(C) Global Voices This story was originally published by Global Voices and is unaltered. . . . . . . . . . . Trinité-sy-Tobago : afaka ampiasaina hamatsiana ny fiarovana ala honko ve ny fampiasàna ny karbôna manga? [1] ['Cari-Bois News'] Date: 2024-06-28 Nosoratan'i Rahanna Juman Ity lahatsoratra ity dia navoaka voalohany tao amin'ny tambajotra Cari-Bois Environmental News Network. Dika iray nokiraina no averina avoaka etsy ambany ho ampahany amin'ny fifanarahana iray hifampizara votoaty. Eo an-dalam-panandramana azy ao Trinité-sy -Tobago ny rafitra iray fampindramam-bola amin'ny alàlan'ny karbôna manga. Ny Institute of Marine Affairs (IMA) ao amin'ilay firenena no mitarika izany, iarahany amin'ny Banky Fampandrosoana iraisain'ireo ao Amerika (IDB), tanjon'ilay tetikasa ny hamolavola rafitra iray ho fampindramam-bola amin'ny alàlan'ny karbôna manga manana kalitao ambony, mba hanatsaràna ny sarintany nomerika, ny fanarahamaso, ny fanaovana tatitra ary ny fanamarinana ireo asa/tolotra momba ny rafi-piainana. Antenainy ihany koa ny hampiroborobo ny fitantanana sy ny fanànana otrikarena voajanahary mba hahafahana mamorona hirika afaka ampiharina ka hiteraka fidirambola sy hanatsara ny fivelomana. Ny rafi-piainana an-dranomasina (indrindra fa ireo heniheny farany tratran'ny fiakaran'ny ranomasina – na intertidal – sy ireo faritra ahimaitso an-dranomasina ary ny ala honko) dia mitroka sy mitahiry entona karbôna any anatin'ny “biomasse” sy ny tany. Antsoina mahazatra amin'ny hoe rafi-piainana misy « karbôna manga » noho ny lanjan'izy ireo ao anatin'ny tsingerin'ny karbôna erantany, ireny rafi-piainana an-dranomasina ireny dia ahafahana mampihena ny fiantraikan'ny fiovàn'ny toetrando ary manome andiana tolotra rafi-piainana hafa izay manampy ireo fomba fiveloman'ny eny amorontsiraka, ary ny fampifanarahana amin'ny fioivàn'ny toetrandro. Navoitran'ireo fandalinana fa ny honko dia misintona sy mitahiry karbôna amina taha avo dia avo raha mitaha amin'ireo rafi-piainana hafa. Araka izany, ny ala honko dia isan'ireo rafi-piainana faran'izay manankarena karbôna tokoa any amin'ny faritra trôpikaly, ary isan'ireo fitahirizana karbôna voajanahary tena mahomby indrindra mandritra ny fotoana maharitra. Noho ny taha avo be amin'ny fahafahan'izy ireny mitazona, heverin'ireo manampahaizana fa mitazona anjara toerana lehibe ny honko amin'ny fandrindràna ny fivezivezen'ny karbôna erantany. Raha atao salanisa, in-2,5 ka hatramin'ny in-5 amin'ny taha salantsalany ny tahan'ny fitahirizan-dry zareo karbôna ao anatin'ny rafi-piainana ankapobeny any amin'ireo ala trôpikaly mafàna, ala bôrealy sy any amin'ny faritra avo. Ireo rafi-piainana mampiasa ny karbôna manga ao Trinité-sy-Tobago Avoitran'ireo tombana voalohany fa ny ala honko ao Trinité-sy-Tobago dia mitazona karbôna 1 118 630,99 taonina raha kely indrindra. Raha ampitahaina amin'ny karbôna sintonin'ny ala an-tanety ny karbôna sintonin'ny ala honko ao Trinité, dia tsikaritra fa mitahiry 44% isanjato amboniny amin'ny karbôna isaky ny hektara ny honko raha mitaha amin'ny ala an-tanety (ary ao Tobago, asehon'ireo angondrakitra fa mitazona 61% amboniny isaky ny hektara izy ireny). Na eo aza ny anjara toerana lehibe tànany, mihamanjavona ireny rafi-piainana ireny noho ny firoboroboana vokatr'ireo hetsika tsy voalanjalanja toy ny fandotoana, ny fampiroboroboana ny faritra amorontsiraka, ireo asa fitrandrahana harena anaty tany, ny fiompiana anaty dobo tsy maharitra, ny fampiharana asa fambolena sy ireo tranga ara-toetrandro mahery vaika. Teo anelanelan'ny 1990 sy 2020, ny Fikambanana Iraisampirenena momba ny Sakafo (FAO) dia naminavina ho 1,04 tapitrisa hektara ny fihenàn'ny ala honko. Tao Trinité fotsiny, lasa 6 941,68 hektara tamin'ny 2020, raha 7345,54 hektara ny velaran'ny ala honko tamin'ny 2007. Fampiasana vola amin'ny karbôna manga mba hiarovana ny honko Mitondra avy hatrany any amin'ny fihenàn'ny fitrohana ny karbôna ny fanjavonan'ny ala honko. Vokany, rehefa simba ny fitahirizana karbôna dia mety hitombo ny fielezan'ny entona karbôna eny amin'ny rivotra. Ny fandripahana sy ny fahapotehan'ny ala ary ny fiovàn'ny fampiasàna ny tany no loharano faharoa lehibe indrindra amin'ny fandefasana ny karbôna vokatry ny ataon'ny olombelona, izany hoe ny 8 hatramin'ny 20 %. Ny fanjavonan'ny ala honko dia singa iray manandanja amin'ireny fielezan'ny entona karbôna ireny, satria ny honko dia rafi-piainana iray manankarena karbôna. Tato anatin'ny taona vitsivitsy, nandrisika ny fiarovana ny ala honko ireo fifampiraharahàna natanjaka momba ny toetrandro manerantany noho ny fahafahany mampihena ny fandefasana entona karbôna miteraka hafanàna. Raha jerena ny lanjan'ny fitahirizana karbôna manga, ahitàna fiakarany hatrany ny tsenan'ny karbôna. Miaraka amin'ny fanohanan'ny andininy faha 6 ao anatin'ilay Fifanarahan'i Parisy, ny tsenan'ny karbôna dia voafaritra ho toy ny rafitra fanalahidy hamoronana fanoitra ara-toekarena amin'ny fampihenana amin'ny fomba mahomby ny fandefasana entona mampitombo hafanàna, ary ireny tsenan'ny karbôna ireny dia ekena ho afaka hanentsina ny banga any amin'ireo firenena lasibatr'ilay famatsiambola ho an'ny hetsika ara-toetrandro voatanisa ao anatin'ny fandraisana anjaran-dry zareo eo amin'ny sehatra nasiônaly (NDC). Ohatra, ny NDC ao Trinité-sy-Tobago (2018) dia ahitàna ireo fepetra hanohizana ny fampivoarana ireo tetika ara-barotra azo tanterahana amin'ny entona karbôna ikendrena ny hampihenàna ny fanelezana azy ireny eny anivon'ny sehatra indostrialy. Raha ny marina, 83 % amin'ireo NDC dia mikasa ny hampiasa ireny rafitra famatsiambola avy amin'ny karbôna ireny mba hampihenàna ny fandefasana entona miteraka hafanàna (GES). Ny rafitra fampindramam-bola karbôna manga ao Trinité-sy-Tobago Eo amin'ny sehatra iraisampirenena, misedra olana maro ny tsenan'ny karbôna, toy ny fanisàna in-droa miantaona an'ireo fihenàn'ny fandefasana entona GES ary ny famotsiambola amin'ny resaka tontolo iainana. Amin'ny maha-zana-tsampan'ny tsenan'ny karbôna azy, dia misedra olana mitovitovy amin'izany koa ny tsenan'ny karbôna manga. Miaraka amin'ny fitomboana tsy mitsahatra amin'ny filàn'ireo orinasa, ilaina ny manamarina ireny famatsiambola ireny sy mahazo antoka fa tsara kalitao izy ireny, izay manome lanja misimisy kokoa an'ireo fomba fivelomana tohanan'ireny rafi-piainana ireny. Mifanindran-dàlana amin'ny faniriana hahazo famatsiambola tsara kalitao, ilaina ny manana rafitra iray matanjaka ho fandrefesana, fanaovana tatitra ary fanamarinana (MRV) mba hiantohana ny maha-iray tsy mivaky ara-tontolo iainana manaraka ny fenitry ny rafitr'ireny tsena ireny. Io fandraisana andraikitra iombonana io dia mikendry ny hanao sarintsarina rafitra fampindramam-bola karbôna manga manana kalitao ambony ho an'i Trinité-sy-Tobago, izay anasàna ireo sampan-draharaham-panjakana, ireo vondrom-piarahamonina, fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana, fikambanam-piarahamonina ary ireo mpampiasa vola avy amin'ny sehatra tsy miankina sy iraisampirenena. Laharam-pahamehana ny fametrahana rafitra MRV nomerika iray, ahitàna sehatra apetraka mba ho fisoratana anarana handray ny famatsiambola karbôna aterak'ireo tetikasa fanarenana sy hanamoràna ireo hetsika fifampizaràna fahalalàna momba ny karbôna manga any amin'ireo nosy roa. Ny Institute of Marine Affairs (IMA) ihany koa dia nanao fikarohana ho fanombanana ny fisintonana sy fitahirizana ny karbôna any anaty honko, ny “biomasse” misy ireo ahimaitso an-dranomasina ary ny tany. Karohany manokana ny hamaritra raha toa ireny rafi-piainana ireny ka afaka ny ho ampiasaina ho fanonerana ny fandefasana entona karbônika avy amin'ny indostria, izay mety hahafahana misaintsaina ny ho fahafahana mametraka fandaharanasa fampindramam-bopla karbôna manga manana kalitao ambony. Raha mahomby, ny fampivelarana fandaharanasa tahàka izany dia mety hanampy an'i Trinité-sy-Tobago hanatratra ny tanjony amin'ny resaka NDC, hampivelatra ny toekareny manga sy hitandro ireo rafi-piainana karbôna manga ananany. [END] --- [1] Url: https://mg.globalvoices.org/2024/06/28/170384/ Published and (C) by Global Voices Content appears here under this condition or license: https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/. via Magical.Fish Gopher News Feeds: gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/