(C) Global Voices This story was originally published by Global Voices and is unaltered. . . . . . . . . . . Koryo-saram: Ny tantara lava sy mampalahelon'ireo Koreàna tao Rosia [1] ['Daria Dergacheva'] Date: 2024-06-28 Nitombo miha-akaiky kokoa ny fifandraisana eo amin'i Rosia sy Korea Avaratra hatramin'ny nisian'ilay fananiham-bohitr'i Rosia tao Okraina, hoy ny nosoratan'ny BBC. Tamin'ny herinandro lasa i Vladimir Poutine no nanatontosa ny fitsidihany ôfisialy voalohany tao amin'ilay firenena hatramin'ny taona 2000. Ny sary avy amin'ireo mediam-panjakana dia nampiseho olona an'aliny nilahatra teo amin'ny arabe voadio tao an-drenivohitra tamin'ny fotoana nandalovan'ny fiara nitondra ireto mpitarika. Araka ny voalazan'ny masoivohom-baovaom-panjakana, noresahan'ny filoha roa tonta ny fanatsaràna ny fifandraisan'ny firenen'izy ireo taorian'ny nahatongavan'i Poutine ny alin'iny. Niteraka fanambaràna ahiahy avy amin'ireo mpitarika manerana izao tontolo izao ilay fitsidihana sy ny fifanomezan-toky nifanaovan'ireo roa mpanao jadona hoe hifanohana amin'ny resaka fiarovana sy ara-tafika izy ireo. Raha mifanatona ireo roa mpanao jadona, dia zava-dehibe kosa ny mampahatsiahy ny tantara mampalahelon'ireo Koreàna tao Rosia fony fitondran'ny Tsar, avy eo Sôvietika, sy ny toerana ara-poko tànan'ireo Koreàna ao anatin'ilay Rosia ankehitriny eo ambany fitantanan'i Vladimir Poutine. Ireo Koryo-saram (Koreàna: 고려사람; Rosiàna: Корё сарам), araka ny fanazavan'ny Wikipedia, dia foko koreàna avy any amin'ny URSS fahiny, izay taranaka koreàna nonina tany amin'ny farany atsinanan'i Rosia. Fifindran'ireo Koreàna ho any amin'ny Ampira rosiàna Tany amin'ny tapaky ny taonjato faha-19 ireo Koreàna no nanomboka nifindra monina nankany amin'ny Ampira Rosiàna, noho ny fahasahiranana ara-toekarena sy ny loza voajanahary namely an'i Korea. Tany amin'ny faritr'i Primorsky ireo mpifindra monina tany am-boalohany no nonina ary nanangana ny vohitra koreàna voalohany nantsoina hoe Tizen Hee. Tamin'ny 1917, nanodidina ny 90.000 ireo Koreàna nonina tao amin'ny faritr'i Primorsky, fitomboana be nahatratra hatramin'ny 9.000 raha ampitahaina amin'ireo tamin'ny faran'ny taonjato faha-19. Fampodiana sy fakàna volontany Tamin'ny 1937, nanodidina ny 172.000 ireo Koreàna no noroahana avy any amin'ny farany atsinanan'i Rosia ho any Azia Afovoany noho ny tsy fahatokisana ara-pôlitika sy ny fiahiahiana asa fitsikilovana nandritra ny fifanenjanana tamin'i Japàna. Ry zareo Koreàna no voalohany indrindra noroahan'i Stalin niala ny URSS noho ny antony ara-poko. Nanodidina ny 172.000 ireo Koreàna no noroahana nankany amin'ny RSS Kazakh sy ny RSS Ozbeky. Tamin'ny alàlan'ny fiarandalamby mpitatitra entana no nanaovana ny fandroahana; olona 11.000 no maty teny an-dàlana. Talohan'ilay fandroahana tamin'ny 1937, tao Primorye (ny faritra farany atsinanana indrindra ao Rosia) dia nisy roa ireo distrika nasiônalin'ireo koreàna, ary filankevitra nasionalim-bohitra 77 , 400 teo ho eo ny sekoly koreàna, iray ny kôlejy pedagôzika, iray ny ivontoerana pedagôzika koreàna tao Vladivostok, iray ny teatra koreàna, ary enina ireo gazetiboky, fito ny gazety navoaka tamin'ny fiteny Koreàna. Tamin'ny 1 Aprily 1993, tamin'ny alàlan'ny fanapahankevitra iray avy amin'ny Filankevitra Ambony tao amin'ny Federasiôna Rosiàna, nambara ho tsy ara-dalàna ireo lalàna nankatoavina hatramin'ny 1937 namelezana ireo Sôsiety-Koreàna, ary dia naverina ry zareo Koreàna, toy ny olona niharan'ny famoretana ara-pôlitika. Araka ny fanisàmbahoaka tamin'ny 1959 dia 44,1 isanjaton'nireo Sôviety-Koreàna no nonina tany Ozbekistàna, ary 23,6 isanjato nipetraka tany Kazakhstàna. Tamin'ny 2013, nisy 184.699 ireo Koreàna nonina tao Ozbekistàna. Taorian'ny faharavàn'ny URSS, nifindra nipetraka tao Rosia, Okraina, Korea Atsimo (tamin'ny alàlan'ny fahazoandàlana -visa – nohamoraina ho an-dry zareo Koreàna) ireo Koreàna izay avy any amin'ireo repoblika aziatika afovoany ny ankamaroany. Fitahirizana ny kolontsaina Raha aty amin'ny taranaka fahatelo na fahefatra no tena very indrindra ny fiteny koreàna, dia mbola manandanja kosa ny zavabita ara-panabeazana, miaraka amin'ny taha avo be amin'ny isanjaton'ireo Koreàna tonga hatrany amin'ny fampianarana ambony. Notehirizin-dry zareo Koreàna ny maripamantarana ara-kolontsaina azy ireo, tamin'ny alàlan'ireo fombafomba sy fety toy ny doljanchi, ny tsingerintaona voalohan'ny zanaka, ary ny Fetiben'ny Sakafo Mangatsiaka. Hita mandritra ny fankalazàna ny tsingerintaona voalohan'ny zaza iray ny lanonana faminanina ny hoavin'ilay zaza , ka mandritra izany dia feno zavatra apetraka mba haminavinàna ny hoaviny. Nitàna anjara toerana goavana tamin'ny fitazonana ny maripamantarana ara-kolontsaina ny haify koreàna, nampifanarahana tamin'ny zavamisy eo an-toerana. Lasa nalaza ireo sakafo toy ny karaoty koreàna sy karazana legioma maro samihafa voatetika. Nanjary foto-tsakafo sy ohatra amin'ny fampifanarahana ara-kolontsaina ny karaoty koreàna, fampifanarahana ilay sakafo nentindrazana kimchi amin'ny fampiasàna ireo legioma hita eo an-toerana. Nitondra anjara biriky lehibe ho an'ny kolontsaina rosiàna sy ny fanatanjahantena ireo olo-malaza toa an'i Viktor Tsoi (mpiangaly rock malaza), Yuliy Kim (mpanoratra sady poeta), ary Kostya Tszyu (atleta). Nandray anjara tamin'ny Ady Lehibe Faharoa ry zareo Koreàna, teny anivon'ny tafika sôvietika, ary ny iray tamin-dry zareo, Alexander Min, dia nomena ny sata maha-Maherifon'ny Firaisana Sôvietika azy. Amn'izao fotoana izao, mijanona ho manandanja be ireo Koreàna am-pielezana ao Rosia, ka ny vondrom-piarahamonina lehibe dia hita any amin'ireo tanàna toa an'i Volgograd, Maosko, ary ny faritra farany atsinanana indrindra. Notohizan'ireo Koreàna ny fidirana ho ao anatin'ny fiarahamonina rosiàna, no sady notazoniny ny lova ara-kolontsain-dry zareo. Tatyana Kim dia vehivavy mpanefoefo, mpandraharaha ao Rosia: mpiara-miombona antoka ao amin'ilay Wildberries, mpaninjara ety anaty tambajotra, na dia lasa resabe aza ny momba azy tato ho ato, satria nosazian'i Okraina izy noho ny fivarotana fanamiana rosiàna tao amin'ny Wildberries. Resahana ihany koa ny aminy eny anivon'ireo media, hoe olo-malaza iray manampy an'i Vladimir Poutine hanangana rafitra banky iray ho solon'ny SWIFT (izay tena nanilihana be tokoa an'i Rosia). Nandritra izany fotoana izany, nosavain'ny pôlisy rosiàna ireo birao fiasàn'ny Wildberries noho ny haintrano iray nahazo ny iray tamin'ireo trano fitoeran'entan-dry zareo: ao anatin'i Rosia ankehitriny, na iza na iza tsy misy afaka ny hahazo antoka izay mety hanjo ny fandraharahana ataony amin'ny herinandro ho avy. Angamba, lasa tena mifanakaiky marina tokoa ireo mpitondra jadona roa ireo, ary koa amin'ny fomba fitondran-dry zareo ny vahoaka, na taranaka Koreàna izy ireny na tsia. [END] --- [1] Url: https://mg.globalvoices.org/2024/06/28/170327/ Published and (C) by Global Voices Content appears here under this condition or license: https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/. via Magical.Fish Gopher News Feeds: gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/