ny varotra ary matetika no tazonina anaty “aquarium“, afaka mivelona amina karazan-tontolo iainana samihafa ireny trondro ireny — manomboka amin'ny rano mamirifiry, rano mikoriana mafy, avo toerana ka hatrany amin'ireo renirano an-dohasaha sy miadana fikoriana eny an-tany mafàna ary hatrany anaty honahona, na farihy amin'ireo tany mora tondraka sy ireo rano maloto mihandrona, tsy ampy ôksizena. Nomena anarana avy amin'ilay vavany mitsentsitra izay afaka mamikotra amina vohon-javatra, ny “poisson-chat” dia mihinana poti-javatra sy ahidrano, ary manana vavony lehibe izay toa miasa ho toy ny taova fanampiny amin'ny fisefoany. Na tsy takatry ny saina aza ny mety ho fiantrakan'izy ireny amin'ireo trondro zanatany any anaty renirano, heverin'ireo mpikaroka fa mety ho loza mitatao ho an'ireo karazany efa tompontany izy ireny amin'ny fanakorontanany ny ronjon-tsakafo ao anaty rano sy ny fifaninanany amin'ireo trondro zanatany rehefa mitady hanina. Nasehon'ny andrana natao momba ny fifaninanana mitady hanina tao Bangladesh, nataon'ny tarika iray notarihan'i Md. Taksin Parvez fa mety hisy fiantraikany ratsy amin'ny fitomboana sy ny taham-pahaveloman'ireo trondro zanatany ny fisian'ireo “poisson-chat” Koa satria ry zareo tena mpiremby noana lava, nefa tsy misy mpihaza voajanahary mihaza azy, mety hitombo haingana be ny isany ka hanilika ireo karazan-trondro zanatany. Ahoana no fomba hanakànana ny fielezan'ny “poisson-chat” manana vava mpitsetsitra? Miaraka amin'ny fahaizany maka volontany amin'izay karazana tontolo iainana rehetra, dia mety ho loza goavana manambana an'ireo kazarany zanatany sy ny velontenan'ireo mpanjono nentindrazana ny “poisson-chat” misoratsoratra, raha tsy voasakana ara-potoana ny fiparitahany any anatin'ireo rano ao Nepal, hoy ny hevitr'i Limbu sy ny tarikany. Zavatra tsy maintsy atao ny fanentanana faobe mba hampahafantarana ny vahoaka, ireo mpandray fanapahankevitra pôlitika, ireo mpikaroka ary ny mpandraharaha ara-barotra, momba ny loza mitatao entin'ny fampidirana ny kazarana biby mpanani-bohitra tahaka izany any anatin'ireo rafitry ny rano voajanahary. Ho an'ny hoavy, manamafy ireo mpikaroka fa tena iankinan-javatra goavana ny fanarahana maso ny fielezan'io trondro io sy ny fametrahana fepetra henjana mba hanakanana ny famotsorana iniana atao na tsia ireo trondro tsy zanatany any anatin'ireo rafitry ny rano voajanahary. [END] --- [1] Url: https://mg.globalvoices.org/2024/06/25/170325/ Published and (C) by Global Voices Content appears here under this condition or license: https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/. via Magical.Fish Gopher News Feeds: gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/