(C) Global Voices This story was originally published by Global Voices and is unaltered. . . . . . . . . . . Mbola vitsy ny vehivavy mpitarika eo amin'ny sehatra politika thailandey. Inona no azo atao? [1] [] Date: 2024-06-30 Navoakan'ny Prachatai voalohany, tranonkalam-baovao tsy miankina iray ao Thailandy ity lahatsoratra nosoratan'i Kamonchanok Rueankham ity. Navoakan'ny Global Voices indray ny dika nasiam-panovana noho ny fifanarahana fifampizarana votoaty. Araka ny tatitry ny Vehivavy ao amin'ny Firenena Mikambana, nanomboka ny volana Janoary 2023, 20,4 isan-jaton'ny seza voafidy tao amin'ny governemanta eo an-toerana ihany no azon'ny vehivavy Thailandey. Tamin'ireo toerana 89.329 , 18.262 no vehivavy. Vitsy ny vehivavy mpitarika eo amin'ny sehatra politika eo an-toerana. Noho ny fetra manokana tsy maintsy atrehin'izy ireo, dia tsy maintsy miasa mafy kokoa ny vehivavy Thailandey mba ho hita ho mitovy amin'ny lehilahy sahala aminy. Na izany aza, mbola maro no mihoatra ireo fetra ireo ary miezaka mba hanentana ny taranaka vaovao hanatevin-daharana ny asam-panjakana. Tafo fitaratra Tamin'ny fifidianana teo an-toerana tamin'ny taona 2020, toerana 12 tamin'ireo 76 ihany no azon'ny vehivavy ho filohan'ny Fikambanan'ny Fitantanan-draharahan'ny Faritra na Organisation Administrative Administratives (PAOs), araka ny angon-drakitra avy amin'ny Ivo-toerana King Prajadhipok. Araka ny filazan'ny Rocket Media Lab, vitsy loatra hatrany am-boalohany ny vehivavy kandidà ho filohan'ny PAO. Tamin'ireo kandidà 332, 238 no lehilahy (85 isanjato) ary 49 ihany no vehivavy (15 isanjato). Mitàna ny toerana mpanatanteraka voafidy ambony indrindra amin'ny fitantanana eo an-toerana ireo filohan'ny PAO. Manana Filankevitra mpanao lalàna, voafidy ihany koa ny PAO. Eo ambanin'ny PAO no misy ny Fikambanan'ny Fitantanan-draharaha Zana-distrika na Organisation Administratives Sous-district (SAO) sy ny kaominina. Misy ihany koa ny faritra ara-pitantanana manokana toa an'i Bangkok sy Pattaya. Nitatitra ny Ivotoeran'ny King Prajadhipok fa tamin'ireo filohan'ny SAO 5300 izay niasa nanomboka tamin'ny fanonganam-panjakana miaramila tamin'ny taona 2014 ka hatramin'ny taona 2021, lehilahy ny 93 isanjato ary 7 isanjato monja ny vehivavy. Teo anivon'ny kaominina tamin'izany fotoana izany ihany, 2.233 no lehilahy ben'ny tanàna ary 208 ny vehivavy. Ho an'ny mpikaroka sasany, ny tsy fahampian'ny solontenan'ny vehivavy ao amin'ny governemanta eo an-toerana no azo lazaina fa anton'ny hevitra miely patrana, miorim-paka amin'ny andrim-panjakana isan-karazany, fa tsara kokoa ho an'ny vehivavy ny miaina ao an-tokantrano amin'ny maha vady sy reny azy, satria tsy afaka “ manana izany rehetra izany ny vehivavy, ary manana toetra mpitarika tsara kokoa ny lehilahy.” Na dia lany aza izy ireo, mbola tsy maintsy miatrika ny olana ara-drafitra izay tsy maintsy atrehin'ny mpitondra rehetra ny vehivavy mpitarika ao amin'ny governemanta eo an-toerana. Matetika voafetra ny manana fahefana sy ny fitaovana, sady miandraikitra mifanipaka ireo rafitra voafidy eo an-toerana, ka mametraka azy ireo amin'ny adim-pahefana amin'ireo governoran'ny faritany sy lehiben'ny distrika voatendry avy any Bangkok. Na dia eo aza ireo famerana ireo, miasa fatratra mba hiady amin'ny fanavakavahana ny vehivavy, hanatsara ny fari-piainan'ny vahoaka, sy ho tonga ohatra velona ho an'ny taranaka ho avy ireo vehivavy mpitarika politika eo an-toerana. Miondrika “Raha miasa 100 isanjato ny lehilahy, dia tsy maintsy miasa 500 isanjato amin’ny zava-drehetra izahay,” hoy i Kesirin Tunkeaw, Filohan’ny Fikambanan’ny Fitantanana ny Zana-Distrika Mae Win, Faritanin’i Chiang Mai. Nanampy izy hoe: In the past, they did not have confidence in women. They taught that men are the front legs of the elephant, and women are the back legs. The problem was that they did not have much confidence in women to do the work. They see that women only work behind the scenes such as washing clothes, cooking, and farming. Tsy natoky ny vehivavy izy ireo taloha. Nampianatra izy ireo fa ny lehilahy no tongotry ny elefanta eo aloha, ary ny vehivavy no tongotra aoriana. Ny olana dia tsy natoky ny vehivavy hanao ny asa izy ireo. Hitan’izy ireo fa tsy miasa afa-tsy any ambadika any ny vehivavy toy ny manasa lamba, mahandro sakafo ary miompy. Anisan’ny zava-bitany tena nireharehany tamin’ny naha-filohan’ny SAO azy ny fandoavana tetibola azo entina hitondrana herinaratra ho an’ny vondrom-piarahamonina lavi-dalana any amin’ny faritry ny ala, izay tsy vitan’ny solombavambahoaka tao amin’ny fari-piadidiana misy azy. Teo ambany fitarihan'i Kesirin, namaha irery ny adin-tany teo amin'ireo mponina i Mae Win SAO, nilaza ireo mponina fa niasa ny tany nandritra ny taranaka maro izy ireo, kanefa nilaza ny manampahefana fa nanitsakitsaka ny fiarovana ny ala izy ireo. Amin'ny fampivondronana ireo mpiara miombon'antoka mba hametraka fifankahazoana iraisana, amin'ny fampiasana zanabolana ho an'ny famerana, sy ny fanarahamaso ny firaketana an-tantara, nandany fitsipika i Mae Win SAO mba hanomezana ny zo fananan-tany ho an'ny mponina ka izy ireo ihany no afaka mampita izany amin'ny taranany manaraka ary voaràra ny fivarotana ny tany. Tetikady samihafa Rehefa mahazo fahefana ao amin'ny governemanta eo an-toerana ny vehivavy mpitondra, dia misy ohatra vitsivitsy harahina. Rehefa tonga eo amin'ny fitondrana izy ireo, dia manana fanapahan-kevitra stratejika horaisina, anisan'izany ny fomba fitarihana tokony hapetrany sy ny olana tokony hataony laharam-pahamehana. Women also have sensitivity and sympathy, which lead to empathy in solving a problem in a serious way, and which lead to acknowledgment of the problem in order to coordinate to fight for a solution, follow-up, and solve the problem in a concrete way. Manana fahatsapana sy fiaraha-miory ihany koa ny vehivavy, izay mitarika amin'ny fiarahamientana hamaha ny olana amin'ny fomba matotra, ary mitarika amin'ny fanekena ny olana mba handrindràna, hitady vahaolana, fanaraha-maso ary famahana ny olana amin'ny fomba mivaingana. Ho an'i Wongakuea, ny maha mpanao politika vehivavy dia midika hoe manana fahafahana bebe kokoa hanosika ireo olana manokana momba ny vehivavy, ny ankizy, ary ireo vondrona marefo, indrindra fa ny momba ny fanabeazana, ny herisetra an-tokantrano, ary ny fitomboan'ny fidiram-bola ho an'ny vehivavy eo an-toerana. Ho an'i Wongakuea Bunson, mpikambana teo aloha tao amin'ny Fikambanan'ny Filankevi-pitantanan'ny Faritany Sakon Nakhon, manana ny heriny manokana ny fidirana amin'ny politika amin'ny maha vehivavy azy. Iray amin'ireo tombony amin'ny maha-vehivavy mpanao politika ny fahaizana mifandray. Srisopha Kotkhamlue, solombavambahoaka avy amin'ny antoko Pheu Thai ao amin'ny Boriborintany faha-10 any Chiang Mai kosa manana fomba fijery hafa amin'i Wongakuea. Talohan'ny naha solombavambahoaka azy dia sekreteran'ny filohan'ny PAO Chiang Mai i Srisopha ary mpitantana ny ekipan'ny baolina kitra Chiang Mai United. Raha ny fomba fijeriny, ny olana sasany, toy ny fotodrafitrasa fototra sy ny toekarena no tena maika kokoa any amin’ny fari-piadidiany noho ny zon’ny vehivavy, na dia samy manan-danja aza. Na dia mandray fitenenana amin’ny anaran’ny fari-piadidiany ao amin'ny parlemanta aza no tena andraikiny amin’ny maha depioten’ny boriborintany azy, dia manana ny anjara toerany amin’ny fitantanana eo an-toerana ihany koa izy. Most duties of constituency MPs are more like mediating and taking care that the local people have what is suitable for Chiangmai Constituency 10. It is the biggest constituency in Chiang Mai Province, and comes with a lot of responsibilities. Ny ankamaroan'ny andraikitry ny solombavambahoaka ao amin'ny fari-piadidiany dia toy ny fanelanelanana sy fikarakarana ny mponina ao an-toerana mba hahazo izay sahaza ny fivondronan'i Chiangmai 10. Io no fari-piadidiana lehibe indrindra ao amin'ny faritanin'i Chiang Mai, ary manana andraikitra maro. Inona no tokony hatao? Lasa ohatra ho an'ny taranaka tanora ny vehivavy mpitarika. Te-hanomboka ny asany ara-politika ao amin'ny faritany niaviany ao Amnat Charoenin any avaratra atsinanana i Jutatip Sirikhan, mpikatroka ara-politika sady mpitarika ny hetsi-panoherana mpomba ny demokrasia tamin'ny taona 2020–2021,. Vitsy ihany anefa ireo vehivavy tanora liana amin’ny politika eto an-toerana, hoy izy. Matetika mifandray amin'ny fitaomana, ny vola ary ny fandraharahana ny politika eo an-toerana, izay heverina ho sehatra ho an'ny lehilahy. Noho izany, manana eritreritra faharoa momba ny fidirana amin'ny politika eo an-toerana ny vehivavy tanora kokoa . Araka ny filazan'ny Profesora Mpanampy Dararat Khampeng ao amin'ny Oniversiten'i Phayao, vehivavy maro no nanomboka asa fanompoana ho an'ny daholobe ho Mpilatsaka an-tsitrapo momba ny Fahasalamana ao An-tanàna na Mpilatsaka an-tsitrapo amin'ny Asa. Tamin'ny voalohany, dia noraisin'ny fiaraha-monina tsara izy ireo. Saingy rehefa manapa-kevitra hiditra amin'ny politika eo an-toerana izy ireo dia mihena amin'ny ankapobeany ny fanohanan'ny vahoaka. Raha ny fahitany azy, dia lamina ara-piarahamonina izany fa tsy fitambarana tranga misaraka. Any amin'ny firenena maro, ampiharina ireo fepetra isan-karazany ara-tarehimarika momba ny lahy sy ny vavy mba “hanitsiana ny tsy fifandanjana ara-tantara eo amin'ny lahy sy ny vavy eo anivon'ny governemanta eo an-toerana sy ny fisoloan-tena haingana ny vehivavy,” araka ny tatitry ny Vehivavin'ny Firenena Mikambana Taona 2021. Mety ho an-tsitrapo na ara-dalàna ireo fepetra ireo. Araka ny filazan'ny UN Women, mandaitra kokoa ny fepetra voalazan'ny lalàna. Toa mandresy lahatra ireo hevitra ireo. Na izany aza, mihevitra ny manam-pahaizana sasany fa mety tsy ho sahaza an'i Thailand izy ireo. Amin'ny lafiny iray, tsy hisy dikany mihitsy ny fifandanjana eo amin'ny lahy sy ny vavy eo amin'ny politika eo an-toerana raha tsy nomena lanjany tany am-boalohany ny politika eo an-toerana. “Amiko, tsy olana loatra ny resaka momba ny lahy sy ny vavy sy ny politika eo an-toerana noho ny zava-misy fa anjakan'ny foibe amin'ny alàlan'ny fampivondronana ny fahefana ara-politika ny politika eo an-toerana ary mijanona ao amin'ny foibe sy Bangkok ny harena”, hoy ny Profesora Pinyapan Potjanalawan ao amin'ny Oniversiten'i Lampang Rajabhat. Ankoatra izay, na dia nampiharina aza ny fetran'ny lahy sy ny vavy, dia mbola ho “dingana voalohany ihany” izany ary “tsy ho fomba iray hiantohana ny fahefana, ny fanekena, ary ny fananganana politikam-panjakana azo hidiran'ny vehivavy kokoa,” hoy i Dararat. “Tsy hitranga ireo zavatra ireo rehefa tsy manaiky tokoa ny fahaizan'ny [vehivavy] sy ny toetran'ny vehivavy mahavita zavatra ny fiarahamonina, ary rehefa tsy mifehy sy mitarika ny eritreritry ny vehivavy mpitarika ny rafitra fanjakazakan-dehilahy,” hoy i Dararat. Ho an'i Dararat sy Pinyapan, ny vahaolana maharitra dia ny fanomezan-kery ny vehivavy amin'ny ambaratonga rehetra, fa tsy eo amin'ny sehatry ny mpitondra eo an-toerana ihany. Azo atao izany rehefa mivondrona ny vehivavy mba hanangana vondrona vehivavy ary manosika ny politika ho an'ny zon'ny vehivavy amin'ny alàlan'ny sehatra rehetra misy, indrindra amin'ny alàlan'ny governemanta eo an-toerana. [END] --- [1] Url: https://mg.globalvoices.org/2024/06/30/170239/ Published and (C) by Global Voices Content appears here under this condition or license: https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/. via Magical.Fish Gopher News Feeds: gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/