(C) Global Voices This story was originally published by Global Voices and is unaltered. . . . . . . . . . . Tafavoaka ho tsy lany tamingana ny wombat be volon'orona any Aostralia avaratra [1] ['Kevin Rennie'] Date: 2024-06-30 Sarotra indraindray ny mahita vaovao tsara momba ny tontolo iainana. Mikaroka momba ny wombat be volon-korona any avaratr'i Aostralia, izay niala teo ambavahoanan'ny ho lany tamingana. Afindra any amin'ny alan'ny Fanjakana Powrunna any Queensland ny Wombats, toerana fahatelo toy izany ao amin'ny firenena. Nametra ny fidirana ao amin'ny alan-kininina izay mila ‘fatranà fasika sy tanimanga manokana ao anaty tany mba hanohanana ny lavaka’ ireo toerana telo ireo. Faly nanambara ny vaovao farany ny Minisitry ny Tontolo Iainana ao Queensland, Leanne Linard: In a magnificent moment for conservation, the first northern hairy-nosed wombats have been released to explore their new home at Powrunna State Forest near St George in south-west Queensland. Ao anatin'ny fotoan-pikajiana mahafinaritra, navotsotra ireo wombat voalohany be volon'orona any avaratra mba hizaha ny toeram-ponenany vaovao ao amin'ny alan'ny Fanjakana Powrunna akaikin'i St George any atsimo andrefan'i Queensland. Na dia izy aza no biby mampinono an-tanety tsy fahita firy indrindra manerantany, dia nitombo ny isan’izy ireo, raha 113 tamin’ny taona 2003, lasa 400 mahery ny taona 2024. Tamin’ny taona 1980 anefa dia tsy nisy afa-tsy 35 sisa ry zareo tao amin’ny toeram-ponenany, tao amin'ny alan’i Epping any Queensland. Marsupiales toy ny kangoroa sy koala izy ireo, izay manana paosy hikolokoloana ny zanany an-dalam-pitomboana. Mety ho 35 santimetatra ny haavony, ka hatramin'ny 1 metatra (3,3 metatra) ny halavany ary mety milanja hatramin'ny 40 kilao (88 lbs). Misy karazany telo ny wombat. Tombanana ho 400 ny isan'ny wombat be volon'orona any avaratra atahorana ho lany tamingana. 60 000 ka hatramin'ny 300 000 ny wombat be volon'orona any atsimo mila ho atahorana. Ny wombat mahazatra (antsoina hoe wombat kely orona sy matevim-bolo) no tsy dia mampanahy indrindra satria mari-toerana ny isan'izy ireo. Tsy misy ny tombana vao haingana mikasika ny isan'izy ireo. Tombanana ho 400.000 mahery ny isan'izy ireo araka ny fikarohana tamin'ny taona 2020 natao tany Victoria. Nozarain'ilay mpisera Mastodon PaperCuts any Canada tamin'ny taona 2023 ity sary nataon'ny Midjourney AI ity amin'ny Wombat haingon-trano : Misedra fandrahonana maro mahafaty ny wombat, anisan'izany ny fahaverezan'ny toeram-ponenana navadika ho fambolena, ny fanadiovana ny tany ary ny tanàn-dehibe; mifaninana sakafo amin’ireo karazana nampidirina toy ny omby sy ondry; ny biby mpiremby toy ny alikadia sy ny sakadia; ny fiara; ny aretina; ary ny fiovan'ny toetr'andro. Efa mahazatra loatra ny fifandonana amin’ny fiara sy ny kamiao. Jeff Boyd naneho hevitra tamin'ny sariny ao amin'ny farany ambonin'ity lahatsoratra ity: Sadly, every time we saw one of these signs, there was a dead wombat on the opposite side of the road. Mampalahelo fa isaky ny mahita ny iray amin'ireo famantarana ireo izahay, dia misy wombat maty teny ampitan'ny arabe. Nanoratra tantara maro momba ny wombat sy ireo karazana efa lany tamingana toy ny diprotodon goavambe ilay mpanoratra malaza boky ho an'ny ankizy sy ho an'ny olon-dehibe, Jackie French. Nizara ny hafaliany tamin'ny vaovao tao amin'ny X (Twitter taloha) izy: Nahatratra 400 ankehitriny ny isan'ny #Wombat misy volon'orona avy any avaratra!! Mihady lavaka lehibe izy ireo, izay nanjary nifantohan'ny angano Aostraliana nandritra ny doro ala nandravarava tamin'ny taona 2019–2020. Ny sary-sy-soratra malaza tamin'izany fotoana izany dia nilaza fa nanavotra biby hafa tandindonin-doza ny wombat tamin'ny alalan'ny fivangongoan-dry zareo tao anaty lavaka. Apparently wombats in fire effected areas are not only allowing other animals to take shelter in their deep, fire-resistant burrows but are actively herding fleeing animals into them. We’re seeing more leadership and empathy from these guys than the entire Federal government. pic.twitter.com/LGcpSu9x0M — Riff Raff (@RichardAOB) January 11, 2020 Toa tsy vitan'ny hoe mamela ny biby hafa hialokaloka ao amin'ny lavaka lalina sy mahatanty afo ny wombat any amin'ny faritra misy afo, fa misarika am-pivitrihana ireo biby mandositra ho ao an-davaka ihany koa. Mahita fitarihana sy fiaraha-mizaka bebe kokoa avy amin'ireo biby ireo izahay fa tsy mba avy amin'ny governemanta federaly manontolo. Na dia nivadika ho vaovao diso aza izany, nanambara ny fikarohana ara-tsiantifika notaterina tao amin'ny The Conversation fa mety manana anjara toerana lehibe amin'ny fahaveloman'ny biby hafa mandritra ny afo ny lava-biby: So, even if wombats don’t shepherd wildlife into their homes, their burrows might act as “fire refuges” — providing vital shelter, food, and even drinking water during and after a bushfire. Noho izany, na dia tsy mampiantrano bibidia ao amin'ny toeram-ponenany aza ny wombat, dia mety ho toy ny “fialofana amin'ny afo” ny lavak'izy ireo – manome fialofana lehibe, sakafo ary rano fisotro mandritra sy aorian'ny doro tanety. Mamintina ny fikarohan'izy ireo ity horonantsary ity: Manana kitapo an-damosina izay manampy azy rehefa mihady lavaka amin'ny nifiny lehibe toy ny an'ireo biby mpikiky ny Wombat. Na eo aza ny maha mpihinana ahitra azy, dia mampidi-doza ho an'ny mpilasy ny hoho mahery vaikan'ny wombat satria nanoratra ity fampitandremana ity tao amin'ny bilaoginy tamin'ny taona 2023 ny Wallaroo Adventure Store: Wombats may appear cute and cuddly, but nobody wants to wake up with a hole in their tent. Unfortunately, hungry wombats are notorious for tearing through them in the middle of the night. Mety ho mahafatifaty sy mampite-hanafosafo ny Wombat, saingy tsy misy olona te hifoha mahita lavaka ao amin'ny lainy. Mampalahelo fa malaza amin'ny fandrovitana (lay) ny wombat noana amin'ny misasak'alina . Mandefa ny sarin'ny wombat isan'andro ao amin'ny sehatra media sosialy Bluesky ny Wombat Every Day. Tonga tamin'ny andro fohy indrindra amin'ny taona ity iray ity: Farany, zava-marina an-kabone. Ny wombat irery ihany no hany biby manana diky miendrika gôba: [END] --- [1] Url: https://mg.globalvoices.org/2024/06/30/170369/ Published and (C) by Global Voices Content appears here under this condition or license: https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/. via Magical.Fish Gopher News Feeds: gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/