(C) Global Voices This story was originally published by Global Voices and is unaltered. . . . . . . . . . . Fanalavàna ny faharetan'ny tetezamita ao Afrika Andrefana: fandalinan'i Komlan Avoulete [1] ['Jean Sovon'] Date: 2024-07-01 Hatramin'ny 2020, maro ireo andiana fanonganam-panjakàna niainan'ny faritra andrefan'i Afrika: mbola miaramila daholo hatramin'izao no mitondra ao Mali, Borkina-Fasô, Ginea ary Nizera, izay tsy mitsahatra ny manalava ny faharetan'ny vanimpotoana tetezamita no sady mampiasa ny fomba rehetra azony atao mba hipetrahana ela eo amin'ny fitondrana. Mba handalinana io toedraharaha io izay hatry ny taona marobe no nanao ho toy ny tsy nisy ireo zavabita demaokratika, ny Global Voices dia nitafa tamin'i Komlan Avoulete, tôgôley mpikaroka momba ny jeôpôlitika. Marobe amin'ireo asany no mitodika amin'ny olana ao Afrika, indrindra fa ireo fifandraisan'i Afrika amin'i Etazonia na i Frantsa, ary ny asa fampihorohoroana ao Afrika Andrefana. Mandray anjara tsy tapaka amin'ny fanoratana boky izy, toy ny Foreign Policy Research Institute sy ny International Policy Digest. Jean Sovon (JS): Ahoana no hanazavanao ny fahombiazan'ireo fitondràn'ny miaramila ao Nizera, Mali, Ginea ary Borkina Fasô? JS: Mametraka tetezamita mitatra tsy misy farany ireny fitondrana ireny. Inona no ho vokatry ny tetikady pôlitika tahàka izany ao anatin'ny fotoana maharitra? Ny hoavin'ireo firenena ireo rehefa tapitra ny tetezamita dia mifamatotra amin'ny fanapahankevitr'ireo mpitarika, na hirotsaka na tsia amin'ny fifidianana, ary ny resaka fandriampahalemana any amin'ireny firenena ireny. Voalohany, ny fijanonana ela eo amin'ny fitondràna: raha mipetraka ela eo amin'ny fitondràna ireo miaramila nefa tsy mitondra fiovàna mivaingana amin'ny toedraharaham-piarovana, sôsialy sy toekarena dia mety hitarika fizarazaràna any anivon'ny tafika izany, ary fahaverezan'ny fanohanana avy amin'ny vahoaka. Izay mety hiafara amina fanonganam-panjakana iray vaovao. Etsy andaniny, misy ireo antony manokan'ny tena. Ny lazan-dry zareo amin'izao fotoana izay iheverana an-dry zareo ho toy ny “mpamonjy” izao, dia hanitatra ny tetezamita ry zareo, ka tanjona amin'izany ny hipetraka eo amin'ny fitondràna sy hirotsaka amin'ny fifidianana na dia handoro tena miaraka amin'ny fanohanana azy ireo any anaty antoko pôlitika sy eny anivon'ny vahoaka aza. Sarotra ny haminavina ny ho vokadratsin'ireny paikadin'ny tetezamita mitatra ireny anaty fotoana maharitra. Kisary roa lehibe no mety hiseho. KA: Fitambarana anton-javatra maro mifamatopatotra no niteraka ny fanalavàna ny vanimpotoanan'ny tetezamita, toy izay nisy vao haingana tao Borkina Fasô. Etsy ankilany, ireo miaramila naka ny fahefana dia hanao ny fomba rehetra hijanonana ela eo araka izay tratrany mba hiatrehana ireo fanamby samihafa nanosika an-dry zareo haka fitondràna. Ohatra, ny ambana hisiana fampihorohoroana, ny fitahirizana ny fiandrianam-pirenen-dry zareo manoloana ireo fitsabatsabahana isankarazany avy any ivelany, ary ny tetikasan-dry zareo hanangana Sahel iray mivoatra sy miray hina. JS: Inona avy no ho anjara andraikitr'ireo antoko pôlitika sy ny fiarahamonina sivily, raha toa hisy ny fifidianana ? Amin'ny alàlan'ny fanarahamaso akaiky ny fihetsiky ny governemanta sy fiampangàna ny fanararaotam-pahefana, tsy maintsy ampiasain'ireo antoko mpanohitra ny anjara andraikitra maha-tsindrin'entam-pahefana an-dry zareo. Tsy maintsy manolotra safidy pôlitika ry zareo ary mandray anjara amin'ny fomba miabo amin'ireo adihevitra ho an'ny daholobe. Tsy maintsy iantohan-dry zareo izay hahavoasolo tena sy handrenesana ny feon'ny olom-pirenena rehetra any anatin'ireo dingana demaokratika, hatramin'ny an'ireo vitsy an'isa. KA: Raha misy fifidianana demaokratika hokarakaraina any amin'ireo firenena ireo, hitàna andraikitra goavana amin'ny fanamafisana ny demaokrasia ireo antoko avy amin'ny fanoherana sy ny fiarahamonina sivily. JS: Mety azo sainina any amin'ireno firenena ambany fitondrana miaramila ireo ve ny hisiana kisary iray mitovitovy amin'ny ao Tchad (izay i Deby zanakalahy, nitondra ny tetezamita no voafidy ho filohampirenena) ? KA: Mety hisy avokoa ny zavatra rehetra, fa tsy mora ny hiala amina fitondrana aorian'ny tetezamita, indrindra fa rehefa nahazo ny fanohanan'ny ankamaroan'ny vahoaka. Mora kokoa izany raha nihatsara be ny toedraharaha momba ny fiarovana tao amin'ilay firenena. Fa raha mifanohitra amin'izay, mety hokatsahan'ny tafika izay hifikirana eo amin'ny fitondrana mba hanohizany ny tetikasan-dry zareo momba an'i Sahel sy ilay fiaraha-mientan-dry zareo. Ny fahalaniana sivily iray izay tsy mifanojo mihitsy amin'ny hevitra hoe ireo miaramila ireo dia mety hojerena tahàka ny fitaovana iray azo raisin'ireo hery vahiny hanozongozonana izay zavatra efa an-dàlana. Araka izany, raha tsy misy fanonganam-panjakana iray vaovao, mety hanaraka ny dian'ny filoha Deby zanany ny ankamaroan'ireo mpitarika any Borkina Fasô, Mali, Nizera ary Ginea. JS: Mety hisy ve ny nNizera, Mali ary Borkina Fasô ho ao anivon'ny CEDEAO indray, na dia mifanohitra amin'ny soatoavin'io fikambanana ao amin'ny faritra io aza ny toerana noraisin-dry zareo? KA: Ny fanamafisana nataon'i Abdoulaye Diop, minisitra misahana ny raharaha ivelany, tamin'ity herinandro ity tao Bruxelles manao hoe ny Fiaraha-mientan'ireo Fanjakana ao Sahel (AES) manamarika fiolahan-dàlana jeôpôlitika iray vaovao, ary tsy any Bruxelles, Parisy, Washington na Lôndôna no hanapahana ny hoavin'ny firenen-dry zareo, no mandika ny fijoroan'ireo firenena mpikambana ao amin'ny AES amin'ny heviny ao anatin'ny safidy stratejika nataon-dry zareo. Nizera, Mali ary Borkina Fasô dia mahita ny CEDEAO ho toy ny fitaovana iray eo am-pelatanan'ireo hery tandrefana, loza manambana ho an'ny fiandrianam-pirenen-dry zareo, ary andry iray nivily niala ny idealy panafrikanista niaingàny tany am-piandohana, ary raha tokony ho ny hetahetan'ny vahoakan-dry zareo, dia aleony miaro ireo mpitondra fanjakana izay matetika voafidy tsy mamim-bahoaka sy ny tandrefana. Toa sarotra na tsy hisy mihitsy ny fiverenana. Fa izany tsy midika hoe tsy afaka ny hiara-miaina sy hiasa miaraka ho an'ny fiadanan'ny vahoakany tsirairay avy ireo andry roa ireo. [END] --- [1] Url: https://mg.globalvoices.org/2024/07/01/170456/ Published and (C) by Global Voices Content appears here under this condition or license: https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/. via Magical.Fish Gopher News Feeds: gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/