(C) Global Voices This story was originally published by Global Voices and is unaltered. . . . . . . . . . . Tiorkia, manatevina ny laharan'ireo firenena mihevitra hametraka lalàna momba ny olon'ny avy any ivelany (mpitsikilo) [1] ['Arzu Geybullayeva'] Date: 2024-06-30 Tiorkia, nanaraka ny dia tongotr'i Rosia, Kirgizistàna, Hôngria sy Zeôrzia raha tsy hitanisa afa-tsy vitsy ihany, dia mihevitra ny handany ny lalàna amin'ny endriny azy manokana amin'ilay lalàna miteraka resabe momba ireo olon'ny firenena any ivelany. Tokny ho napetraka nanoloana ny antenimiera lehibe nasiônaly — parlemantera tiorka — alohan'ny fiafaràn'ny taona fanaovan-dalàna amin'ity taona ity, amin'ny 1 Jolay 2024, hita ao anatin'ilay fehezana ny fanitsian-dalàna iray izay mety hampiditra famaizana araka ny lalàna ho an'ilay antsoiny hoe “ireo olona mpitaon-kevitra avy amin'ny firenena vahiny” amin'ny alàlan'ny fanitarana ireo famaritana ho any amin'ny hoe “fitsikilovana”. Ireo mpanakiana sy ireo mpanaramaso ny zo dia milaza fa ataon'ilay tolodalàna lasibatra ny fahalalahana maneho hevitra ary fialàna bàla iray hafa tsotra fotsiny ihany araka ny lalàna ilay izy ho an'ny governemanta mba hikendrena ireo olontsotra sy ny fiarahamonina sivily. Ny 4 May, ny Sampam-pitsikilovana nasiônaly ao Tiorkia (MİT) dia namoaka lahatsary iray mitondra lohateny hoe “Inona no atao hoe fitsikilovana?” Nosavasavaian'ilay lahatsary ny endrika maoderin'ny atao hoe fitsikilovana ary nampahatsiahiviny an'ireo mpijery fa ny fanampiana ireo vahiny mpanangona vaovao, niniana na tsia, dia efa heloka bevava. Andro maro taty aoriana, fantatry ny vahoaka fa ny antoko Rariny sy Fampandrosoana (AKP) dia nametraka fehezam-panitsiana lalàna vaovao indray tao amin'ny parlemanta. Tolokevitra ao anatin'ilay fanitsiana ny fanatsofohana ao anatin'ilay fehezana faha-9 ny fomba filaza hoe “olona mpitari-kevitra”. Tsy fomba fiteny vaovao akory ito farany eny anivon'ireo tomponandraikitra ao amin'ny antoko izay efa hatry ny ela no namaritra ny mpanakiana ho “olona mpitarikevitry ny avy any ivelany” araka ny voalazan'i Gurkan Ozturan, lehibe tomponandraikitry ny fanarahamaso ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety eo anivon'ny ECPMF. Amin'izany andraikiny izany, izy no nanamarika tao anaty fahana iray tao amin'ny X fa ilay fanitsiana “dia toy ny andrana iray vaovao hikendrena ny fahalalahana maneho hevitra sy ho fanampiny amin'ny lisitr'ireo lalàna hafa famoretana.” Mitovy hevitra amin'izanyt ireo fikambanana hafa iraisampirenena. Araka ny fanambaràna iray hafa navoakan'ireo Mpitsabo tsy Voafefin-tSisintany (RSF), “ilaytolodalàna dia mety hahafahan'ny governemantan'i Erdogan, tsy hoe fotsiny hanohy hanohintohina ny fahalalahana miteny sy ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety ao anatin'i Tiorkia, fa koa any ambadiky ny sisintaniny, satria ilay fanitsiana koa dia maharakotra ireo olompirenena tiorka rehetra, ny andrim-panjakana ary ireo fikambanana miorina any amina firenena iray any ivelany.” Ilay volavolan-dalàna dia mampiditra ny fampidirana am-ponja, isan'izany ny figadràna mandra-pahafaty. Lazain'ireo mpanakiana fa mety vao mainka hanakenda ny fahalalahana meneho hevitra ao amin'ny firenena ilay hetsika, fahalalahana izay efa ratsy toerana sahady ao anatin'ny tondron'ny fanomezana laharana momba ny fahalalahana erantany. Tamin'ny fotoana nanoratana ity lahatsoratra ity, mpanao gazety roapolo teo ho eo nomiatrika fitsaràna mety hisazy hatramin'ny15 taona an-tranomaizina noho ny vesatra ho nanao asa fampihorohoroana natao azy ireo, niainga tamin'ny filazàna azy ireo ho nandray anjara tamin'ireo media vahiny. In Turkey the proposed “judicial reform” bill appears to call for further restrictions on social media & freedom of expression It reportedly sets out a new offence for so-called “agent of influence”, which has echoes of the foreign agent laws in Russia, Hungary & other countries https://t.co/hUErcDOj34 pic.twitter.com/dhSf1lniU8 — Stefan Simanowitz (@StefSimanowitz) May 13, 2024 [END] --- [1] Url: https://mg.globalvoices.org/2024/06/30/169744/ Published and (C) by Global Voices Content appears here under this condition or license: https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/. via Magical.Fish Gopher News Feeds: gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/