(C) Global Voices This story was originally published by Global Voices and is unaltered. . . . . . . . . . . Tandindonin-doza ny fahalalahan-gazety ao Guinée [1] ['Jean Sovon'] Date: 2024-06-27 Ao amin'ny Repoblikan'i Ginea, mbola mizaka mafy ireo karazam-pamerana fahalalahana ny tontolon'ny asa fanaovan-gazety hatramin'ny nisian'ny fanonganam-panjakana farany tao amin'ny firenena tamin'ny 5 Septambra 2021. Tamin'io daty io, ny kolonely Mamadi Doumbouya no nanongana an'i Alpha Condé, filohan'i Guinée teo aloha nanomboka tamin'ny taona 2010 ka hatramin'ny taona 2021, ary vao nanomboka ny fe-potoam-piasana fahatelo tamin'izany fotoana izany, ary noho izany dia nandika ny lalàmpanorenana izay mametra ny isan'ny fe-potoam-piasana misesy ho roa. Ny ampitson'ireo toe-java-mitranga ireo, lasa fanamby tsy misangy ny fahazoana torohay ofisialy, indrindra ho an'ny gazety tsy miankina. Izany no mitranga na dia teo aza ny fanomezan-tokin'ny manampahefana Gineana tamin'ny Reporters Sans Frontières (RSF) hanolo-tena hiaro sy hampiroborobo ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety taorian'ny iraka nataon'ny RSF tao amin'ny firenena tamin'ny Oktobra 2021. Nandritra ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety natao tamin'ny fiafaràn'ny iraka. Nilaza i Arnaud Froger, lehiben'ny biraon'ny RSF eto Afrika hoe: La Guinée est sans doute à un tournant de son histoire et la refondation du pays que le colonel Mamadi Doumbouya, désormais président de la transition, a appelé de ses vœux ne pourra voir le jour en l’absence de garanties sérieuses et de réformes concrètes pour que les journalistes puissent librement et de manière responsable exercer leur mission d’information. Nous espérons que les autorités de transition ouvriront une nouvelle ère pour le journalisme en Guinée, en s’appuyant notamment sur les recommandations transmises au cours de cette mission. Tsy isalasalana fa eo amin'ny kihon-dalan'ny tantarany i Guinée ary tsy hahita masoandro ny fanarenana ny firenena, irìn'ny kolonely Mamadi Doumbouya, filohan'ny tetezamita ankehitriny, raha tsy misy antoka matotra sy fanavaozana mivaingana ahafahan'ny mpanao gazety manatanteraka an-kalalahana sy amin’andraikitra ny iraka fampitam-baovao. Manantena izahay fa hanokatra vanim-potoana vaovao ho an'ny asa fanaovan-gazety any Guinée ny fitondrana tetezamita, mifototra indrindra amin'ireo tolo-kevitra nampitaina nandritra ity iraka ity. Nahazo tolo-kevitra maro mitovy zotra tamin'ny navoakan'ny RSF toa izany ny manampahefana mba hiantohana ny fahalalahan-gazety mandritra ny tetezamita, saingy voatery hilaza fa telo taona aty aoriana, tsy afa-manoatra amin'ny fanakombonam-bava azy ny asa fanaovan-gazety. Izany no nanondroan'ny Freedom House, ao amin'ny tatitry ny taona 2023 momba ny fahalalahana manerantany ny fitomboan'ny fanorisorenan'ny fitondrana miaramila ny mpanao gazety: (…) plusieurs journalistes critiques auraient été victimes d'arrestations arbitraires, d'actes d'intimidation, d'interrogatoires et de censures de la part des forces de sécurité. Les nouveaux dirigeants de Conakry ont fréquemment demandé à l'autorité nationale chargée de la communication (HAC) de suspendre les points de vente qui offraient une couverture critique. En outre, des unités militaires ont visité les bureaux des journaux et des stations de radio qui ont produit des rapports critiques et intimidé des journalistes. La junte a en outre réussi à fausser la couverture médiatique en faveur des autorités de transition en offrant un soutien financier sélectif. Par ailleurs, des informations ont été reçues en 2022 selon lesquelles des journalistes couvrant des manifestations contre la junte auraient été attaqués par des manifestants armés de pierres et de couteaux. (…) mpanao gazety mpitsikera maro no voalaza fa niharan'ny fisamborana an-tondromolotra, fampitahorana, fakana am-bavany ary ny sivana nataon'ny mpitandro ny filaminana. Nangataka matetika tamin'ny tompon'andraikitry ny serasera nasionaly (HAC) ny mpitondra vaovaon'i Conakry mba hampiato ireo toeram-pivarotana manome fitantarana manakiana. Ankoatra izany, nitsidika biraon-gazety sy onjam-peo namoaka tatitra manakiana ny vondrona miaramila ary nampihorohoro mpanao gazety. Vitan'ny fitondrana miaramila koa ny manodina ny fampahalalam-baovao ho amin'ny tombontsoan'ny fitondrana tetezamita amin'ny fifantenana izay hotohanana ara-bola. Etsy andaniny, nisy tatitra voaray tamin'ny taona 2022 fa tafihan'ny mpanao fihetsiketsehana nirongo vato sy antsy izay mpanao gazety manao fihetsiketsehana manohitra ny fitondrana jadona. Na dia misondro-daharana, avy amin'ny faha-85 tamin'ny taona 2023 lasa faha-78 tamin'ny taona 2024, araka ny fampilaharan'ny Reporters Sans Frontières (RSF) aza i Guinée, dia mbola miady amin'ny sakantsakana, fampiatoana, fanakatonana media, ary ireo andian-tsivana izay miteraka fanahiana maro ny fiainana andavanandron'ny mpanao gazety Gineana. Tamin'ny Avrily 2024, teo amin'ny mikrôn'ny Radio France Internationale (RFI), Atoa Sékou Jamal Pendessa, sekretera jeneralin'ny Sendikà Matihanin'ny asa fanaovan-gazety ao Guinée (SPPG) nilaza hoe: (…) au niveau des reporters, il y a des Guinéens qui sont habitués à certaines voix qui sont éteintes aujourd'hui, parce que ces reporters sont obligés de rester à la maison… Fim FM a renvoyé 100 % de son personnel, qui est au chômage ; le groupe Hadafo, 70 % ; Évasion FM, au milieu de la crise, était à 50 % et aujourd'hui, je ne sais pas à combien ils sont. Et moi, j'ai entamé une tournée à l'intérieur du pays. Par exemple, je suis allé à la rédaction de Djoma FM, dans la ville de Boké : je n'ai pu rencontrer dans les locaux que la directrice et le vigile, parce que tout le monde est à la maison. (…) eo amin’ny sehatry ny mpanao gazety dia misy ny Gineana efa zatra ny fanginan'ny feo sasany ankehitriny, satria voatery mijanona ao an-trano ireo mpanao gazety ireo… Noroahan’ny Fim FM ny 100%-n’ny mpiasany, izay tsy an’asa. ; ny an'ny vondrona Hadafo, 70% ; Ny an'ny Évasion FM, anaty krizy, dia 50% ary tsy fantatro hoe firy izy ireo no toa izany amin'izao fotoana izao. Ary nanomboka nitety ny firenena aho. Nankany amin’ny biraon’ny Djoma FM, ao an-tanànan’i Boké aho, ohatra : Tsy afaka nihaona tao amin’ny birao ankoatra ny tale sy ny mpiambina ny toerana aho, satria any an-trano ny rehetra. Tamin'ny 23 May 2024, anjaran'ny media tsy miankina maromaro indray no miatrika ny romoromon'ny manampahefana Gineana: fahitalavitra sy onjam-peo tsy miankina maro no nakatona. Araka ny lahatsoratra iray tao amin’ny gazety Le Monde, onjam-peo sy fahitalavitra enina no voasazy ka natsaha-peo, mpiasa matihanina an-jatony no lasa tsy an'asa. Manameloka i Thierno Madjou Bah, mpanentana ao amin'ny fahitalavitra Espace TV: Rien ne justifie cette décision à moins que l’on veuille faire taire toutes les voix dissonantes du pays. Tsy misy na inona na inona manamarina ny fanapahan-kevitra raha tsy hoe hampanginana ireo rehetra tsy mitovy feo amin'ny fitondrana eto amin'ny firenena angaha. Mitovy amin'izany ihany koa, hoy ny Kabinet Fofana, mpahay siansa politika sady mpanao gazety ao amin'ny FIM FM: On a l’impression que c’est un blasphème de donner son avis aujourd’hui. Alpha Condé ne l’a pas fait ; sous Lansana Conté c’était difficile, mais, en 2006, il a libéralisé les ondes. Ce qui se passe est juste inédit. Tahaka ny hoe fitenenan-dratsy ny manome ny heviny amin'izao fotoana. Alpha Condé tsy nanao izany; sarotra nandritra ny nitondran'i Lansana Conté, fa nanalalaka ny onjam-peo izy tamin'ny taona 2006. Mbola tsy nisy toy izao teo aloha. Tamin'ny 29 May 2024, naneho ny hatezerany amin'ity famoretana ity tamin'ny alalan'ny fanambaràna an-gazety ny Federasiona Iraisampirenena misahana ny Zon'olombelona (FIDH). Avy amin'izany, nilaza i Drissa Traore, sekretera jeneraly hoe: C’est une première en Guinée depuis la libéralisation du secteur des médias en 2005. Cette mesure liberticide viole le droit à l’information, c’est une entrave grave à la liberté de la presse et à la liberté d’expression. Nous sommes très préoccupés. Sambany eto Guinée hatramin'ny nanalalahana ny sehatry ny fampitam-baovao tamin'ny taona 2005. Manitsakitsaka ny zo hahazo vaovao io fepetra famoretana io, sakana lehibe amin'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety sy ny fahalalahana maneho hevitra. Feno fanahiana izahay. Hita amin'ny tranonkala ny fanoherana. Manamarina i Facely Konaté, mpanao gazety Gineana manana mpanjohy maherin'ny 45.000 ao amin'ny tambajotra X (Twitter taloha) : Quelles solutions face à la persécution des médias en #Guinée ? J'ai participé samedi au Space sur le journalisme et la liberté d'expression en Guinée. Une occasion pour moi de partager mes propositions de solutions face à la situation actuelle. La liberté de la presse est un élément essentiel de la démocratie et il est crucial de la défendre par tous les moyens possibles. Il est également important que les associations et professionnels de médias agissent de manière unie et solidaire… pic.twitter.com/YLoo7KKIcY — Facely Konaté (@FacelyKonate1) May 27, 2024 Inona no vahaolana amin'ny fanenjehana ny media eto #Guinée? Nandray anjara Space aho tamin'ny Asabotsy momba ny asa fanaovan-gazety sy ny fahalalahana maneho hevitra eto Guinée. Fotoana iray hizarako ny vahaolana narosoko manoloana ny zava-misy ankehitriny. Ampahany manan-danja amin'ny demôkrasia ny fahalalahan-gazety ary tena ilaina ny miaro izany amin'ny fomba rehetra azo atao. Zava-dehibe ihany koa ny ihetsehan'ny fikambanana sy ny matihanin'ny haino aman-jery amin'ny fomba miray hina sy mifanohana… Tsy ahitana tsara mangirana amin'ny hoavin'ny media gineana ny zava-misy amin'izao fotoana izao, ao amin'ny firenena ahitana mponina maherin'ny 14,5 tapitrisa ary amin'ny teny frantsay no iasan'ny ankamaroan'ny fampitam-baovao. Hatramin'izao tokoa dia mbola tsy misy ny fanambaràna amin'izay fiafaran’ny tetezamita izay mety hiverenan’ny fitondrana sivily. [END] --- [1] Url: https://mg.globalvoices.org/2024/06/27/170338/ Published and (C) by Global Voices Content appears here under this condition or license: https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/. via Magical.Fish Gopher News Feeds: gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/