(C) Global Voices This story was originally published by Global Voices and is unaltered. . . . . . . . . . . Ireo ekipa an-dranomasina mitazona an'i Afrika ho afaka mifandray amin'ny aterineto [1] ['Jacobo Nájera'] Date: 2024-06-30 Miankina mivantana amin'ny “cabotage” ataon'ireo sambo eny an-dranomasina sy ny fahaizamanaon'ireo ekipany ny fampitàna angondrakitra amin'ny aterineto, amin'ny alàlan'ny asa fametrahana, fanohanana ary fanamboarana ireo hosona any amin'ny fanambanin'ny ranomasina. Iray monja amin'izy ireny no tsy mandeha dia very ny fifandraisana. Nanamafy izany ny hetsika natao efa nandritra ny 60 andro nataon'ireo sambo Léon Thévenin sy CS Sovereign ary ny tantsambo tao anatiny, izay nanatontosa asa fanamboarana ireo hosona tany amin'ny fanambanin'ny ranomasina mba hamerenana amin'ny laoniny ireo fotodrafitrasam-pifandraisana aterineto izay nandona mafy be an'i Afrika Andrefana sy Atsimo. Na ohatra aza ny fidirana amin'ny aterineto ka azo atao amin'ny alàlan'ireo tambajotra finday, ny zanabolana na ny hosona an-tanety mampiasa taratra (FO), dia miankina amin'ireny rafitra hosona anaty ranomasina ireny ny fifanakalozana ataonao erantany, izay ahitàna tariby miisa 600 miasa mavitrika. Tamin'ny 14 Martsa 2024, tapaka ireo hosona an-dranomasina West Africa Cable System (WACS), ny Africa Coast to Europe (ACE), ny SAT3 sy MainOne. Fahatapahan'ny hosona mihitsy no niteraka ireo olana tao Côte d'Ivoire sy Senegaly, hoy ny nambaran'ny orinasa Main One Service tomponandraikitra amin'ny fitrandrahana ny iray amin'ireo hosona ireo. Ny fanadihadiana savaranonando nataon-dry zareo dia nanosoka fa ny hetsiky ny tany tao amin'ny fanambanin'ny ranomasina no mety ho niteraka ireny fahatapahana ireny. Fallas y cortes en los cables submarinos West Africa Cable System (WACS), Africa Coast to Europe (ACE), SAT3 y MainOne están afectando la conectividad a Internet en África Occidental y Sudáfrica. Muestran los datos de ruteo recuperados por @IODA_live. https://t.co/LO9AG97CGb pic.twitter.com/5OC5GLi9Qi — Jacobo Nájera (@jacobonajera) March 14, 2024 Miantraika amin'ny fifandraisana aterineto ao Afrika Andrefana sy Atsimo ny fahatapahan'ny hosona ambany ranomasina West Africa Cable System (WACS), ny Africa Coast to Europe (ACE), SAT3 ary MainOne. Fanehoana ny angondrakitra avy amin'ny familian-dàlana nangonin'ny @IODA_live. https://t.co/LO9AG97CGb pic.twitter.com/5OC5GLi9Qi — Jacobo Nájera (@jacobonajera) 14 Martsa 2024 Taorian'ireny fahatapahana ireny, ny mpandrindra ny aterineto tao Ghana, iray tamin'ireo firenena tena voadona mafy, dia nanambara fa 90 hatramin'ny 100 isanjaton'ny fahafaha-mampitan'ireo hosona anaty ranomasina no very. Asehon'ny tatitra navoakan'ny fikambanana Internet Society fa firenena 13 tao Afrika no voakasika, ireo amin'ny morontsiraka andrefan'i Afrika: Benín, Borkina Fasô, Kamerona, Côte d'Ivoire, Gambia, Ghana, Ginea, Liberià, Namibia, Nízera, Nizerià, Afrika Atsimo ary Tôgo. Vokatr'izany, niteraka faharatsian'ny tolotra sy tsy fahafahana niditra, efa saika ho ny aterineto manontolo, ilay izy. Tetsy ankilany, mifanandrify amin'ireo tsoakevitry ny Internet Society ny angondrakitra momba ny familian-dàlana voaangona tao Afrika nataon'ny Tetikasa Internet Outage Detection and Analysis (IODA) an'ny Georgia Tech. Ny orinasam-pikarohana momba ny fifandraisandavitra, TeleGeography,, dia naharakitra fa rehefa atao ny salanisa dia nisy teo amin'ny 100 teo ny fahatapahana hosona anaty ranomasina nanerana izao tontolo izao. Hazavainy ihany koa fa zara ianao raha maheno resaka fiara amin'ny ankamaroan'ireo tranga, fa tsinjarain'ireo orinasa mpanome tolotra aterineto amin'ny alàlan'ny hosona ny tambajotran-dry zareo, ka raha sanatria misy iray manana olana izy ireny, dia miasa tsy misy olana amin'ny alàlan'ireo hosona hafa ny tambajotranao mandra-panamboatra ilay hosona. Ao Afrika, misy ny toejavatra tsy ara-dalàna. Ilay antrôpôlôgy, Jess Auerbach, izay mandalina ny momba ireo fotodrafitrasam-pifandraisana ao amin'ny firenena dia nizara tao amin'ny gazety The Conversation fa: Mamatotra ara-bakiteny tanteraka an'i Afrika izao ny hosona mampiasa taratra (Fibre Optique), na dia misosa kokoa noho ny any an-kafa aza ny fifandraisana ho an'ny faritra sasany ao amin'ilay tanibe. Izay mihitsy, tato anatin'ny taompolo farany dia nampiasa vola be ireo sampandraharaham-panjakana sy tsy miankina. Araka ny sarintany afaka kitihana maneho ireo hosona FO, dia mazava fa somary tsara toerana ny ao atsimon'i Afrika. Rehefa mitragna ny olana, ora vitsy ihany no voadona ny tambajotra alohan'ny hamiliana ny fifamoivoizana amin'ny aterineto; dingana ara-teknika izay miankina ihany anefa amin'ny maha-vonona na tsia an'ilay làlana safidy sy ny fifanarahana ifanaovan'ireo orinasa eo an-toerana mba hahafahana manao ilay familiana làlana. .Ankoatra izay, any amin'ireo firenena ao Afrika (isan'izany i Sierra Leone sy Liberià), ny ankamaroan'ireo hosona dia tsy manana làlan-kiviliana (mitovitovy amin'ireny hita amin'ny làlambe migodana -autoroute- ireny), ka hosona FO tokana ihany no miditra ao amin'ilay firenena nitrangàna fahatapahana hosona. Ny Vaomiera Erantany ho Fiarovana ny Hosona (ICPC) dia milaza fa ny fahavoazana nanjo ireo hosona nateraky ny fikisahan'ny tany na horohorontany no manome ny 10% amin'ireo olana voarakitra. Ny antony hafa dia vokatry ny loza mahavoarohirohy ireo sambo mpanjono sy ny fitaritarihan'izy ireny ny vato fantsikany. Tsy dia fahita firy ny asa fisomparana sy ny kaikitry ny antsantsa. Niainga avy tao Cap ary tonga tany Côte d'Ivoire tamin'ny 29 Martsa ny sambo Leon Thevenin mba hanamboatra ny hosona SAT-3. Raha tontosa ny fanamboarana ny hosona ACE tamin'ny 17 Aprily dia vita ny WACS tamin'ny 30 Aprily. Ary farany dia ny MainOne tamin'ny 11 May. Nambaran'ilay antrôpôlôgy, Auerbach, fa “Mpiasa sy teknisiàna tena manampahaizana manokana no maka sy manamboatra ireo hosona izay indraindray mahatratra an-kilaometatra ny halalina misy azy any an-dranomasina.” Iray amin'ireo fironana amin'izao fotoana izao izay notsipihan'ilay mpianatra momba ireny fotodrafitrasa ireny koa ny hoe fifangaroana fikambanana tsy miankina sy ny avy amin'ny fanjakàna ny famatsiambola ireo hosona ireo, fa misy koa ankehitriny ireo orinasa goavana tsy miankina toy ny Alphabet, Meta ary ny Huawei. “Misy fiantraikany be amin'ny fifehezana sy ny fanarahamaso ireo fotodrafitrasa nomerika izany”, hoy izy. Midika izany fa mety hitera-doza ho an'ny fiandrianana nomerikan'ny firenena izany. Ny fitazonana ny fifandraisana aterineto manerana izao tontolo izao dia miankina mivantana amin'ny “cabotage” ataon'ireny sambo ireny sy ny fahaizamanaon'ireo tantsambo ao aminy, izay miantoka ny fitetezana sy ny fikojakojàna ireo hosona an-dranomasina mizara ny fifamoivoizana aterineto mamakivaky ny ranomasina. [END] --- [1] Url: https://mg.globalvoices.org/2024/06/30/170411/ Published and (C) by Global Voices Content appears here under this condition or license: https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/. via Magical.Fish Gopher News Feeds: gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/