(C) Global Voices This story was originally published by Global Voices and is unaltered. . . . . . . . . . . Miomana ny hanidy ilay sisintany farany fiampitàna iraisany amin'i Belarosia i Pôlônina, raha mbola mitohy kosa ny krizin'ny mpitsoa-ponenana [1] ['Daria Dergacheva'] Date: 2024-06-30 Ny harivan'ny 22 Jona, nambaran'ny minisitry ny raharaha ivelany ao Pôlônina, Radosław Sikorski, fa eritreretin'ireo manampahefana ankehitriny ny hanidy ireo toeram-panarahamaso roa mbola amperinasa any amin'ny sisintany iraisany amin'i Belarosia, hoy ny nosoratan'ilay media belarosiàna tsy miankina Belsat. “Raha jerena ny fihetsik'i Belarosia, dia mihevitra izahay ny hanakatona ireo sisintany rehetra fiampitàna,” hoy i Sikorski araka ny nitateran'ny Business Insider azy. Ho an'i Sikorski, amin'izao fotoana izao ny governemanta dia andalana mamaritra “raha hisy vokadratsy ho an'ny toekarena izany na tsia.” “Nanidy ny sisintaniny iraisany amin'i Rosia i Finland, dia nitsahatra ny olana,” hoy ilay minisitra nanampy. Tsy nanome antsipirihany misimisy kokoa izy. Araka ny notaterin'ny DW, niainan'i Finland ny fidirana mpitsoaponenana niisa 1300 teo ho eo, tonga teny amin'ireo toerana fanarahamaso ny sisintany iraisany amin'i Rosia tamin'ny faramparan'ny 2023. Ho setriny, tamin'ny Aprily 2024 dia nakatony tanteraka ny sisintany iraisany amin'i Rosia, mandritra ny fotoana tsy voafetra. Dr. Stephen Phillips avy amin'ny Ivontoerana ho an'ny Zon'Olombelona ao amin'ny Abo Akademi, Finland, dia nanoratra imailaka ho an'ny Global Voices: Nanaraka ny fivoaran'ny toedraharaha momba ny sisintany iraisan'i Pôlônina sy Belarosia aho. Ao amin'io sisintany io, hitantsika ankehitriny ny fifandirana mazava eo amin'ny resaka fiarovana sy ny fitadiavana fialokalofana, ka ny feo momba ny fiarovana no avo kokoa aloha hatreto. Rehefa io fomba fijery mitodika kokoa amin'ny resaka fiarovana io no manjaka, dia tena misy ambana mibaribary hoe ho lasa maivan-danja ny fiarovana ireo mpitsoa-ponenana sy ny zo iraisampirenena, na mety tena ho ahilika tanteraka mihitsy aza. Toy ny ao Finland, resaka mandeha ao Pôlônina ny hoe fifindramonina atao fitaovana no misy, atosiky ny firenena iray feno fankahalàna avy any ivelany, fa tsy ny fijerena ireo filàna araka ny maha-olombelona an'ireo olona mifindra. Manokatra varavarana tena mety hampidi-doza be ho an'ny fiarovana sy ny fananjàna ireo zo fototra izany. Taorian'ireo famaizana napetraky ny Fiombonambe Eorôpeàna tamin'i Belarosia noho ilay fifidianana filohampirenena notoherina be, an'arivony maro ireo mpifindramonina avy any Afovoany Atsinanana sy ireo Afrikàna no nanomboka tonga tany amin'ny sisintany iraisan'i Belarosia sy Litoania tamin'ny fahavaratry ny taona 2021. Araka ny notaterin'ny DW, i Pôlônina sy ireo fanjakana balta dia miampanga ny mpitarika belarosiàna, Alyaksandr Lukashenka, sy i Rosia ho mandrindra io fitobahana io, izay nivadika ho ratsy ka lasa krizin-tsisintany nitarazoka. Ireo mpiandry sisintany avy ao Pôlônina sy ireo mpiray vodiirindrina aminy dia nanakana andrana tsy ara-dalàna fiampitàna sisintany niisa teo amin'ny 150.000, indrindra fa ho ao Pôlônina. Ny mpitondra tenin'ireo mpiandry sisintany pôlôney, Andrzej Juzwiak, nilaza tao anaty antsafa iray nifanaovany tamin'ny DW fa ilay krizy dia vokatr'ireo fihetsik'i Belarosia, tamin'ny famoronany làlana fifindramonina artifisialy. Mino ireo manampahefana ao anivon'ny Fiombonambe Eorôpeàna fa i Rosia sy Belarosia dia miezaka ny hanozongozona ny Fiombonambe Eorôpeàna, kanefa 90 isanjaton'ireo mpifindramonina mankao Pôlônina dia mitondra fahazoandàlana (visa) rosiàna avokoa. Mandritra izany fotoana izany, araka ny nitateran'ny Global Issues azy tamin'ny Aprily 2024, mbola henjana foana ny krizin'ny mpifindramonina eny amin'ny sisintany iraisan'i Belarosia amin'ny Fiombonambe Eorôpeàna, miaraka amin'ireo avy amin'ny elatra havanana miampanga ireo famoretana an-kerisetra ataon'ireo mpiandry sisintany avy amin'ny andaniny sy ny ankilany nanomboka tamin'ny fiandohan'ny fahavaratra 2021. Ny famoretana ireo ONGs ao Belarosia dia nanery ny maro hampiato ny fanampiany ireo mpifindramonina, namela azy ireny ho zara raha mahita fanampiana noho ny maha-olona. Na eo aza ireo fikambanana iraisampirenena manome tolotra, dia atahoran'ireo mpikatroka ny tsy fahampian'izy ireny. Enira Bronitskaya avy amin'ilay ONG belarosiàna Human Constanta, miasa amin'izao fotoana izao ao Pôlônina, dia nanamarika ny fitomboan'ny herisetra sy ny tsy fahampian'ny tohana ho an'ireo mpialokaloka noho ny fanaovana ny asa fikatrohana ho toy ny heloka bevava ao Belarosia. Fanampin'izay, ireo mpiandry sisintanin'ny Fiombonambe Eorôpeàna ao Pôlônina, Latvia ary Litoania dia voampanga ho manao herisetra sy fomba tsy manaja ny maha-olombelona amin'ireo mpifindramonina, manitsakitsaka tsotra izao ny zon'izy ireny ho afaka hanao fangatahana fialokalofana. Bartek Rumienczyk avy amin'ny ONG pôlôney We Are Monitoring (WAM) dia nitatitra tranga marobe mahakasika fanararaotana ara-batana sy tsy firaharahiana fangatahana fialokalofana, mahatonga ireo mpifindramonina ho tafahitsoka anaty toedraharaha mahatsiravina eny anelanelan'ireo sisintany. Joanna Ladomirska avy amin'ireo Mpitsabo Tsy Voafefin-tSisintany (MSF) dia nanoritra io faritra io ho “faritry ny fahafatesana,” toerana izay maha-voafandrika ireo mpialokaloka eo anelanelan'ny fefin'ny Fiombonambe Eorôpeàna sy ny tariby misy tsilon’-dry zareo Belarosiàna, tsy afaka mifandray amin'ireo ONG mba hanome azy ireo ny fanampiana ilainy. [END] --- [1] Url: https://mg.globalvoices.org/2024/06/30/170417/ Published and (C) by Global Voices Content appears here under this condition or license: https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/. via Magical.Fish Gopher News Feeds: gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/